- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Herinandro mahazatra ao Bahrain

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2006)

Herinandro tsy dia maresaka [1] ity, andeha, misentoa sy mitonia. (Saiky) niverina ao Bahrain ny fiainana ara-dalàna!

Herinandro izay: Ali7 [2] miombon-kevitra amin'i Jakob Nielsen [3] fa ny bilaogy, toy ireo tranonkala tsotra ara-dalàna, dia mila manaraka toro-lalanavitsivitsy mba ho azo ampiasaina. Manoritra izy na dia izany aza fa ny fitokisana ny ezaka fanoratana ataonao hanalalahana ny milina fibilaogina dia angamba tsy fomba tsara hidirana satria mety ho very amin'izay zavatra soratany ny mpanoratra. (Arabo)

Tsy mpanoratra ihany i Ali Al-Saeed [4] ankehitriny fa koa mpiara-mamokatra lahatsary fanadihadiana izay eo an-dalam-panatontosana miaraka amin'ny orinasan'ny sarimihetsika amerikana ao Bahrain, miresaka momba ireo vehivavy mpitarika ao amin'ny Helodrano (Oala). Miasa amin'ny fanoratana boky arahim-panadihadiana ihany koa izy.

Zainab Al-Khawajah [5] indray milaza amintsika kely momba ny fety Krismasy nataony tany Londra; manao fihetsiketsehana eo anoloan'ny Ambasady Bahrainita, miresaka amin'ny Speakers’ Corner ao amin'ny Hyde Park ary mitsidika ireo fikambanana dimy mandala ny zon'olombelona izay manome tati-baovao azy ireo momba an'i Bahrain.

Haitham Sabbah [6], etsy ankilany, maniry ny ho boloky!

Fanavakavahana ny Shiita [7] no lohahevitra noresahin'i Jaffar Al-Omran [8] tamin'ity herinandro ity.

Farany fa tsy ny kely indrindra, manana bilaogera vitsivitsy voafidy ao amin'ny Komity mpitantana [9] ny antoko ara-politika lehibe indrindra ao Bahrain, Al-Wefaq National Islamic Society  [10]isika: Iray amin'ireo kandidà miisa 60 mifaninana ho ao amin'ny andrim-panjakana ahitana mpikambana 30 izay hanapa-kevitra amin'ny hitarihan-dalana manontolo ny antoko i Tawfiq Al-Rayyash [11], anisan'izany ny hoe handray anjara amin'ny fifidianana parlemantera ho avy ve izy ireo. Lahatsoratra manandanja izany ary mirary soa ho azy isika amin'ity toerany vaovao ity ary mirary azy ihany koa mba hanohizany mibilaogy mba ahafahantsika mahafantatra ny mitranga ao amin'izany antoko izany sy hahazoany tombony amin'ny hevitra hafa ihany koa.