- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Andrana Voalohany Amin'ny Fanaovana Mobcast

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia

(Fanamarihana: lahatsoratra Anglisy nivoaka tamin'ny Janoary 2005 ity lahatsoratra ity)

Akory aby…. Namorona fitaovana fanaovana mobcast ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fametrahana filoha  [1]aho, ho andrana voalohany amin'ny fanaovana mobcast. Namoaka fanamarihana tanatinà vohikala vitsivitsy ahitàna vondrona mpanohitra aho, ary nanamboatra ilay bilaogy mba hipotra eo amin'ny pejy fandraisana avy hatrany ireo  torolàlana amin'ny fandraisana anjara. Hatreto aloha dia mieritreritra ny hipetraka sy hijery aho raha misy zavatra hiseho. -andy