- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Toy ny Trano Fijerena Sarimihetsika i Koety

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Koety, Fanabeazana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Mozika, Sarimihetsika, Saripika, Teknolojia, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2007)

Mbola betsaka kokoa ny zavatra miafinanoho izay hitan'ny mason'ireo blaogera Koetiana. Amin'ity herinandro ity, Avy aminà Koetiana iray mpampianatra, mpamokatra sarimihetsika ary mpanakanto iray no henontsika. Jerentsika ihany koa ny fomba nanehoan'ny blaogera iray hevitra rehefa tapaka ny herinaratra tany am-piasana ary ny antony mampijanona amin'ny 23 ora ny toerana natokana ho an'ny mpiampita eo anelanelan'ny sampanana roa amin'ny trano fivarotana iray.

Hazavain’ i MacaholiQ8 ny antony mahafaly [1] azy amin'ny fialàna ao amin'ny sekoly misy azy amin'izao fotoana izao taorian'ny famindrana azy.

Tapitra tamin'ny herinandro ny fianarana ary tsy mila an'i Jeleeb Sheyokh intsony aho hanombohana tsara ny enim-bolana vaovao (mivavaka mafy) noho izany ity no lahatsoratra farany momba ny ”HALAKO I JELEEB SHEYOKH”.

Hasehoko anareo ilay tokontanim-pako (sekoly) ianarako efa ho enim-bolana mahery izay. Mbola andalam-panamboarana foana ilay sekoly nandritra izany fotoana naha-tao ahy izany, izany hoe io no tena tontolo iasàna

Mampifantoka antsika amin'ny tranga [2] iray i EXzombie, ilay fetibe koetiana voalohany, Amature , natokana ho an'ny sarimihetsika fohy, izay ananany sarimihetsika iray asongadina amin'izany.

Ny Sabotsy 30 jona sy ny Alahady voalohan'ny volana jolay izao, manolotra ny Fetibe Koetiana Voalohany Natokana Ho an'ny Sarimihetsika Fohy tsy matianina, ao amin'ny trano fijerena sarimihetsika Sha'ab, ny Kuwait Cinema Club sy ny Kuwait National Cinema Company (Cinescape).

Mampiseho ny asakanto farany nataony izay mifandray amin'ny toepo iainana ankehitriny ao Koety i moodart.

حديث الساعه في الكويت وايضا في منطقة الشرق الاوسط

ny kabary amin'izao ora izao ao Koety ary koa any Afovoany Atsinanana

قمت بتنفيذ هذا العمل يوم امس .. cinema4d + maxwellrender

Vitako omaly ity asa ity tamin'ny fampiasana cinema4d + maxwellrender

عبارة عن جفاف يطال خزان المياه وايضا سطح المنزل وانابيب المياه كذلك !!

Mikasika ny haintany izay namely ny tobin-drano ary koa ny tafon-trano sy ny fantsondrano izany.

Manazava ny zavatra niainany tany am-piasana i Marzouq avy ao amin'ny zdistrict [3] rehefa tapaka ny herinaratra.

Niha-nafàna tsikelikely ny trano, nihazakazaka teo anelanelan'ny tranobe roa aho satria tapaka ny finday. Nanao antso avy tamin'ny findainay izahay. Ireo nanana solosaina taminay ihany no mbola afaka niasa, ary tsy afaka nanao na inona na inona kosa ireo nanana solosaina fanao ambony latabatra.

Resahan'i Maze ao amin'ny maze of thoughts [4] ny mikasika ny fitsidihana ny Virgin Mega Store nataony farany sy ny fahatsapany ny fihenan'ny habeny izany :

Nandalo tao amin'ny VIRGIN aho androany maraina mba haka CD vitsivitsy ary tonga saina fa niha-nihena izany toerana izany. Voasakana rindrina fotsy avokoa ny teo afovoan'ilay trano fivarotana iray manontolo. Tsy haiko hoe inona no mitranga fa mety misy zavatra mampiahiahy…na nampanofa ilay toerana amin'ny trano fisakafoanana iray izy ireo hatramin'ny naha bazary ny VIRGINhahafahan'ny trano fivarotana rehetra mivarotra ny entany. Nanontany ilay moandray vola aho hoe fa misy inona ary toy ny mahazatra, valiny manjavozavo no azoko.

Manoratra mikasika ny olana iray natrehany tany amin'ny iray tamin'ireo toeram-pivarotana eo an-toerana sy ny isan'ireo hafa miatrika izany olana izany koa i Qaiss ao amin'ny Io81 [5].

Iza no mbola tsy tao amin'ny Marine Mall? Toerana iray manamarika ao Koety izay manintona olontsotra sy mponina maro saika ho isanandro mandritra ny herinandro izany (mitabataba be foana na andro inona na andro inona). Toy ny efa fantatry ny rehetra, tranobe roa mifandray amin'ny tetezana natao ho an'ny mpandeha tongotra ny tetikasa Marina Mall. Natao mba handraisana ireo mpanjifa ao amin'ilay toeram-pivarotana mba hanamorana ny fiitaterana eo amin'ilay tranobe fivarotana fototra sy ny Marina Crescent izany, izay mamaritra ireo toeram-pivarotana ahofa ao amin'ilay toeram-pivarotana ary koa ireo mpanjifa eny an-toerana. Ary isaky ny mihidy amin'ny 23 ora ny tranobe fivarotana, mihidy ihany koa ilay tetezana!