- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taratasy Akademika momba ny Fanoratana Bilaogy Persiana

Sokajy: Iràna, Hevitra, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra Anglisy nivoaka tamin'ny Desambra 2004 ity lahatsoratra ity)

Namoaka ny taratasiny mahaliana mitondra ny lohateny hoe “Ny Fanahy Mahazatra Entina Manoratra Bilaogy”: Eo amin'ny Fiteny, ny Kolontsaina, ary ny Fahefàna anatin'ny Weblogestan Persiana [1]” ao amin'ny American Anthropologist i Alireza Doostdar, Iraniana mpianatra nivoaka avy ao Harvard. Iray amin'ireo taratasy akademika vitsy miresaka momba ny bilaogy ao Iran izy io.