- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fampahafantarana ny bilaogy ao Zaghouan, Tonizia

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2006)

Tamin'ny fihaonan'ny bilaogera Toniziana isam-bolana, iray amin'ireo lohahevitra miseho hatrany ny hoe inona no azontsika atao mba hanapariahana bebe kokoa ny bilaogy any Tonizia ary hahazo olona maro manoratra sy mizara an-tserasera.

Iray amin'ireo hevitra noraisinay ny fampahafantarana ny fibilaogina eny amin'ny foibe ara-kolotsaina, aterineto na foiben'ny tanora. Nieritreritra ihany koa izahay fa zava-dehibe ny fanomezana fampahalalana tahaka izany any amin'ny toerana ivelan'ny renivohitra izay misy ny ankamaroan'ireo bilaogera Toniziana.

Ny Alarobia lasa teo (22/02/06), afaka nanao dingana voalohany tamin'izany tanjona izany izahay, tamin'ny fanatontosana ny fampahafantarana momba ny fibilaogina ao Zaghouan [1], tanàna 55Km miala an'i Tunis.

Natao tao amin'ny ISET institute [2] ao Zaghouan ny fampahafantarana, tao amin'ny efitranon'ny fampisehoana/hetsika tao amin'ny iray tamin'ireo trano fatoriana.
Manodidina ny 50 ny mpianatra nanatrika ny fampahafantarana, tovovavy ny ankamaroany, ka niezaka nanazava ny fototry ny fibilaogina izahay, ary tantara kely momba izany, sy ny fomba handehanana amin'izany, … sns.
Nanome fanamarihana kely momba ny tontolon'ny bilaogy Toniziana sy ny vondrom-piarahamonin'ireo bilaogera Toniziana ihany koa izahay.

Bilaogera efatra izahay (Tom [3], Karim [4], Marouen [5] sy ny tenako [6]) ary tsy bilaogera iray, Moez, izay naman'i Karim.

Ireo lohahevitra noresahanay:

Niditra an-tsehatra i Moez taorian'ny fampahafantarana, nanome ny fomba fijeriny tsy bilaogera momba ny fibilaogina sy ny fahatakarany izany.
Taorian ‘izany dia niditra tamin'ny fotoanan'ny Fanontaniana sy Valiny izahay ary namaly ireo fanontanian'ny mpianatra.

Ny sasany tamin'ireo fanontaniana azonay dia momba ny maha azo antoka sy ny fahatokisana ny bilaogy sy ny bilaogera, ny fahasamihafana eo amin'ny fibilaogina sy ny famoahana an-tserasera hafa ary raha nisy ny toe-javatra mampihomehy izay nitranga taminay bilaogera.

Nambara tao ihany koa ny ahiahy mikasika ny tsiambaratelo, indrindra mikasika ny famoahana ny sarin'izy ireo manokana antserasera, izay nanazavanay fa tsy ilaina izany ary tsy tokony atao velively.

Ny tanjonay tamin'ny fampahafantarana dia ny hampidirana ny fibilaogina ho an'ny mpianatra sy hahatonga azy ireo liana amin'ny fikarohana izany bebe kokoa, angamba aza miezaka mihitsy miditra antserasera ary manomboka ny bilaogin'izy ireo manokana.
Niezaka nizara azy ireo ho hevitra tsotra sy mahaliana izahay ary manome azy ireo torohevitra amin'ny fomba rehetra azon'izy ireo ampiasaina amin'ny bilaogy.
Amin'ny ankapobeny dia mihevitra izahay fa nahomby tamin'ny fanaovana izany ary nampita ny hafatra. Nisy maso vitsivitsy namirapitratra ary nahatsapa izahay fa nahaliana ny sasany tamin'ireo vahoaka izany.

Taorian'ny fampahafantarana, dia nanana fahafahana niresaka bebe kokoa tamin'ireo mpianatra aho ary efa mieritreritra sahady ny fomba hampiasana ny bilaogy ny sasany tamin'izy ireo mba hanampy amin'ny fianarana sy ny tetikasan'izy ireo, izay heveriko fa tsara.

Tiako ny misaotra ny tsirairay izay nanampy tamin'ny fanatanterahana ny fanolorana, sy ireo mpianatra izay nanatrika sy nihaino anay, ary mazava ho azy fa ireo bilaogera namana izay nino ny maha-zava-dehibe ity fampisehoana ity ary tonga tao. Farany, tsy ny kely indrindra, dia misaotra an'i Moez izay malala-tanana nitondra anay tany Zaghouan sy niverina ary nanampy fomba fijerina tsy bilaogera tamin'ny fanoloran-teny.

Antenaina fa ho vitantsika izany amin'ny fotoana hafa sy any amin'ny faritra hafa manodidina an'i Tonizia.