- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Goatemala : Nitokona ireo mpampianatra rehefa noravàna ny sekoly tranainy iray

Sokajy: Amerika Latina, Goatemalà, Fanabeazana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà, Teknolojia, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Niverina nitokona indray ny 8 Mey 2007 ireo mpampianatra tamin’ny sekolim-panjakana tany Goatemala, nangataka ny ‘’famotsoran-keloka’’ tamin’ity indray mitoraka ity. Nangataka ny hanafoanana ireo sazy niampangan’ny governemanta azy izy ireo satria noho ny fandikan-dalàna tamin’ny fanaovana fitokonana tsy ara-dalana. Nitranga talohan’ny fialan-tsasatry ny ‘’Herinandro Masina’’ny fitokonana ary efa fanindroany izao tao anatin’ny taona 2007. Tsy nangataka rafi-panabeazana tsara kokoa na sekoly tsara tarehy kokoa izy ireo, fa ny fampiakarana 12 isan-jato ny karamany. Nifanohitra tamin’ny toe-draharaha roa hafa anefa ny fitakian’izy ireo :

Niasa maina ary mampiodina ny sekoly kely iray ao afovoan-tanàndehibe ny vondrona mpampianatra iray ao San Pedro La Laguna, Te handrava ity sekoly ity ny ben’ny tanànan’i San Pedro.

Nomelohin’ilay [1] mpanao gazety sady bilaogera Claudia Navas ity tetikasa ity.

El alcalde de San Pedro La Laguna, Guillermo Magdalena Batz González, abusando del poder que le otorga la municipalidad, intenta cometer una arbitrariedad al pretender derrumbar la Escuela Oficial Urbana Mixta Humberto Corzo Guzmán, para construir en su lugar un mercado, con lo cual limita la posibilidad de muchos niños y niñas de estudiar, viola además sus derechos humanos y los de toda la población

Nanararao-pahefana tao amin’ny Kaominina ny ben’ny tananan’ny San Pedro La Laguna i Guillermo Magdalena Badz Gonzalez, tamin’ny fikasana tsy ara-drariny ny fandravana ny sekoly iombonana Humberto Corzo Gouzman ao an-drenivohitra, mba hanorenany tsena eo amin’ny toerany. Mametra ny fahafahan’ny ankizy maro miditra an-tsekoly izany, izay manitsakitsaka ny zon’izy ireo sy ny zon’ny mponina ao amin’ny tanànakely iray manontolo ihany koa.

Notohanan’ny bilaogera Pablo tao amin’ny bilaogy “depuis d´Europe [2]“’ ny heviny izay nitantarany momba ilay raharaha rehetra sy nampitahany izany tamin’ny hetsiky ny mpampianatra :

El país ya tiene suficientes problemas, para venir a acarrear uno mas y este que es tan sin sentido (según mi punto de vista) de querer hacer un mercado en lugar de una escuela…”

Ary ny fananganana tsena ho solon’ny sekoly, tsy misy dikany raha amiko, fa efa ampy ny olana misy eo amin’ny firenena, ka tsy mila ampiana iray hafa intsony.

Nanolotra solosaina ho an’ireo mpampianatra miaraka amin’ny rafi-pikirakirana Windows novinidy zato dolara Amerikana tsirairay avy ny Ministeran’ny Fampianarana na dia ’’nitokona’’ aza izy ireo. Nahatonga fanehoan-kevitra maro teo amin’ireo bilaogera izany.

Nanoratra i Javier Aroche [3]:

Es falta de visión por parte de las autoridades a cargo del proyecto, que bien pudieron optar por el uso de Software Libre y con el dinero ahorado en Software comprar más equipo. Lo que me da tristeza es que en realidad no exista un grupo de promotores del Software Libre que haya podido hacer esta propuesta al Gobierno.

Tsy nahamarika ireo manampahefana tompon’andraikitra sady tsy nihevitra safidy rindrambaiko maimaim-poana hanatontosana ny tetikasa, satria afaka nividy fitaovana fanampiny izy ireo raha nitsitsy. Malahelo aho satria tsy misy ny vondrona afaka manohana ny rindrambaiko maimaim-poana, izay afaka manolotra soso-kevitra matotra ho an’ny governemanta.

Nozarain’i Ermita [4]ity hevitra ity :

Para quienes creen que el tema de software libre y open souce es cuestión de filosofías o de extraños gustos informáticos, me pareció interesente continuar en la linea de presentar números interesantes para los tomadores de decisiones

Ho an’ireo izay mihevitra fa filozofia fotsiny ihany ny rindrambaiko maimaim-poana na fitiavana hafahafa amin’ny resaka informatika dia tsara ny manolotra ny antontan’isa mahaliana ho an’ireo tompon’andraikitra izay mandray ny fanapahan-kevitra.

Ny adihevitra ihany koa dia niresaka ny momba ny hamantarana hoe mendrika ve sa tsia handray tombontsoa amin’ity rafitra ity ve ny mpampianatra. Nanoratra i Luis Figueroa [5] raha toa ka nisafidy ny hanohana ara-bola ireo mpampianatra mitokona ny governemanta, satria na dia 100 dolara aza dia efa fandaniam-bola foana.

…si se les va a dar una compu a los maestros s que han estado en huelga, a esos que chantajean a los tributarios, a esos que hacen pancartas mucas [6], a esos que creen que tienen derecho a vivir del presupuesto del Estado…pues yo digo que darles compu a esos maestros, aunque sea una compu de US$100, es un desperdicio

Raha toa ka handeha hanome solosaina ho an'ireo mpampianatra mitokona, ho an'ireo manao fandrahonana ny mpandray anjara, ho an'ireo izay nino fa manan-jo hiaina amin’ny tetibolam-panjakana…dia hoy aho hoe vola ariana fotsiny ny fanomezana solosaina ho an’ireo mpampianatra ireo, na dia solosaina amin’ny vidiny 100 dolara aza izany.

Namaly i Albedrio [7]fa tena tsy misy dikany ny fomba fisainana tahaka izany

Es totalmente absurdo pensar que un país carezca de educación pública…La modernización de la institución y la capacitación de sus empleados son urgentes

Tena fahadalàna ny fiheverana momba izany ao amin’ny firenena iray izay mijaly noho ny tsy fahampian’ny fanabeazam-bahoaka ao aminy. Maika ny fanavaozana ny dingana sy ny fampiofanana ireo mpampianatra.

Noho izany, toy izao manaraka izao ny toe-draharaha ao amin’ny sehatry ny fanabeazana ao Goatemala : manahy ny momba azy ireo ny mpampianatra mpiasam-panjakana, mitaky fisondrota-karamana avy amin’ny Minisitera izy ireo, sy famotsoran-keloka tamin’ny saziny ihany koa, ary tsy adinoina ireo solosaina. Etsy andanin’izany, manana ankizy mijanona any an-trano isika, raha tokony ho any an-tsekoly izy ireo, hianatra ny rindrambaiko Microsoft fotsiny, sy ireo ray aman-dreny izay miatrika toe-javatra toy ny nambaran’ireo bilaogera ao San Pedro La Laguna.

Renata Avila [8]