- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Oscar Niemeyer: 100 taona nanaovana haimaritrano sahisahy

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Hevitra, Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: Lahatsoratra nanglisy nivoaka tamin'ny Desambra 2007)

100 taona androany i Oscar Niemeyer [1], ilay mpahay maritrano malaza indrindra ao Brezila – mbola velona foana, mahira-tsaina, miasa ary mirotsaka anaty tetikasa maro foana izy (2007) . Izy no lehilahy nanamboatra ny endriky ny renivohitry ny firenena, Brazilià [2], izay heverina toy ny asany lavorary indrindra. Nanome vatosoa maromaro ho an'izao tontolo izao ihany koa izy, toy ny Foiben'ny Firenena Mikambana [3]ao New York, ny Tranombakoky ny Kanto Maorderina ao Caracas ary ny foiben'ny Antoko Kaominista Frantsay.

Mbola manana hevitra fanamboarana maro izay lasa hevitra sahisahy kokoa foana ilay mpamorona farany ny hetsika maodernistan'ny haimaritrano. Misy tranobe ara-kanto [4] ho an'ilay tanàna espaniola ao Aviles eo anivon'ireo tetikasany ho avy. Nambarainy nandritra ireo tafatafa an-gazety fa, na dia tsy ho vonona raha tsy amin'ny 2010 aza ity tetikasa ity, efa ao anatin'ny tefibika tiany indrindra sahady izany.

Tranombakok'i Oscar Niemeyer, Curitiba, Brezila. Sary avy amin'i acewill [5], nampiasàna lisansa Creative Commons

Niarahaba azy tamin'ny fitsingerenan'ny taona nahaterahany ireo Breziliana sy blaogera iraisam-pirenena maro, nizara sarin'ny asany ary maneho hevitra momba ny heriny, ny heviny, ary ny tetikasany. Atomboka amin'i Fernando Assad [6] [pt] izay manazava ny antony maha-manantalenta sy lalin-tsaina ilay Breziliana:

As obras de Niemeyer são formadas por traços limpos e dinâmicos, e por isso evocam a modernidade. O dinamismo, a simplicidade e a clareza das obras valorizam o Ser Humano, pois são indicativos, porque o Humano só consegue o sucesso em seu labor quando se compromete com o dinamismo, a simplicidade para a otimização e a clareza de seus atos. Sem contar a beleza das obras, ricas em curvaturas insinuantes. (Que os engenheiros continuem quebrando suas cabeças para colocarem as obras de Niemeyer de pé).

Fifangaroana tsipika madio sy mihetsiketsika ny sanganasan'i Niemeyer, ary, amin'ny maha toy izany azy ireo, maneho ny tontolo maoderina izy ireo. Manamafy ny Olombelona ny fihetsiketsehana, ny fahatsorana ary ny fahazavan'ny sanganasany satria ambaran'ny zava-misy fa tsy mahomby amin'ny asany ny olombelona raha toa ka tsy misy ny fihetsiketsehana sy ny fahatsorana amin'ny fanatsarana sy ny fanazavana ny fihetsiny. Tsy mila miresaka ny hatsaran-tarehin'ny asany akory, izay manan-karena bilobiloka mahafinaritra. (Manantena aho fa hanontany ny tenany foana ireo injeniera amin'ny fahazoana antoka hoe ho afaka tahirizina ireo asan'i Niemeyer ireo).

Foiben'ny Antoko Kaominista, Parisy, Frantsa. Sary avy amin'ny fromform [7], nampiasòna ny lisansa Creative Commons

Manampy i Valéria Borborema [8] [pt] fa ilay fahazavana nomeny ny vatosokay tamin'ny alalan'ireo bilobiloka sahisahiny ireo dia mety ho:

Uma tentativa de brincar com a sisudez tão presente na arquitetura, que passou a gozar de uma plasticidade impensável até Niemeyer.

andrana iray hilalaovana miaraka amin'ny fahamatorana hita betsaka ao anatin'ny haimaritrano, izay ankehitriny mahazo fetezan-kovolavolaina tsy afaka noeritreretina talohan'i Niemeyer.

Nandritra ny jadona miaramila, natao sesitany tany Parisy i Niemeyer taorian'ny namotehana ny biraony sy ny foibena gazetiboky notantaniny. Raha ny fijery ara-politika no resahina, marihan'i Pedro Nelito [9] [pt] fa tsy dia niova loatra hatramin'ny fahatanorany ilay mpahay maritrano:

Oscar Niemeyer, foi amigo de Luiz Carlos Prestes(Cavaleiro da Esperança) político e militante do PCB, perseguido por todas as ditaduras que se estabeleceram em nosso país. Oscar é o que nós chamamos de “Velho Comunista”, mesmo sendo festejado pela Rede Globo, não abre mão de suas convicções políticas e é muito respeitado pela sua história de vida.

Nenjehin'ireo mpanao didy jadona rehetra izay nitoby tato amin'ny firenenay i Oscar Niemeyer izay naman'i Luiz Carlos Prestes [10] (Miaramilan'ny Fanantenana), mpanao politika ary mpanohana ny PCB [Antoko Kaominista Breziliana [11]]. I Niemeyer no antsoinay hoe ”Kaominista Tranainy”, na dia efa ankalazain'ny tambajotra Globo [12] aza izy ankehitriny, tsy mbola namela ny heviny ara-politika ary tena hajaina noho ny zava-niainany tany aloha.

Tranombakoky ny Kanto Ankehitriny, Niterói, Brezila. Sary avy amin'i Hendo101 [13], ampiasàna ny lisansa Creative Commons

Mitanisa ireo hevitr'i Niemeyer manoloana ny sosialisma i calamity jane [14] [pt] – feno 100 taona izy izao, mbola mino foana ny rariny ara-tsosialy sy ny revolisiona – ary maka aingam-panahy avy amin'izy ireny:

O mesmo senhor diz também que a vida é um sopro. E eu, que acredito que temos uma missão na vida, caso contrário não sei bem o que estaríamos aqui a fazer, digo-vos, inúmeros e incontáveis: se há quem chegue aos 100 anos a acreditar na revolução, no amor e na felicidade, então temos de acordar rapidamente para fazer a nossa parte. (…) É possível mudar o mundo porque eu quero.

Milaza ihany koa ity rangahy ity fa dona mafy ny fiainana. Ary izaho, izay mino fa samy manana ny iraka efaintsika avy isika eo amin'ny fiainana ary izay, raha tsy izany, tsy hahafantatra ny antom-pisiantsika eto, dia milaza aminareo rehetra: raha toa ka mahatratra ny faha-100 taona ny olona iray ary mbola mino ny revolisiona, fitiavana ary ny fahasambarana, dia izao izany, mila mifoha haingana ary manao ny anjarantsika isika. (…) Afaka ovaina izao tontolo izao satria izay no tiako.

Maro hafa kosa no nampiditra ny tapa-tsarimihetsika dokambarotra avy aminà horonantsary fanadihadian'i Fabiano Maciel notanisaina tetsy ambony, A vida é um sopro [15] (Dona Mafy ny fiainana) izay ilazan'i Eduardo Galeano, mpanoratra ny The Open Veins of Latin America (Ireo Lalandrà Tataka Ao Amerika Latina) hoe:

“É sabido que Oscar Niemeyer odeia o capitalismo e odeia o ângulo reto. Contra o ângulo reto, que ofende o espaço, ele tem feito uma arquitetura leve como as nuvens, livre, sensual, que é muito parecida com a paisagem das montanhas do Rio de Janeiro. São montanhas que parecem corpos de mulheres deitadas, desenhadas por Deus no dia em que Deus achou que era Niemeyer”.

”Mahafantatra avokoa ny rehetra fa sady tsy tia ny kapitalisma no tsy tia ny zoro mahitsy i Oscar Niemeyer. Mba hanoherana ny zoro mahitsy, izay manimba ny habaka, namorona haimaritrano maivana toy ny rahona izy, malalaka, manaitaitra, izay tena mitovy amin'ny endritany be tendrombohitra ao Rio de Janeiro. Tendrombohitra mitovy amin'ny vehivavy matory ireny, ary namboarin'Andriamanitra tamin'ny andro niheveriny ny tenany ho Niemeyer”.

Tranoben'i Copan, ão Paulo, Brezila. Sary avy amin'i ojjo [16], nampiasàna ny lisansa Creative Commons

Na ireo tsy miombon-kevitra manokana amin'ny heviny tafahoatra laotra aza, dia mila miondrika manoloana ity olo-malaza ity, toa an'i Vera Fróes [17][pt]:

Independente de concordar ou não com suas idéias, admiro a figura do arquiteto que sempre se mostrou firme em seus ideais sejam eles ideologicos(comunismo), religiosos(ateu) ou arquitetônicos(concreto armado). Além disso chegar nessa idade lúcido e desenvolvendo vários projetos, não é para qualquer um, tem que ser iluminado.

Na miombon-kevitra na tsia amin'ny heviny, tena deraiko ilay mpahay maritrano izay nijoro tamin'ny heviny foana, na tamin'ny haifitsipi-pitondrantena izany (kaominisma), na ny finoana (tsy finoana an'Andriamanitra) na ny haimaritrano (vatosokay sesehana vy). Tsy ny rehetra marina no tonga amin'izany taona izany ka mbola mahira-tsaina tsara ary mampandroso tetikasa maro, tena mety nomena azy marina ny fahalalàna.

Ary mitohy ireo fankalazana. Mamoaka sary ampolony mahery  i Pelo Mar Aberto [18] [pt], mitondra sary ravaka sy kisarisary maro mampihomehy i Varal de Idéias [19] [pt], ary manome rohy mankany amin'ny lahatsary Youtube ho fanomezam-boninahitra i Esthefani Magalhães [20] [pt]. Miresaka mikasika ireo fampirantiana maro [21][pt] ao Brezila, Portiogaly sy firenena hafa maro mba hanamarihana ity taonjato ity ireo hafa sasany. Misy efitrano fampisehoana sary ihany koa eto [22] sy eto [23].  Miteraka lahatsoratra [24] sy tatitra [25]amin'ny teny maro samihafa ny fikarohana ao amin'ny tontolon'ny blaogy. Anivon'izy ireny, mamarana amin'ny fitanisana an'i Niemeyer tenany isika, izay nohadihadiana tsy ela akory tao amin'ny The Times [26] mikasika ny datin'ny andro androany:

 ”Tsy zava-dehibe ny daty. Tsy zava-dehibe ny taona. Tsy zava-dehibe ny fotoana. Haingana be ny fiainana. Zava-dehibe ny tsara fanahy sy ny mihevitra ny zava-drehetra ho tsara. Mijery ny taloha isika ary mihevitra fa tsara avokoa ny zavatra rehetra nataontsika tamin'ity fiainana ity. Tsotra  izany; fohy sy maotina izany. Mamorona ny tantarany avokoa ny rehetra ary miroso hatrany. Izay fotsiny. Tsy dia mahatsapa tena ho lehibe aho. Tsy zava-dehibe ny zavatra vokarintsika. Tena tsy misy dikany isika.”

Katedraly Nasionalin'i Brazilià, Brezila. Sary avy amin'i guilhermekardel [27], nampiasàna ny lisansa Creative Commons