Koety: Tsaroana i Shaikh Saad

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jona 2008)

Mbola mitomany ny fahafatesan‘i Shaikh Saad Al Abdulla Al Sabah, ilay mpitondra azy teo aloha foana ireo Koetiana.

Manoratra i Aggz The Aggressor:

Hamely amin'ny totohondry vy isika!”
”Mety ho faty isika, fa hivelona foana i Koety!”

Mbola tsaroako foana ireo teniny nandritra ireny andro nahatsiravina tamin'ny Fibodoan'ny Irakiana ireny, nanome fanantenana antsika izany, nanamafy ny filantsika hitoetra ho tsy azo hozongozonina amin'ny fanantenantsika hiverina ao amin'ny firenentsika.

Mamintina ny alahelony amin'ny tononkalo i Estekana, milaza hoe:

مايو الحزين
في مساء غريب
في عز انشغال ولوية الكويتين
ذاك في ندوة انتخابيه يشتعل حماسا
وتلك في زيارة تنهئ بمولود جديد
وآخرمشدود الأعصاب يتابع المباراة النهائية لكأس الأمير
…وفجأة
ينقطع الارسال
يحدث شئ غريب
نتبادل النظرات بحزن
انتقل إالى رحمة الله الأمير الوالد الشيخ سعد العبدالله الصباح
Volana mampalahelo ny Mey
Indray alina hafahafa izay
Raha mbola somebiseby ireo vahoaka tao Koety
Ny iray tany amin'ny fampielezankevitra amin'ny fifidianana
ary ny iray hafa sahirana nampandro zaza
ary ny fahatelo iray nitaintaina nanaraka ny lalao baolina kitra tany amin'ny lalao famaranana ny Amboaran'ny Amir (mpitondra)
…dia tampotampoka teo
tapaka ny fampitana mivantana
ary nisy zavatra hafahafa nitranga.
Mifampizara fijery feno alahelo izahay
Maty ny Amir sady ray Shaikh Saad Al Abdulla Al Sabah.
يرتجف بنا الحزن
وتختنق في الروح عبرة ألم
رحل والد الجميع
حبيب الشعب
رحل من كان منا وفينا
رحل رجل المواقف
رحل أبو الجميع..
تبكيك الكويت كلها
ببحرها وجوها
تسئل عنك ابراجنا
وتشتكي فقدانك قلوبنا
رحلت في عز حاجتنا اليك
في عز حاجتنا لأمان وجودك وحسك بيننا
كنت مريض..كنا نعلم
كنت تتعب..وكنا نألم
كنت تغيب…وكنا نسئل
وجودك بيننا كان بركة للكويت كلها
!!
لن ننسى حبك لشعبك
ولن ننسى يدك التي تلوح لنا بالفرح
كيف ننسى رجل التحرير
كيف ننسى من كان لجابر سند؟
Mangoviitry ny alahelo izahay
Kendan'ny ranomaso
Lasa ilay rain'ny rehetra
Ilay olontian'ny vahoaka
Lasa ny iray tamintsika
Lasa ilay lehilahy niatrika ireo fotoan-tsarotra
Lasa ilay rain'ny rehetra …
Mitomany anao avokoa i Koety iray manontolo
Ny ranomasiny sy rivotra ao aminy
Manontany mikasika anao ny tilikambontsika
Mitaraina noho ny alahelo anao ny fonay
Lasa tao anatin'ny fotoana nilànay anao ianao
Narary ianao … efa fantatray izany
Reraka ianao … narary ho anao izahay
Tsy ho hita intsony ianao.. fa mbola hanontany mikasika anao foana izahay.
Fahasoavana lehibe ho an'i Koety iray manontolo ny fisianao teo anivonay!! Tsy ho adinonay ny fitiavanao ny vahoakanao
Ary tsy ho adinonay ny tànanao nikopakopaka tam-pifaliana taminay
Ahoana no hahafahanay manadino ilay Lehilahy nanafaka anay
Ahoana no hahafahanay manadino ny fanohanan'i Jaber?

Manoratra i Shagran:

حينما ينظر الانسان الى تاريخ الكويت المعاصر ويبحث عن بدايات ركائز الدولة الحديثة سيتراءى له بين ثناياها وفي زوايا عديدة صورة سمو الأمير الراحل الشيخ سعد العبدالله وخاصة حينما تبحث في نشأة وزارة الداخلية والدفاع
فلقد كان الأمير الراحل ذو نظرة ثاقبة وعمل بجهد فأسس أجهزة على كفاءة عالية تحمي الدولة داخليا وتضبط حدودها خارجيا..وهو عمل لايستطيعه أي رجل مسك دفة المسؤوليةولقد توالت للأمير الراحل الكثير من الأعمال في بناء الدولة الحديثةولكن من وجهة نظري البسيطة فإن أهم عمل قام به الأمير الراحل بعد بطولات التحرير هو اعـــــــــادة بــــنـــــاء الــــدولـــــــة
Rehefa nanadihady ny tantaran'i Koety amin'izao fotoana izao ary mikaroka momba ny niandohan'ilay fanjakana maoderina, hahita ireo sary isan-karazany an'ny mpitondra Amir Shaikh Saad Al Abdulla isika, indrindra rehefa mangady lalina momba ny fametrahana ny minisiteran'ny Atitany sy Fiarovana. Nahay nitsinjo ary niasa mafy mba hametrahana ireo andrim-panjakana mahavita miaro ny firenena anatiny na ivelany ilay Amir taloha, izay tsy vitan'iza na iza natao, afa-tsy ireo afaka miantsoroka izany andraikitra izany irery izany. Nahavita zavatra maro tao amin'ny fanamboarana ny fanjakana maoderina ilay Amir taloha, fa amin'ny hevitro manokana, ny zavatra nataony tena mendri-piderana be indrindra taorian'ireo hetsika mahery fo vitany nandritra ny fanafahana, dia ny fanorenana indray fanjakana iray maoderina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.