- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nandefa kasikety ‘Make Wall Great Again’ ilay Shinoa mpanakanto Badiucao, ho fanoherana ny fiverenan'ny orinasa Google ao Shina

Sokajy: Amerika Avaratra, Azia Atsinanana, Etazonia, Shina, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Hehy, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zavakanto & Kolontsaina, GV Mpisolovava

Sariitatra ‘Ataovy Mahafinaritra indray ny Rindrina’ avy amin'ilay Shinoa mpanakanto ara-politika Badiucao. ‘Make Wall Great Again’ cartoon by Chinese political artist Badiucao.

Ny orizinalin'ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Holmes Chan ary navoaka [1] tao amin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) tamin'ny 19 Oktobra 2018. Mifototra amin'ny fifanaraham-piarahamiasa ny famoahana azy indray.

Nandefa fonosana kasikety ahitana soratra hoe “Make Wall Great Again (Avereno ho Mahafinaritra indray ny Rindrina” nankany amin'ny foiben’ ny Google ao Shina ilay shinoa mpanao sariitatra ara-politika Badiucao, ho fanoherana ny fikasan'ny orinasa hampiditra milina fikarohana voasivana ao Shina..

Nilaza tamin'ny HKFP i Badiucao – mpanakanto sady mpikatroka teratany Shinoa monina any ivelany fa nandefa satroka mena am-polony teo tany amin'ireo mpiasan'ny Google kisendrasendra. Namela ampolony hafa tao amin'ny manodidina ny foibenny Google ao Etazonia ihany koa izy ary nandefa fonosana satroka 50 tao amin'ny fivarotan'ny Google.

Nilaza i Badiucao fa valin'ny mety ho fampidiriana indray ny goavan'ny fitadiavam-botoaty ao Shina no anton'ilay satroka.

“Tiako hahafantatra ny [Google] fa fahadisoana ny miara-miasa amin'ny sivana ao Shina. Mahamenatra toy ny rindrin'i Trump izany, fa amin'ity indray mitoraka ity dia rindrina tsy hita maso anaty aterineto – ny great firewall (Aroafo lehibe).”

Nandao ny tsena Shinoa  [2]ny Google tamin'ny taona 2010, nanambara fa noho ny ahiahy momba ny zon'olombelona. Saingy hatramin'ny volana Aogositra 2018, nampiseho ireo antontan-taratasy anatiny tafaporitsaka, ny fandraketam-peo [3] sy ny loharanom-baovao avy ao anatin'ny orinasa fa miomana hanangana milina fikarohana natao ho an'i Shina manokana ny Google. Nomena ny kaody “Dragonfly”, ny milina fikarohana dia mamantatra sy manivana ho azy ireo tranonkala toy ny Facebook, Twitter, Wikipedia, ny BBC, Global Voices ary ireo maro hafa izay voasakana any Shina amin'izao fotoana, ary manaisotra ny valim-pikarohana izay heverin'ny tompon'andraiki-panjakana fa saro-pady.

Tamin'ny 16 Oktobra, nanambara [4] i Sundar Pichai, talen'ny Google fa “zava-dehibe ny mitrandraka” ny mety hisian'ny milina fikarohana ao Shina, manamarika ny fotoana voalohany izay nanamafisan'ireo tompon'andraikitra mpanatanteraka ao amin'ny Google ny fisian'ny tetikasa, na dia eo aza ireo vaovao tafaporitsaka marobe. Nilaza i Pichai fa afaka miasa eo amin'ny 99 isan-jato mahery amin'ny fangatahana fikarohana ny tetikasa no sady manaraka ny lalàna Shinoa mikasika ny sivana ilay tetikasa.

Satroka mena “Avereno ho mahafinaritra Indray ny Rindrina” an'i Badiucao.

Naneho hevitra momba ny drafitry ny orinasa, hoy ilay mpanakanto hoe:

When Google left the Chinese market years ago, a lot people [applauded] its principle of defending free speech. But now, with the Dragonfly program and its CEO defending the program, it only left deep disappointment and fear of the consequences of this super [corporation’s] submission to a brutal regime.

Raha nandao ny tsena Shinoa ny Google taona maro lasa izay, olona maro no [nidera] ny foto-keviny miaro ny fahalalahana miteny. Saingy ankehitriny, amin'ny drafitra Dragonfly sy ny tale jeneraliny miaro ny fandaharana, dia tsy misy afa-tsy fahadisoam-panantenana lalina sy tahotry ny voka-dratsin'izany faneken'ny orinasa ny fitondrana maherisetra izany.

Noforonin'i Badiucao ho ao anatin'ny sariitatra ilay satroka tany am-boalohany, miaraka amin'ny mpanao ilay satroka mitovy tanteraka amin'i Sundar Pichai. Taty aoriana dia novainy ho entana tena izy ilay satroka. Nilaza izy fa niezaka nanadihady ny mpiasan'ny Google momba ny tetikasa ihany, saingy tsy nety naneho hevitra ny ankamaroany ary tsy nanaiky ilay satroka. Na izany aza, nilaza izy fa niresaka tamin'ny mpiasa Shinoa sasantsasany tao amin'ny Google izay hita fa manohana ity mili-pikarohana voasivana. Hoy izy nanampy:

I hope [Pichai] will receive the message. If Google wants to help China or Chinese people, it should help us to fight and defeat the censorship system instead of becoming a part of it.

Manantena aho fa haharay ny hafatra i [Pichai]. Raha te-hanampy an'i Shina na ny vahoaka Shinoa ny Google, dia tokony hanampy antsika hiady sy handresy ny rafitra sivana fa tsy ho ampahany amin'izany.

Raha ny hafatra ao amin'ilay satroka, nilaza i Badiucao fa nanapa-kevitra ny hanoratra hoe “Ataovy Lehibe Indray ny Rindrina” noho ny dikany roa: voalohany, amin'ny rafitra sivana ataon'i Shina, nomena anaram-bositra “the great firewall”, ary faharoa, ny teny fanevan'i Trump.

For me the Trump cap is the crown of shame… Giving something similar to Google is the best ironic thing I can do in the USA.

Ho ahy, ny satroka Trump dia satroboninahitry ny henatra … Ny fanolorana zavatra mitovy ho an'ny Google no zavatra mampihomehy indrindra azoko atao any Etazonia.

Nifandray tamin'ny Google ny HKFP mba haneho hevitra.