Mampisahana ny fampiharana lalàna any amin'ny orinasa tsy miankina iray tsy manaja ny zon'olombelona i Okraina

Mpiambina ny tanàna ao Odessa mandrava ny fefy firavaka ao amin'ny faritra misy ny trano fandraisam-bahiny “Dom Pavlovyh”. Sary avy amin'i Konstontin Puzilovskiy, avy amin'ny Wikimedia Commons, CC BY-SA 4.0.

Mifanesy ny andiana tranga maha-voarohirohy ireo mpiambina ny tanàna ao Okraina, ka mihamaro ny olom-pirenena mitaky ny fandraràna azy ireo tanteraka.

Taorian'ny revolisiona Euromaidan tamin'ny taona 2014, nanaisotra ny polisim-pireneny i Okraina ary nanandrana namorona sampan-draharahan'ny mpitandro filaminana vaovao, saingy tsy nisy fiovana velively izany. Satria nihisatra teny ihany ny dingana, dia nanomboka nanakarama mpitandro filaminana avy amin'ny orinasan'ny fiarovana tsy miankina, izay matetika antsoina hoe “mpiambina monisipaly” ny manampahefana eo an-toerana.

Raha ara-teknika, dia tsy mpitandro filaminana ara-panjakana izy ireo. Mifototra amin'ny fifanarahana nosoniavina teo amin'izy ireo sy ny tanàna ihany ny fe-potoam-piasan'izy ireo – izay miovaova be isaky ny tanàna – ary tsy misy mihitsy ny rafitra amin'ny fandraisana andraikitra. Miandry fankatoavana avy amin'ny parlemanta nasionaly efa nanomboka tamin'ny taona 2015 ny lalàna izay mifehy ireo fifanarahana ireo.

Mpanao politika vitsivitsy no  niantso ireo mpiambina ho “fikambanana tsy ara-dalàna”, ary matetika ireo mpikatroka Okrainiana milaza amin'ny fiteny hoe “tafika an'olo-tokana” miasa ho an'ny tombontsoan'ny manampahefana sasany ao an-toerana.

Nipoitra ny raharaha tamin'ny volana jolay rehefa nanomboka andiana hetsika fandravana ireo tranon'olon-tsotra tsy misy baikon'ny fitsarana ireo mpiambina an'i Odessa. Nandrava ny valan-javaboary momba ny rano, Luzanovka sy ny trano fandraisam-bahiny Dom Pavlovyh, izay naharatrana mpandraharaha roa izy ireo tamin'ny 10 Jolay. Amin'ny ankapobeny, dia niteraka fahavoazana ara-pitaovana mihoatra ny 22 000 dolara amerikana ireo hetsika roa ireo.

Tamin'ny 13 Jolay, nanafika mpanao gazety nitantara izany hetsika fandravana izany – tao amin'ny toeram-piantsonan'ny fiara tao amin'ny orinasa momba ny lalàna antsoina hoe Redut – niaraka tamin'ny kibay sy baomba mandatsa-dranomaso ireo mpiambina. Noterena hiditra anaty fiara ilay mpitati-baovao Miroslav Bekchiv, avy ao amin'ny gazety Obshestvennyi Priboi, ary nentina tany amin'ny paositry ny polisy izay nidarohana azy mafy. Nentina tany amin'ny hôpitaly izy avy eo, ary nilaza ny dokotera fa naratra mafy ny lohany noho ny hasemporana sy fahamaizana teo amin'ny maso.

Nentina teo anatrehan'ny Fikambanana ho an'ny Fiarovana sy Fiarahamiasa ao Eoropa (OSCE) ny raharaha momba an'i Bekchiv ary notononina tamin'ny fivorian'ny biraon'ny sampana demokratika sy ny zon'olombelona tamin'ny 17 septambra. Hoy i Olga Panchenko, mpisolovava an'i Redut hoe:

In the context of the topic of the fundamental freedoms and the right to the freedom of movement, I and many of my colleagues-attorneys are particularly concerned about the following: an establishment of private armed and subordinate units in Ukraine by local municipal authorities, so-called the “municipal guards”, which according to numerous facts, infringe not only citizens’ freedom of movement, but also other fundamental human freedoms, as provided in the Declaration of Human Rights, including article 29, paragraph 2.

Ao anatin'ity lohahevitry ny fahalalahana fototra sy ny zo ho an'ny fahalalahana hivezivezy, tena manahy mikasika ireto manaraka ireto izaho sy ny ankamaroan'ireo mpisolovava mpiara-miasa amiko: ny fametrahan'ny manampahefan'ny tanàna eo an-toerana ny sampana mitam-piadiana tsy miankina sy fehezina ao Okraina, izay antsoina hoe “mpiambina tanàna”, izay araka ny tranga marobe, dia tsy manitsakitsaka ny fahalalahan'ny olom-pirenena hivezivezy ihany fa koa manitsakitsaka ny fahalalahana fototra hafa ho an'ny olombelona, ​​araka ny voalaza ao amin'ny Fanambarana ny Zon'olombelona, ​​ao anatin'izany ny andininy faha-29, andalana faha-2.

Nanadihady mpiasa dimy tao amin'ny mpiambina ny tanàna ny biraon'ny mpampanoa lalàna ao amin'ny distrikan'i Primorsky ao Odessa noho ny fikarakarana sy fitarihana hetsika heloka bevava tamin'ireo solontenan'ny media sy ny sivily”, anisan'izany i Viktor Nikolaevich Bondarchuk, izay nanafika an'i Bekchiv tamin'ny 13 Jolay.

Nanokatra fanadihadiana ny mpiambina ny tanànan'i Odessa ny Ministeran'ny Atitany. Manana fahefana hanaisotra ny fahazoan-dàlan'ireo orinasa  tsy miankina ny ministera. Raha tonga amin'izany, dia mety hiteraka ohatra lehibe ho an'ireo mpiambina hafa tahaka izany any amin'ny tanàna Okraniana hafa izany.

Taorian'ireo andiana loza mahery vaika, naneho ny ahiahiny momba ny fananana fitaovam-piadiana miaramila eo amin'ny mpiambina ny tanànan'i Odessa ny olom-pirenena. Sary avy amin'ny lahatsary YouTube-n'i Nikolay Sikorsky. 

Araka ny voalazan'ny The Babel, manana mpiasa 300 eo ny mpiambina an'i Odessa. Voalaza fa manana fitaovana miaramila mahery vaika ihany koa izy ireo, araka ny asehon'ny lahatsary izay nivezivezy tao amin'ny media sosialy. Mampiseho BRDM-2 fiara raitra mifono vy mpitondra fitaovam-piadiana niantsona teo an-tokotanin'ny biraon'ny mpiambina ao Odessa ny lahatsary.

Araka ny lahatsoratra navoakan'ny The Babel tamin'ny 5 Oktobra, nilaza ny sekreteran'ny ben'ny tanàna lefitra mpifandray amin'ny gazety, Kotlyar fa “mila fanamboarana efa hatry ny ela” ilay fiara voalaza saingy tsy nahavita nahafantatra izay tompon'izany kosa izy.

Tatitra iray hafa avy amin'ny Unsolved Crimes, fampahalalam-baovao mpanao fanadihadiana an-tserasera,  namoaka lahatsary avy amin'ny adihevi-bahoaka momba ny fiara tao amin'ny Facebook izay nahitana ny lehiben'ny GUNDP (State Unitary Research Enterprise) ao Odessa, Dmitry Golovin, fa raha ny fahafantarany azy, dia ny ben'ny tanàna lefitra – Andrei Kotlyar” (minitra 7:48) no tompon'ilay fiara mifono vy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.