- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifidianana tany Iran: Nanao fanentanana an-tserasera ny mpanohana an'i Ahmadinejad 

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, gazety, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia

(Marihina fa tamin'ny volana May 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
logo_right

Nilatsaka ho kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena ny volana Jona 2009 ny filohan'i Iran Mahmoud Ahmadinejad [1] . Tahaka ireo mpifaninana aminy, niandry ny fankatoavana ofisialy hifaninana tamin'ny fifidianana avy amin'ny Vaomieran'ny Mpiambina [2] izy. Nandritra izany fotoana izany, nanomboka fanentanana tamin'ny fampahalalam-baovao maromaro antsoina hoe Dar Emtedad Mehr [3] (izay midika hoe “Manaraka ny Hatsaram-panahy”) ireo mpanohana an'i Ahmadinejad ary nameno ny tambajotra sosialy toy ny Twitter, Facebook ary ny fampitam-baovao an-tserasera hafa izany .

Tsy misy ny pejy “Momba anay” ao amin'ilay tranonkala, noho izany dia tsy fantatra ny tena mpamorona azy, saingy voatanisa miharihary ny lohatenin'ireo bilaogy miisa 80 izay manohana an'i Ahmadinejad.  Tena feno fifanakalozan-kevitra ary manome fahafahana isan-karazany ho an'ireo mpanohana an'i Ahmadinejad handray anjara amin'ny fanentanana sy hahazo torohay ny tranonkala.

Nanolotra fanavaozam-baovao momba ny lahatenin'i Ahmadinejad sy ny fitsidihana tany amin'ireo tanàndehibe samihafa tao amin'ny YouTube, Twitter [4], Facebook [5], na hafatra SMS ny tranonkala. Mbola latsaky ny olona miisa 15 no “nanjohy” ny fanentanana momba an'i Dar Emtedad Mehr tao amin'ny Twitter tamin'ny fotoana nanoratana.

Tena nampihetsi-po tokoa niaraka tamin'ny mozika ny sasany tamin'ireo horonantsary tao amin'ny tranonkala, tahaka ny ilay iray nisy ny fitsidihan'i Ahmadinejad ny fianakaviana mahantra iray tao Ardebil [6]. Fantatra fa mbola mijaly noho ny ratra nahazo azy tamin'ny adin'ny Iran-Iraka [7] ilay raim-pianakaviana .

Nasaina handray anjara tamin'ny fanentanana tamin'ny alàlan'ny fandefasana hafatra SMS, fanaovana antso an-telefaona [8] ary ny fanatrehana ny hetsika fanentanana [9] ireo mpanohana an'i Ahmadinejad .

Afaka nisafidy toerana 3 samihafa izay nampiroboroboany ny fampielezan-kevitr'i Ahmadinejad ireo mpirotsaka an-tsitrapo naniry handray anjara tamin'ny hetsika: 1-sekoly, 2-moskea, 3- toerana ho an'ny vahoaka

Nasaina hametraka ny sary famantarana [10] ho an'i Ahmadinejad tao amin'ny bilaoginy ihany koa ireo bilaogera.

Raha nanjary navitrika tamin'ny endrika virtoaly samihafa ny mpanohana an'i Ahmadinejad dia tsy nanavao [11] ny bilaoginy manokana nandritra ny herintaona ity filoha Iraniana ity.