Koety: Very Eo Anelanelan'ny Trano Fijerena Sarimihetsika sy ny Trano Fisakafoanana

The Kingdom poster(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2007)
Vita Eid izao ao Koety, noho izany, inona no mba ho ataon'ny ankamaroan'ny olona any? Manana safidy roa avokoa ny ankamaroany – na mandeha mijery sarimihetsika na misakafo any amin'ny trano fisakafoanana tsara.

Mampalahelo, nosakanana tao Koety ilay The Kingdom vaovao manana ny maha-izy azy, noho izany inona no ho ataon'ireo Koetiana maniry ny hijery izany?

Milaza amintsika ny zavatra andrasan'ny rehetra hitranga i Amir ao amin'ny Hilaliya.

Efa niteny taminareo izahay…nandrakotra ny tsena maizina Koetiana ny hosoka  an'arivony maro tamin'ilay sarimihetsika KINGDOM. Azoko antoka fa faly be izao ny ministeran'ny Fampahalalam-baovao ankehitriny satria tsy mampidi-bola ireo  Mpitrandraka ny Efitra Famokarana sy fandefasana Sarimihetsika, fa mankany amin'ireo mpanao hosoka avokoa ny tombony rehetra.

Miresaka mikasika ny zavatra niainany tamin'ny fijerena sarimihetsika tao Koety ihany koa i Marzouq avy amin'ny zdistrict .

Tena manomboka mahasosotra mihitsy ity zavatra ity, na dia te-hijery sarimihetsika any Koety aza ianao, somary sarotsarotra izany. Tsy nandeha tsara ny Kiosk tao amin'ny Cinescape ary nahatsapa toy ny lasa adaladala sy niezaka hanipitsipy ilay fatina karatra namidiny izahay. Tsy azoko mihitsy hoe fa maninona no tsy nohatsarain-dry zareo ny kalitaon'ny pop-corn amidiny ao anatin'ilay Trano Fijerena Sarimihetsika, mbola matsiro noho ny an-dry zareo ny vidianao ao amin'ny Co-op na any amin'ny Sultan Center.

Maneho hevitra momba ny trano fijerena sarimihetsika misaraka, ankizy tsy voaanatra tsara ary fanasivanana sarimihetsika ihany koa i Marzouq.

Nandritra izany fotoana izany, nankany amin'ny trano fisakafoanana iray i Qias ao amin'ny io81 ary taorian'ny nanandramany izany, niova hevitra momba ny tsy hiverenany ao intsony.

Nandritra ny fialantsasatry ny Eid, nitsidika ny Villa Fayrouz niaraka tamin'ny namako roa hafa aho. Tena tsy tiako mihitsy ny tolotra ho an'ny mpanjifa ao amin'ny Villa Fayrouz saingy tena matsiro tsara be ny sakafony

Ankoatra ny zavatra atao mandritra ny Eid, nisy zavatra roa nahaliana tao amin'ny tontolon'ny blaogy Koetiana.

Mitatitra mikasika ny resaka momba ny tolokevitra vaovao hiantsoana ny ‘mponina’ ho ‘mpitsidika’ i intlxpatr .

Hevitra adala be fotsiny ny hiantso anay mpiasa vahiny rehetra ho toy ny ”mpitsidika”. Antsoy hoe mpiasa vahiny, antsoy hoe mpiasa izahay, fa hahita angano ianareo amin'ireo olona tonga hanao FITSIDIHANA fotsiny ihany, izany hoe mpitsidika ianareo, raha miantso anay hoe ”mpitsidika”.

Manohy ny fitadiavany boaty fasiana taratasy fahiny izay tsy ampiasain'ny manampahefana  intsony i esetch avy ao amin'ny blaogy Dreams are made of these .

أمام هذا الصندوق وقفت مستغرباً
أيش إللي حصل له؟ وأسباب التعدي عليه
ما عندي كلام أكثر
Gaga aho manoloana ity boaty ity.
Inona no nanjo azy? Ary nahoana no notafihana izy?
Tsy manana teny fanampiny aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.