23 Oktobra 2018

Tantara tamin'ny 23 Oktobra 2018

Azerbaidjan: Ireo Haino Aman-Jery Miaro Ireo Mafana Fo Sy Blaogera Voatazona Am-Ponja

  23 Oktobra 2018

Na dia saika hita ao amin'ny Facebook avokoa aza ny ankamaroan'ny hetsika rehetra izay mbola hanohizan'ny mpampiasa aterineto ny fifampizaràna lahatsary ahitana ilay blaogera Adnan Hajizade sy ilay tanora mafana fo Emin Milli, notanana am-ponja herinandro lasa izay ary voaheloka higadra roa volana an-tranomaizina alohan'ny hitsarana azy, zara raha nisy hetsika vitsivitsy hita teny amin'ny filazambaovao mahazatra, kanefa efa miova izany amin'izao fotoana izao. Na izany aza, ny filazambaovaon'olontsotra aloha no tena mbola loharanom-baovao.

Fifidianana tany Iran: Nanao fanentanana an-tserasera ny mpanohana an'i Ahmadinejad 

Nilatsaka kandida ho an'ny fifidianana filoham-pirenena ny volana Jona 2009 ny filohan'i Iran Mahmoud Ahmadinejad . Tahaka ireo mpifaninana aminy, niandry ny fankatoavana ofisialy hifaninana tamin'ny fifidianana avy amin'ny Vaomieran'ny Mpiambina izy. Nandritra izany fotoana izany, nanomboka fanentanana antsoina hoe "Manaraka ny Hatsaram-panahy" ireo mpanohana an'i Ahmadinejad .