- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogy An-dahatsary avy ao amin'ny WSIS: Ilay Solosaina Finday Mitentina $100 an'i Negroponte

Sokajy: Tonizia, Hevitra, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra Anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2005 ity lahatsoratra ity)

man examines the $100 laptop [1]

Lahatsary fanadihadiana maharitra valo minitra [1]momba ny maodely santatra amin'ilay solosaina finday $100 an'i Nicholas Negroponte, izay naseho voalohany omaly tao amin'ny fihaonambe WSIS tao Tonisy.  Miresaka miaraka amin'ny tale eo amin'ny lafiny ara-teknikan'ilay tetikasa i Andy Carvin [2] ary mahazo topimaso voalohany an'ity fitaovana endrasana fatratra ity.