- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Dia fitetezana ny tontolon'ny bilaogy Kiorda

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràka, Iràna, Syria, Tiorkia, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2006)

Araka ny notaterin'ny Kurdistan Blog Count [1], tsikaritra ireo bilaogy Kiorda vaovao maromaro amin'ny teny Anglisy. Ny voalohany amin'ireo dia ny Talk about the Passion izay soratana Amerikana iray handeha  hampianatra mandritra ny enim-bolana manaraka any avaratr'i Iraka/Kiordistan Atsimo. [2] Raha vao nanomboka nampianatra tao izy dia efa nandefa lahatsoratra mahaliana momba ny hena sendra azy [3]. Ny lahatsoratra faharoa voatonona dia antsoina hoe my Personals [4] izay natomboka tamin'ity herinandro ity. Ny voatanisa fahatelo dia antsoina hoe me, myself and I (including you) izay ahitana resaka mahaliana momba ny ny fanagadran'ny governemantam-paritra Kiordistana an'i Dr. Kadir [5].

Vladimir ao amin'ny From Holland to Kurdistan kosa manana lahatsoratra mahafinaritra mitantara ny vaovao rehetra momba an'i Kiordistana lehibe [6]. Manana tantara manokana momba ny fanavakavaham-bolon-koditra izay sendra azy nandritra ny fiarahana tamin'ny namana Kiorda tany Holandy [7] ihany koa izy. Vaovao hafa nosoratan'i Vladimir tamin'ity herinandro ity ny vaovao momba ireo banky Tiorka izay hisokatra ao Kiordistan [8], ny mpitarika ny PKK milaza fa “te-hanimba azy i Torkia” [9], ary ny vaovao momba ny fanohanan'ny Tiorka sy Kiorda ny fifampiresahan'ny Vondrona Eoropeana amin'i Torkia [10].

Roj Bash manoratra momba ny fasana tambabe hita tany Iraka [11] ary manana lahatsoratra fanomezam-boninahitra ny tsingerintaonan'ny famoronana ny repoblika Kiorda voalohany naorina tany Iran.. [12]

Manana lahatsoratra vaovao roa mitondra ny lohateny hoe (tiako ny lohateniny!) Saron-tava sy Fahakiviana – Filan'iza no omenao fahafaham-po [13]? ary Torkia, ny OIC, ary ny feo Kiorda [14] i Rasti.

Tamin'ity herinandro ity dia nandefa rohy mankany amin'ny lahatsoratra navoakan'ny gazetiboky vaovao National Geographic [15] izay nanasongadina lahatsoratra momba ny Kiorda any avaratr'i Irak/Kiordistan Atsimo ny Sendikan'ny Bilaogera Kurdistan.

Miverina miaraka amin'ny vaovao farany momba ny Fiarahamonina Kiorda ao Tennesse  [16]i Nashville Kurds Daily rehefa niato 2 volana.

Raha mitady tranonkala manome vaovao farany tsy tapaka momba an'i Iran ianao, dia ny East of Kurdistan [17] no toerana tena tsara hanombohana. Lahatsoratra manintona (ao anatin'ny maro) amin'ity herinandro ity ny Tatitra momba ny Zon'ny Olombelona ao Iran [18], ny vaovao momba ny fivorian'ny governemanta Iraniana hiatrehana ny krizy iraisampirenena amin'izao fotoana izao [19] ary ny fanakanana ny BBC Persiana ao Iran [20].

Hiwa avy ao amin'ny Hiwa Hopes, ankoatra fananana olana amin'ny Amazon UK [21]manoratra momba ny tsy fahafahan'ny governemanta Irakiana vaovao [22] hanao zavatra amin'izao fotoana izao sy ny tranga mampalahelo momba ilay lehilahy Kiorda nogadraina nandritra ny folo taona teo ho eo noho ny halatra palitaon'ny mpiasan'ny governemantam-paritra Kiordistana [23].

Amin'ny herinandro manaraka indray!