- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanehoankevitra Tao Koety Manoloana Ny Fahafatesan'i MJ

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Koety, Hehy, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Mozika, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jona 2009)

Nisy fifangaroana fanehoan-kevitra tao amin'ny tontolon'ny blaogy Koetiana taorian'ny nahalasan'i Michael Jackson.

Mahatsiaro ny fahazazàny, manoratra i ReadmyBlog [1] mikasika ny fotoana nandrenesany voalohany indrindra fa maty i MJ:

Nifoha aho tamin'ny maraina ary niresaka mikasika ny fahafatesan'i Michael Jackson ny tontolon'ny blaogy. Ny fahatsiarovako voalohany indrindra dia ny nahita ny havako niezaka nanao ny ‘famindra eny amin'ny volana’

Manontany tena manoloana ny fanehoankevitr'ireo olona manodidina azy i TheJacob [2]:

انا مو حزين عليه ولا ضايق خلقي ولا بنتحر
طول عمري احب الفن لكن ما اهتم حق الفنانين نفسهم،، اهتم حق انتاجهم
بس في ناس استغربت منها
الي يقول ويع
والي يقول بجهنم انشالله
والي يقول جلب ومات
والي يقول احسن
والي يقول… والي يقول
بعرف شنو سبب الكراهيه او الحقد هذا؟
غريب امر هالناس تكره الشخص بدون سبب
واذا انا فاهم الموضوع غلط او هو مسوي لكم شي علموني عشان افهم
Tsy malahelo aho na hamono tena noho izany
tia ny kanto aho mandritra ny androm-piainako fa tsy misy iraharahiako ny mpanakanto, ny zavatra vokariny no jereko
fa misy olona tena mahagaga ahy ny sasany miteny andray
ny sasany maniry ny handehanany any amin'ny helo
ny sasany milaza fa maty ny alika
fa inona daholo àry izany fankahalana rehetra izany e?
Tsy azoko ny antony hankahalan'ny olona sasany azy
Raha toa ka tsy azoko izany na misy antony dia mba lazao ahy azafady

Maneho ny fihetsehampony i 7anna7inno [3]:

شخصيا..ما أدري ليش..بس ضاق خلقي
.
مايكل جاكسون..كان لي ذكريات وايد مع أغانيه
.
بيلي جين..ثريلر..و جاكيته الأحمر الجلد
.
طيرة بوهتنا فيه و برقصه
.
كل هذا…خلاص
.
و أهم حيثيّه
.
جيلي بدا يتحتحت
Raha izaho manokana aloha, dia tsy haiko fa mahatsiaro ho malahelo aho
Nanana fahatsiarovana maro tamin'ny hiran'i Michael Jackson aho
Billie Jean , Thriller sy ilay palitaony mena
vita daholo izany rehetra izany
ary ny tena loza?
manomboka miha lasa ny Andian-taranaka misy ahy

I Shurouq ao amin'ny Jabriya Za7ma [4]:

في أيام عبد الحليم الأخيرة طالته اتهامات بادعاء المرض لكسب تعاطف الجمهور ومزيد من الشعبية إلى أن قضى عليه المرض في لندن. القصة تكررت مع مايكل جاكسون الذي اتهمه البعض بالتمارض للتملص من التزامات فنية أعلن أنها فُرضت عليه، ويبدو أنه رحل عن عالمنا اليوم رحيلا مفاجئا ومحزنا يثبت مرضه، ويثبت أن أولوياتي في الحزن والتعاطف الإنساني ناقصة
.
.
أعتذر عن عدم التفاعل مع انتخابات إيران وتداعياتها ولا مستوطنات نتنياهو ولا استجواب وزير الداخلية ولا الجنسية لأبناء اللبنانية كما يجب.. وحده مايكل جاكسون استطاع أن يحرك مياه المدونة الراكدة.. شويّة

Nandritra ireo Andro Farany niainan'i AbdullHaleem, nampangaina ho mody narary izy mba hahazoana ny fangorahana sy halemy eo imason'ny vahoaka mandra-pahafatiny tao Londra noho ny aretina , mitovy amin'izany ny tantara nitranga tamin'i Michael Jackson izay nampangain'ny olona ho mody narary mba hialàna amin'ny raharaha maha mpanakanto, ary toa namela teny izy ankehitriny, izay manamarina fa tena narary izy ary manamarina fa tsy nataoko laharampahamehana ny fangorahana sy fihetsehampo. Ialàko tsiny ny tsy niresahako mikasika ny fifidianana ao Iran sy ireo fiantraikan'ny krizy, na ny tanànakely ao Netanyahu, na ny fanotofana fanontniana ny minisitry ny Atitany na ny zom-pirenen'ireo zanaka Libaney araka ny tokony ho izy, fa tena hoe nampikisaka ireo rano mihandron'ny blaogy i Michael Jackson.

Talanjona sy gaga i sou [5]  amin'ny habetsahan'ireo miraharaha:

Azoko antoka ankehitriny fa ho atonon'ireo mpankafy an'i Michael Jackson aho fa tsy raharahako. Aza milaza amiko fa nanome aingam-panahy ireo mpanankanto maro henoiko i Michael; raha tsy teny izy, tsy ho teny ihany koa ireo mpanakanto tianao indrindra.” Ireny no mpanakanto tiako indrindra, ary tsy misy mitovy amin'i Michael Jackson na ny iray amin'izy ireo aza: