- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Balancing Act ao amin'ny bilaogy Afrikanina

Sokajy: Afrika Mainty, Ghana, Kenyà, Nizeria, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jolay 2005)

Manomboka niresaka bilaogy Afrikanina ny fivoahan'ny Balancing Act [1] – gazety antserasera malaza momba ny fifandraisandavitra Afrikanina – ary mampiseho bilaogera maromaro mandray anjara ato amin'ny Global Voices, anisan'izany i Andy Carvin [2], Kenyan Pundit Ory Okolloh [3] (mirary soa amin'ny fanadinana ho mpisolovava, Ory!), Sokari Ekine [4] sy Ndesanjo Macha [5]. Misaotra an'i Russell Southwood sy ny ekipan'ny Balancing Act manohy manome ity loharanom-baovao mahafinaritra ity ho an'ny rehetra izay manjohy ny fifandraisandavitra Afrikanina.