- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fatwas sy voina tamin'ny fivahiniana masina..ao amin'ny bilaogy Maraokana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra efa tamin'ny volana Janoary 2006)

Tena mavitrika tokoa ny herinandro lasa teo tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Maraokana ary mitohy ny adihevitra mikasika ireo lohahevitra samihafa, ary tena mahaliana. Niresaka momba ny loza farany tamin'ny hajj,  [1]ankoatra ny lohahevitra hafa ireo bilaogera Maraokana. Niresaka momba ny Fatwa [2] vao haingana ihany koa izy ireo ny amin'ny tokony hanaovana akanjo anatiny mandritra ny fotoana .. fanaovana firaisana!

Ny fahalalahana antserasera…!

Taorian'ny sivana maromaro nitranga farany tany Shina, ary mahakasika ireo mpanao gazety bilaogera [3], manoratra i IBAHRINE raha tokony fehezin'ny lalàna ireo orinasan'ny aterineto mba hiantohana ny fanajan'izy ireo ny fahalalahana miteny. Mihevitra ny mpanoratra ny A Meta Blog on Arab blogs  [4]fa misy antso eo an-koditra amin'ity tolo-kevitra ity, ary tsy azo tanterahina ny hevitra.

Which members of Congress does Reporters Without Borders propose to approach? The ones who might cause the technology execs to listen — in a Washington utterly dominated by people who favor business’ desires over just about all else — are the least likely to get involved. I doubt that Cisco's John Chambers, whose company is one of the primary enablers of censorship, would offer more than a tiny bit of lip service if, say, Zoe Lofgren (a Democrat who represents San Jose, Cisco's home town, in Congress) raised this issue.

Iza amin'ireo mpikambana ao amin'ny Kaongresy no atolotry ny Reporters Sans Frontières hatonina? Ireo izay mety mahatonga ny tompon'andrakitry ny teknolojia hihaino – any Washington anjakazakan'ny olona manome vahana ny fanirian'ny tontolon'ny fandraharahana mihoatra ny zava-drehetra  – no mety ho farany indrindra hiditra amin'izany. Misalasala aho raha i John Chambers ao amin'ny Cisco, izay manana orinasa iray amin'ireo voalohany mpialoha lalana mamela ny fanaovana sivana no hanolotra mihoatra noho ny tolotra imolotra raha nilaza izany olana izany i Zoe Lofgren (Demaokraty iray misolotena an'i San Jose, tanindrazan'ny Cisco, ao amin'ny Kongresy).

Nilaza i IBAHRINE fa mahagaga aloha ny fanambaran'ny governemanta milaza amin'ireo orinasa ny fomba tokony hitondrany tena [5] manoloana ny lahateny.

The U.S. government is growing visibly hostile to the First Amendment even today, and America is heading in the wrong direction on free speech in a general way. Maybe we should tend to our own backyard before we tell our neighbor how to weed his garden.

Miha-miharihary ny fankahalan'ny governemanta Amerikana ny Fanitsiana Voalohany na dia amin'izao fotoana izao aza, ary mandeha amin'ny lalan-diso i Amerika amin'ny fahalalahana miteny amin'ny ankapobeny. Angamba tokony hijery ny tokotanintsika manokana isika alohan'ny hilazantsika ny mpifanolobodirindrina amintsika ny fomba fanadiovana ny zaridainany.

Loza tao Afovoany-atsinanana-Afrika-Avaratra

Araka ny efa nampoiziko, tamin'ny herinandro lasa teo dia bilaogera marobe no namoaka momba ny korontana nitranga nandritra ny fombafomba fitoraham-bato tamin'ny andro farany tamin'ny Hajj ary namoizana mpanao fivahinianana masina an-jatony [6].

Nomen'ny DB  lohateny hoe “362” ny lahatsorany, manondro ny isan'ny maty tao anatin'izany loza izany. Ary nanontany tena izy raha tsy maintsy manao izany amin'ny fotoana mitovy ihany koa ny rehetra [7], satria tsy azo atao tsotra izao fotsiny.

Karim indray milaza amin'ny lahatsoratra fohy sy feno hatezerana momba ny loza, fa porofo iray mampiseho – izay antsoiny hoe- tsy mivoatra amin'ny lalana marina ny firenena an-dalam-pandrosoana [8] izany.

Fatwas..niverina indray izahay!

Sonia kosa namoaka momba ny fatwa iray izay mihevitra fa fahotana ny fanaovana firaisana miboridana [9].

Honestly, I think it's a stupid fatwa..a ridiculous and a useless one.

Am-pahatsorana, heveriko fa fatwa adala izany. mampihomehy sy tsy misy ilàna izany

Milaza i Sonia fa tokony hifantoka amin'ny olana lehibe kokoa fa tsy mandany fotoana [10] sy hery miresaka antsipirihany mampihomehy tahaka izany ireo mpihevitra Miozolomana.

Sahiran-tsaina i Reda raha nandre fa nisy fatwa mangataka amin'ny mpifankatia mpivady mba hanao firaisana miaraka amin'ny atin'akanjo. Ary manontany tena ao amin'ny lahatsorany izy raha tsy manana zavatra tsara kokoa atao [11] ireo mpitoriteny Islamika.

Vao mainka gaga i Reda raha nandre fa nisy fatwa hafa avy amin'i  Ayatollah Khomeini [12] tenany izay efa maty, manome alalana ny olona ho afaka manova ny taovam-pananahan'izy ireo [13]

Larbi indray nandefa lahatsoratra momba ny fatwa iraniana ary toy ny mahazatra, mahaliana ny mijery ireo fanehoan-kevitra ao amin'ny  lahatsorany [14]. Mazava ho azy fa tsy nifantoka tamin'ny lohahevitra fototra navoakan'i Larbi ny adihevitra antserasera, ary nitohy momba ny andrana virtoaly amin'ny fatwas ny fanehoan-kevitra saingy ny tena mahaliana dia ny bilaogin'i Larbi,Comme une bouteille jetee la la mer! izay  nandritra ny andro maromaro, lasa sehatra tena izy amin'ny fifanakalozan-kevitra sy hevitra samihafa momba ny finoana Silamo [15].
Bravo Larbi, tiako.

Coup de coeur

a to z blogging [16] indray dia bilaogy miavaka manokana, ary miresaka ireo hevitra mety mahatonga ny bilaogy hita ho faly kokoa ny mpanoratra azy. Manazava amin'ny antsipiriany ny fomba fampiasana azy na ny mibaiko izany. Manome fanazavana bebe kokoa mihitsy aza izy rehefa mamaly ireo fanehoan-kevitra. Tsidihiko matetika ity bilaogy ity ary tena loharanom-baovao lehibe ho ahy izany.
Mety te-hijery izany ianao, ho tianao izany.

Ma vie est un peu celle des autres [17] (Ny fiainako dia misy an'ny hafa kely ihany koa) dia karazana bilaogy ahatsapanao fahafinaretana rehefa mamaky ny lahatsorany ianao.
Miafara amin'ny tsiky foana ianao, ary indraindray te-hamaky ny lahatsoratra tantara bebe kokoa. Manoratra amin'ny fomba “mamy” sy mahatsikaiky koa i Selwa, ary aza miantso azy hoe Seloua intsony, .
Mifanerasera amin'ny mpamaky azy mihitsy aza izy amin'ny fametrahana fanontaniana azy ireo sy hampiditra azy ireo ao amin'ny lahatsorany.

Izay no tamin'ity herinandro ity, Amin'ny Alarobia indray, Inshallah 😉