- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Finday Avo Lenta+Bluetooth: Paradisan'ny Fanoratana Bilaogy Ao Ghana

Sokajy: Ghana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2005 ity lahatsoratra ity)

Fotoana fohy taorian'ny namoahako ny lahatsoratro tanaty bilaogy [1] momba ny fahafahana mampiasa ireo finday avo lenta sy Bluetooth tsy mila tariby ho vahaolana ho an'ireo Ghaneana mpanoratra bilaogy an-dahatsary, nanatona ahy ilay bilaogera Libaney, Mustapha [2], izay nampahafantatra ny tenany ary nipetraka, nanao resaky ny samy tomponà Mac izahay. Nanamarika izy avy eo fa nanana ilay finday avo lenta vaovao Handspring Treo 650, izay nanana indrindra ireo fahafahan'ny lahatsary sy ny Bluetooth. Maty ny takamoa, ary tanatin'ny minitra vitsy dia afaka namoaka ity rakitsary manaraka ity izahay. Manontany tena aho raha ity no lahatsary anaty bilaogy voalohany indrindra avaty Ghana nalaina tamin'ny finday avo lenta?

Smart Phone Video Blog Test [3]

Andy and Mustapha try video blogging from Ghana with a smart phone:
Low bandwidth clip [4]
Medium bandwidth clip [3]

PlayPlay [3]