19 Oktobra 2018

Tantara tamin'ny 19 Oktobra 2018

Honduras: Lasa filoha ihany i Porfirio Lobo taorian'ny fifidianana nampiady hevitra

Ny fifidianana dia efa nampiady hevitra satria fanohanana ankolaka ny fanesorana ny filoha teo aloha Manuel Zelaya tamin'ny volana Jona taorian'ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila. Tamin'izany fotoana izany, nandimby toerana an'i Zelaya i Roberto Micheletti, izay filohan'ny Kongresy Nasionaly, ary nandimby ny toerany mandra-pahatonga ny fifidianana tamin'ny volana Novambra 2009.

19 Oktobra 2018

Holandy: Nisioka ny fihaonambe momba an'i Afghanistan ny minisitra Alemà

Nandritra ny fihaonambe Afghanistan vao haingana tany La Haye, afaka namaky ireo vaovao farany sy valinteny mivantana tamin'ireo fanontaniana momba ny fihaonambe tao amin'ny Twitter ireo Holandey mpanara-baovao. Nalefan'i Maxime Verhagen, minisitry ny raharaham-bahiny Holandey, izay nampiantrano ny fihaonambe ny vaovao farany. Mpisera Twitter mavitrika Atoa Verhagen.

19 Oktobra 2018