- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny tombokavatsa iraisam-pirenena ho an'ny miaramila 2006

Sokajy: Azia Atsinanana, Broney, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Amin'izao fotoana izao (2006), ny ankamaroan'ny olona monina any Brunei dia efa nahita ny Tombokavatsa Iraisam-pirenena ho an'ny Miaramila 2006 [1] na mivantana avy ao amin'ny kianja Sultan Haji Hassanal Bolkiah na tao amin'ny fahitalavitra nasionaly RTB izany. Na izany aza, ho an'ireo izay tsy nahita izany, indro misy fanadihadiana tena mahaliana momba ilay fotoana mahavariana [2], miaraka amin'ny sary, ary nosoratan'i Miss Monkeyfruit [3] , izay vao nivoaka avy tamin'ny hazon'ny ragidro!