- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Holandy: Ao amin'ny Twitter i Sven Kramer, nahazo medaily volamena

Sokajy: Holandy, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka

svenkramer(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2010)

Ho an'ny Holandey, nanomboka tamin'ny fifaninanana tena lehibe ny Lalao Olaimpika Ririnina 2010 tany Vancouver: fikorisana an-dranomandry 5000 metatra haingam-pandeha. Nanantena ny firenena iray manontolo (sy ny hafa eo amin'ny tontolon'ny fikorisana andranomandry haingam-pandeha) fa ilay Holandey Sven Kramer [1] no hahazo ny volamena, saingy ny fanontaniana dia hoe: mety ho afaka hiatrika io tsindry goavana io ve i Kramer?

Nisioka taloha, nandritra sy taorian'ny fifaninanana ireo olo-malaza Holandey sy ny namana mpikorisa an-dranomandry (Olaimpika).

Natoky tena [2] ilay mpikorisa Holandey Erben Wennemars [3], naman'i Sven sady namana ao amin'ny ekipa:

Vandaag wordt het GOUD!!

Hahazo VOLAMENA isika androany!!

Ary nanome toky ny tsirairay izy fa vonona i Sven [4]:

met sven ontbeten. hij is er helemaal klaar voor.

misakafo maraina fotsiny miaraka amin'i Sven, efa vonona izy.

Na ilay mpikorisa Amerikana Shani Davis [5], mpifanandrina amin'i Kramer amin'ity fifaninanana ity aza nanam-potoana nandefasana sioka [6]:

Just finished pre-race warmup. I feel really good…crowd is totally energized…this is going to be some FUN (even if Sven kicks my butt).

Vao avy nahavita fanazaran-tena alohan'ny fifaninanana. Mahatsiaro faly aho … mientanentana tanteraka ny vahoaka … ho MAHAFINARITRA ity (na dia mandaka ahy aza i Sven).

Mpilalao sarimihetsika Holandey Antonie Kamerling [7] nizara ny fientanentanany momba ny fifaninanana, manome vaovao farany ho an'ny vahoaka. Alohan'ny fifaninanana, nisioka izy hoe [8]:

wat een druk voor Kramer. favoriet en als 1e rijden van de favorieten. word toch een beetje zenuwachtig. gelukkig vallen bijna nooit bij 5 k

henjana ny tsindry mahazo an'i Kramer, izy no heverina fa mahomby indrindra “favori” sy voalohany hifaninanana amin'ireo “favori” rehetra. Somary mitebiteby kely aho saingy soa ihany, fa tsy nisy nianjera nandritra ny 5k.

Nanontany izay tao an-tsain'i Sven  [9]izy:

kon je nu maar in de hoofden kijken van Kramer, Fabris en de Jong. over een paar jaar kan dat gewoon

Tiako hahita ny ao an-tsain'i Kramer, Fabris sy De Jong ianao. Ho tanteraka izany afaka taona vitsy.

Taorian'ny hazakazak'i Sven, nanoratra izy hoe [10]:

djeezus wat spannend…. hij ging echt wel kapot leek het.

Jesoa, tena nampientanentana izany,….toa nanao izay vitany izy.

Nanomboka avy eo ny fiandrasana. Voalohany, nifaninana tamin'ilay mpikorisa Holandey De Jong ilay mpikorisa Koreana, Lee [11]:

shit dacht nog heel even dat die Koreaan eroverheen sprintte. eikel. dat kunnen we niet hebben

Lelike, nihevitra aho fa handresy azy ity Koreana ity, adala, tsy azo izany.

Mety afaka handresy azy ve ilay Italiana Fabris [12]:

shit ik word gek, die Fabris zal toch niet…????

Lelike, ho lasa adala aho, tsy…. ity Fabris ity no…???

Ary farany, sento [13]:

ja hoor het is gelukt!!!!!!!!!

eny, vitany izany!!!!!!!

Mpilalao sarimihetsika Holandey Halina Reijn [14] tsy maintsy nilalao tantara an-tsehatra nandritra ny hariva ary nifanerasera avy eo mba hiezaka hamantatra izay zava-niseho [15]:

Wie heeft er gewonnen met schaatsen?

Iza no nandresy tamin'ny fikorisana an-dranomandry haingam-pandeha?

Ary nandefa fahitalavitra haingana [16] rehefa nahita fa mbola tsy tapitra ny fifaninanana:

Ok sorry voor mijn domme vraag…zit voor de tv nu! Sven…

Eny, miala tsiny noho ny fanontaniako adaladala……mijery fahitalavitra aho izao! Sven….

Vao avy tonga tao amin'ny seranam-piaramanidina ao New York ilay mpanao gazety ara-panatanjahantena Holandey Wilfried de Jong [17] ary tsy maintsy niditra aterineto [18]:

hier in aankomsthal luisteren naar radio 1. Nederlanders met oren bij mijn laptop.

ato amin'ny efitrano fahatongavana, mihaino radio 1. Mihaino fatratra ny solosaiko ilay Holandey hafa.

Raha nahazo volamena ihany i Sven Kramer, marobe ireo fiderana. Erben Wennemars nanoratra hoe [19]:

ben intens blij voor Sven Kramer… gefeliciteerd!

ety ambonin'ny volana aho noho i Sven Kramer…..arahabaina!

Ny mpifanandrina taminy, Shani Davis, nanoratra hoe [20]:

I'm really happy for Sven. That crowd, it's still going thru me…very exciting feeling. Time to switch gears, get ready for the sprint.

Tena faly noho i Sven aho. Mbola ato anatiko ireo vahoaka … fahatsapana mientanentana tanteraka. Fotoana hanovana hafainganam-pandeha, vonona amin'ny hazakazaka haingana.

Mpikorisa Amerikana Chad Hedrick [21], izay tsy nahomby niaro ny voninahiny Olaimpika tamin'ny 5k tamin'ny fifaninanana farany, nanoratra hoe [22]:

Congrats to Sven today- great race! You are very deserving!

Arahabaina i Sven- fifaninanana mahafinaritra! Tena mendrika ianao!

Mpikorisa Holandey sy ny ekipa namany Mark Tuitert [23], izay handray anjara amin'ny 1000 et 1500 metatra lehilahy, nanoratra hoe [24]:

Repect voor Sven, hij flikt het en dat is absoluut niet altijd vanzelfsprekend!

Manaja an'i Sven, vitany izany ary zavatra tsy azonao heverina fa efa lasanao mialoha izany.

Ekipa namana Ronald Mulder [25] [nl], izay handray anjara amin'ny 500 metatra lehilahy nanoratra hoe [26]:

Supermooie 5km gezien! Sven met 16miljoen NL'ers op zijn rug de dikverdiende gouden plak! Respect

Nijery ny fifaninanana lehibe 5k! Nahazo ny volamenany mendrika azy niaraka tamin'ireo vahoaka Holandey 16 tapitrisa manohana azy i Sven! Manaja.

Ekipa namana Annette Gerritsen [27] [nl], izay handray anjara amin'ny 500, 1000 sy 1500 metatra vehivavy nanoratra hoe [28]:

Wat een prachtige 1e dag. Wat onzettend knap van Sven.

Andro voalohany mahafinaritra. Zava-bita tsy mampino nataon'i Sven.

Mpanazatra Holandey Ingrid Paul [29] [nl] izay mpanazatra ny ekipa mpikorisa Kanadiana ankehitriny, nanipika [30] fa tena tsy mampino ny zava-bitan'i Sven:

Ik zei net verdiende winnaar,maar dit is meer dan verdiend,de superfavoriet en super hard geknokt en gereden,niets laten liggen! Super Sven!

Vao avy nilaza aho hoe mendrika handresy izy, saingy mihoatra noho ny fahamendrehana, ilay favori lehibe ary nanao ady mahafinaritra sy fifaninanana mahafinaritra izy, nanao izay vitany izy! Sven Lehibe.

Mpikorisa Norveziana Øystein Grødum [31] nahafantatra ireo Holandey niarahaba an'i Sven [32] ary naneho ny fahadisoam-panantenany tamin'ny namana mpiray tanindrazana Håvard Bøkko laharana faha-4:

felicitaties SVEN…. GOUD.. sorry with 4th for @havardbokko [33]

Arahabaina i SVEN….. VOLAMENA…..miala tsiny tamin'ny laharana faha-4  @havardbokko [33]

Mbola tsy hita tao amin'ny Twitter i Sven Kramer. Tsara kokoa izy raha mifantoka amin'ny fikorisana haingam-pandeha, satria mbola manam-bintana hahazo medaily vitsivitsy.

Sary sy hajiatsary nalaina tao amin'ny tranonkalan'i Sven Kramer [34]