Panama: Ny Vondron'ny Indizena Kuna Sy Ny Fampiasàna Ny Teknolojia
(Fanamarihana: Lahatsoratra nanglisy nivoaka tamin'ny Desambra 2007)
Tena fotoan-dehibe ny nahafantarako an'i Gilberto Alemancia sy ny fandraisany anjara lalina tao amin'ny indostrian'ny fizahantany Panameana amin'ny maha-mpitaridia miteny fitenim-pirenena maro azy ao amin'ny faritra indizenin'ny ala mando panameàna, ary indrindra amin'ny asany mareva-doko hatrizay tamin'ny fipihana sary ny natiora sy ny olona amin'ny fakàntsary dizitaly.
Mpanolotsaina miasa tena amin'ny fizahantany mikajy ny tontolo iainana i Gilberto Alemancia – mpanolotsaina amin'ireo fandaharanasa isankarazany momba ny fizahantany mikajy ny tontolo iainana ao amin'ny vondrom-piarahamonina indizeny any Amerika Afovoany, Azia ary Panama ihany koa izy. Nanao famelabelaran-kevitra momba ny fizahantany mikajy ny tontolo iainana, ny fiarovana sy ny kolontsaina tany amin'ireo oniversite manerana an'i Amerika Afovoany sy Atsimo, Azia ary Eoropa izy. Noresahany tao amin'ny Gazetiboky Outside sy National Geographic ihany koa ny amin'ireo fihaonambe iraisam-pirenena samihafa momba ny fizahantany mikajy ny tontolo iainana. (avy amin'ny Pilotguides.com).
Iray amin'ireo zavatra nolazainy voalohany fony izahay vao niresaka voalohany tamin'ny imailaka dia ny hoe avy amin'ny vondrom-poko Kuna no niaviany. Avy eo, notohizany ary nolazainy indray tao amin'ny imailaka hafa izany, na dia tsy nanontaniako aza. Gaga aho tamin'izay fotoana izay ary nanontany tena, “… hay, angamba olona niaina ny fanamelohana ny kolontsaina izay manamarika ireo taranaka indizeny ato amin'ny firenenay izy nandritra ny androm-piainany taloha. Na tsy izany, … mety ho tena olona iray mirehareha fotsiny izy.”
Rehefa izay, dia tsapako fa rohy tsy ampy izay efa notadiaviko hatry ny ela no teo anoloako : olona mahalala ireo vondrona indizena maro samihafa ato amin'ny firenenay sy ny fomba fiteniny, miaraka amin'ny fahafahana mizara sy liana hampianatra ny azy. Nanomboka nametra-panontaniana aho, izany no vintako … Ela ny ela!
Melissa De León: Raha amin'ny fomba fijery ara-kolontsaina, ahoana no fahitanao ny fiantraikan'ny teknolojia sy ny aterineto amin'ny foko Kuna ?
Gilberto Alemancia: Mampalahelo ny milaza fa tsy mbola tafiditry teknolojia mihitsy any amin'ireo nosy Kuna Yala amin'izao fotoana izao. Tsy misy aterineto azo ampiasaina any Comarca Kuna Yala, nefa mandady manerana ireo nosy ny tariby mpampita hafatra ambany ranomasina izay manome sehatra ho an'ny fotodrafitrasa goavana mahatonga an'i Panama ho mpifaninana lehibe amin'ny fampiasàna ny fifandraisandavitra amin'ny resaka tolotra lôjistika, tetikasa novokarin'ny Cable & Wireless Panama ary vola novatsian'ny ARCOS (Rafitra Faribolan'ny faritra Karaiba any Amerika ). Tsy vitan'ireo Kuna caciques ( ireo mpitarika) sy ny Kongresy jeneralin'ny Kuna ny nampiditra tao amin'ilay fifanarahana nosoniavina tamin'ny aprily 2001 hoe tokony hamatsy aterineto any amin'ireo nosy Kuna sy ny vahoakany ny Cable and Wireless. Fantatro fa tena ilaina amin'ny fanabeazana ny teknolojia sady afaka manampy antsika hahafantatra ireo zavatra hafa momba ireo kolotsaina sy ireo fomba amam-panaontsika. Ankehitriny, ny Cable and Wireless ihany no mandoa isambolana ny sarany amin'ny fandalovan'ilay tady mpampita hafatra ambany ranomasina ampiasaina any amin'ny tanin'ny Kuna Yala, fa tsy izany ihany. Fantatro fa io Kaompania io (Cable & Wireless) dia miresaka mandrakariva ny momba ny fanohanana ny fanabeazana amin'ny alàlan'ny teknolojia, saingy angamba any an-tanàndehibe, satria tena samihafa tanteraka ny tantara any amin'ireo nosinay.
MD: Inona no nanosika anao hianatra momba ny sary ? taiza ianao no nianatra izany ?
GA: Raha lazaiko anao ny marina, tsy mbola nianatra momba ny fangalàna sary mihitsy aho. Teo amin'ny sahan'ny Fizahantany sy ny Fialàmboly ny asako, fa valo taona lasa izay dia nanomboka nikarakara fitsangatsanganana fipihana sary taty Panama izahay niaraka tamina namana tena tsara iray avy any New York, Rick Sammon, izay manoratra ho an'ny Fikambanan'ny gazety sady mpanoratra boky folo mikasika ny sary dizitaly. Tena nahaliana be ahy ny nahita azy nipika sary ny natiora sy ny olona, dia mba nanomboka nikarakara fitsidihana fipihana sary ivelan'i Panama niaraka tamin'ireo mpaka sary iraisam-pirenena malaza aho. Ary tamin'izany fotoana izany no nianarako ny atrikasany. Fialàm-boly ho ahy izany, saingy ny sasany amin'ireo sary nalaiko ireo dia any amin'ny gazetibokin'i Panama ary manerantany dia navoaka tamin'ny gazety toy ny Iris Time, Outside Magazine, Native Peoples, Island Magazine. Tena zava-dehibe tokoa ny fanoloranay fanomezana isaky ny ezaka fampianarana momba ny sary omana an'ireo olona ao anatin'ny vondron'ny indizeny izay tsidihinay .
Kuna Yala (Kunas), Darien (Embera y Wounaan) ary ny Ngobe Bugles no notsidihanay tamin'ilay fitsangatsanganana pika sary. Tsikaritro fa te-hianatra sy angamba hiasa amin'ity sehatra ity ny tanora , saingy lafo ny fakàntsary dizitaly. Mampianatra an-dry zareo izahay, satria ny ataonay dia solom-pampianarana, ary satria tsara ho azy ireo izany no sady fomba anehoana amin'izao tontolo izao ny momba ny kolontsaina sy ny fomba amam-panaonay. .
Sary nahazoana alàlana : Ny sary rehetra ato amin'ity lahatsoratra ity dia avy amin'i Gilberto Alemancia ary nahazoana alàlana. Tsy azo adika raha tsy nomen'ny mpanoratra alàlana.
Mbola mangetaheta ? … hay, tsy maintsy hitsidika ny Flickr-ny ianao !
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...