Koety: Bilaogera notoriana noho ny fitsikerana ny trano fisakafoanana 

(Marihina fa tamin'ny volana Febroary 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Benihana Kuwait poster

Raha nanoratra ny fitsikerana manokana ny trano fisakafoanana iray vaovao vao nisokatra, izay noheverina ho zavatra mahazatra, ny bilaogera iray, tampoka teo dia lasa resabe an-tserasera izany rehefa nandrahona hitory ilay mpitantana ny trano fisakafoanana. Nanoratra fanadihadiana momba ny Benihana Kuwait, tao amin'ny bilaoginy 248am i Mark Makhoul, bilaogera Libaney mitady ravinahitra any Koety.

Nilaza i Mark fa mandiso fanantenana ny sakafo ary nilazalaza ny haratsiny tamin'ny antsipiriany izy. Nahatezitra an'i , Mike Servo, ilay lehiben'ny trano fisakafoanana tao Koety izany. Naneho hevitra maromaro tao amin'ny bilaogin'i Mark izy ary namoaka fandrahonana ny hitory any amin'ny fitsarana, izay nomena an'i Mark andro vitsy monja taorian'izay (jereo amin'ny teny Arabo sy teny Anglisy ).

Ny Beninhana Kuwait dia tsy nangataka onitra KD5001 (eo amin'ny 18,000$ ) fotsiny ihany noho ny fahavoazana, fa nangataka ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao ao Koety ihany koa izy ireo mba hanakatona ny tranonkala.

Nalaza tao amin'ny Twitter tao Koety ny lohahevitra #BenihanaKUW  ary nisy pejy tao amin'ny Facebook mba hanoherana ny fihetsik'izy ireo, toy ny Fanaovana Ankivy ny Benihana Kuwait .

Nihevitra i Ansam, bilaogera avy ao Koety fa tena ratsy ny nandraisan'ny trano fisakafoanana ny toe-draharaha:

It just saddens me that a restaurant had to file a lawsuit against Mark for writing a review about their restaurant stating his “own” and “personal” opinion. I read it at the time, and read it again (twice) today to find out what really triggered them in the first place… it wasn’t THAT bad to be quite honest!!!

Nampalahelo ahy raha tsy maintsy nametraka fitoriana an'i Mark ilay trano fisakafoanana  noho ny fanoratana fanadihadihana momba ny trano fisakafoanany izay milaza ny heviny “manokana” sy ny fomba fijeriny “manokana”. Namaky izany aho tamin'io fotoana io, ary namerina namaky azy indray (indroa) androany mba hahalalako izay tena nahatonga azy ireo voalohany hanao izany … TSY ratsy ny mitsotra ny marina!

Nilaza hevitra iray manan-danja i His avy ao amin'ny Hishersq8 :

As for reviews, in the US or UK, there are food critics. They will say the truth and they are feared from the top restaurants. They see what they see is good or bad. Mark wrote a post and talked about his experience. Maybe Mark is one of the top blogs in Kuwait but I don’t think he would change the mind of 3 Million people not to go to there. He has his rights for his views, everyone does!

Ho an'ireo fanadihadiana, any Etazonia na any Angletera, dia misy ny fitsikerana sakafo. Hilaza ny marina izy ireo ary atahoran'ireo trano fisakafoanana sangany. Hitany ny zavatra hitany na tsara na ratsy. Namoaka lahatsoratra i Mark ary niresaka momba ny zavatra hitany. Angamba i Mark no iray amin'ireo bilaogy voalohany ao Koety nefa tsy mihevitra aho fa hanova ny sain'ireo olona miisa 3 tapitrisa tsy handeha any izy. Manana ny zony amin'ny fomba fijeriny izy, toy ny rehetra!

Nanoratra i Abu Jaij, avy any Koety ihany koa hoe:

طبعا لا خلاف على أن حق التقاضى متاح لأى شخص أو جهة إذا وقع ضرر مباشر و متعمد عليه من قبل شخص أو جهة أخرى….و لكن الدعوى المرفوعة على المدون مارك (داست) على مبادئ و لن أقول أبسط الحقوق الإنسانية المكفولة لكل مواطن…و مقيم

مدونة مارك مدونة شخصية من خلالها يعبر هو عن آرائه الشخصية حول ما يقوم هو بتجربته شخصيا…فهو لا يمثل مؤسسة أو مصلحة تجارية تنافس هذا المطعم اليابانى…. و هو يقوم بتقييم المطاعم كهواية و لا يحترفها حتى يقال عنه بأنه قام (بتشويه سمعة مطعم) متعمدا

من متابعتى لمدونة مارك على مدى سنوات كنت أقرأ تقييمه للمطاعم كنوع من (الترفيه) فهم ليس (مقيّم محترف) أو شيف عالمى حتى أعتبر كل ما يقوله (حقائق) و معلومات دقيقة لا تقبل راى مخالف

أرجو من أصحاب المطعم المعنى سحب دعواهم ضد المدون مارك….فما عبر عنه بتقييمه هو رأيه الشخصى صحيحا كان أو خاطئا…و إن كان رأيه مسموع من قبل الكثيرين لا يعنى هذا أنه الرأى الوحيد و الأخير فى تقييم مطعمكم

Mazava ho azy fa tsy iadian-kevitra ny zon'ny olona hametraka fitoriana raha toa ka misy ny fitsikerana mivantana avy amin'ny olona iray na vondron'olona, ​​saingy ny fanenjehana an'i Mark dia tsy mifototra amin'ny fitsipika fototra fotsiny ihany fa tena (mahatohina) ny fiantohana ny zon'olombelona fototra ho an'ny olon-tsotra tsirairay sy ny mpila ravinahitra.

An'olotokana bilaogin'i Mark, afaka maneho ny heviny manokana momba ny zavatra ataony manokana izy, tsy maneho orinasa izay mifaninana amin'ity trano fisakafoanana Japoney ity izy, mitsikera ny trano fisakafoanana ho toy ny fialamboly izy, noho izany tsy azonao lazaina fa nikasa ny hanala baraka ilay trano fisakafoanana.

Araka ny fanarahako ny bilaogin'i Mark no namakiako ny fomba fijeriny ny trano fisakafoanana ho toy ny karazana fialamboly, tsy mpitsikera matihanina izy na mpahandro sakafo iraisam-pirenena, noho izany tsy azoko ekena ho tena marina izay rehetra lazainy .

Manantena aho fa ny tompon'ilay voalaza fa trano fisakafoanana dia hisintona ny fitorian'izy ireo an'i Mark. Ny heviny manokana no nolazainy, na izany marina na diso, ary raha nanaraka ny heviny ny olona maro dia tsy midika izany fa izy no mpitsikera farany sy hany mpitsikera tokana ny trano fisakafoananao.

Raharaham-barotra ao an-toerana avy amin'ny andiana trano fisakafoanana iraisam-pirenena Benihana ilay toeram-pisakafoanana.  Niantso ny COO sy ny Filoha Lefitra Mpanatanteraka Benihana ao Tokyo izay nilaza fa tsy nandre momba ilay fitoriana ny bilaogy Amerikana BoingBoing.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.