- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ghana: Nahitana tolo-kevitra mahaliana ny fanitsiana ny lalàmpanorenana

Sokajy: Afrika Mainty, Ghana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2010)

Tamin'ny taona 2008, nandritra ny fifidianana filoham-pirenena, nampanantena ny Ghaneana ireo kandidà fa handinika ny lalampanorenan'ny firenena. Ny fikasan'ireo mpifaninana hampiditra ny Ghaneana ao anatin'ny dingana fandinihana no nahatonga ity fampanantenana ity ho manintona kokoa  – anisan'izany ny filoha John Atta Mills [1]. Toa nanatanteraka ity fampanantenana ity ny filoha, ary feno adihevitra mahaliana ankehitriny ireo tolo-kevitra vaovao.

Ao amin'ny lahatsoratra navoakan'ny Ghana Pundit [2] mitondra ny lohateny hoe, “Aza manitatra ny Fe-potoam-piasan'ny filoha” [3] nanamarika ny profesora Kofi Quashigah, sojabe ao amin'ny Oniversite Ghana hoe:

A two four year system is long enough to afford a determined individual as president to impact on the democratic institutions. A two five year period will be the beginning of creation of tin gods. It is the strengthening of the institutions of governance that should engage our attention so that the individual does not become the dominant feature…the four year period appears just sufficient so as to avoid the individual staying on too long and becoming complacent.

Lava loatra ny rafitra efa-taona indroa raha hanomezana olona iray voafidy ho filoha, noho ny fiantraikany amin'ireo andrim-panjakana demokratika. Ny fe-potoana dimy taona indroa kosa no fanombohana amin'ny famoronana andriamanitra. Izany no fanamafisana ny rafitra fitantanana izay tokony hisarika ny saintsika mba tsy hahatonga ny olona ho lasa singa manjakazaka … toa ampy ny fe-potoana efa-taona mba hisorohana ny olona tsy hijanona ela loatra ary ho lasa tsy milefitra.

Ity fanehoan-kevitra ity dia valin'ny iray tamin'ireo tolo-kevitra fanovana lalàm-panorenana isan-karazany izay dinihan'ny komity misahana ny fandinihana ny Lalàm-panorenan'i Ghana: manitatra ny fe-potoam-piasan'ny filoha efa-taona ankehitriny ho dimy taona.

Quashigah manampy hoe:

The status quo should be maintained to avoid creating an aura of indispensability around individuals who become President.

Tokony hotazonina ny toe-javatra tsy miova mba hisorohana ny maha-tsy maintsy ilaina ny olona izay lasa filoha.

Ary ahoana no ataon'ny Filoha Atta Mills amin'ny fampanantenany hampiditra ny vahoaka amin'ny fizotran'ny fanavaozana? Noraisin'ny Ghaneana ve io hevitra io?

Ghana Pundit nitatitra tamin'ny lahatsoratra 11 Febroary  [4]hoe:

A legal practitioner has suggested that the review of the constitution should ensure that power resides in the hands of the people through well-structured local institutions and organs and a perfected district assembly system.

Nisy mpahay lalàna nanoro hevitra fa ny fanitsiana ny lalàm-panorenana dia tokony hiantoka fa mitoetra eo am-pela-tanan'ny vahoaka amin'ny alalan'ny andrim-panjakana sy rafitra tsara petraka ao an-toerana ary rafitra antenimieran'ny distrika ny fahefana .

Nana Addo-Aikens, vadintany, manohy hoe:

The constitutional amendments, which Ghana needs today, should therefore not be the surface-scratching or cosmetic or window-dressing type but must be the type of constitution, which will be all-embracing and sweeping enough in order not to waste a rare opportunity for change.

Ny fanitsiana lalàm-panorenana, izay ilain'i Ghana amin'izao fotoana izao, dia tsy tokony ahitana karazana tsipitsipika na fanadiovana na fanindriana, fa tsy maintsy ho karazana lalàmpanorenana, izay malalaka sy mivelatra tsara mba tsy handaniana fotoana tsy fahita firy ho an'ny fanovana.

Nanampy izy avy eo hoe:

Functional checks and balances as well as workable forms of separation of powers were other issues that needed serious consideration by the commission.

Ny fanaraha-maso sy fifandanjana arak'asa ary koa ny endrika fisaraham-pahefana azo tanterahina no olana hafa mila fandinihana be eo amin'ny komity.

Tamin'ny lahatsoratra [5] momba ny fanitsiana lalàm-panorenana ao amin'ny tranonkalam-baovaon'ny Inter Press Services (IPS) [6], Osabutey Anny nanonona ilay mpahay lalàna sady sekretera mpanatanteraka ao amin'ny Vaomiera, Dr. Raymond Atuguba, ary nilaza hoe:

Every single petition before the commission will be carefully examined. The issues raised are very valid.

Hodinihana amim-pitandremana ny fanangonan-tsonia rehetra eo anoloan'ny vaomiera. Tena marina ireo olana nolazaina.

Anny mitatitra hoe:

The petitions received to date vary and include calls for a review of the powers of the executive.

Samihafa ireo fanangonan-tsonia voaray hatramin'izao ary ahitana fitakiana fanitsiana ny fahefan'ny mpanatanteraka.

Araka ny filazan'i Anny, nanamarika i Atuguba hoe,

The number of petitions received by the commission shows the extent to which the public was looking forward to the review.

Mampiseho ireo taratasy fanangonan-tsonia voarain'ny kaomity fa miandry fatratra ny fandinihana ny vahoaka.

Hita avy amin'ny tatitra fa maniry mafy ny handray anjara amin'ny fizotry ny demokrasia eo amin'ny firenena ny Ghaneana hatramin'ny nanombohan'ny lalàm-panorenana tamin'ny taona 1993.

Nidera ny firenena afrikana tao amin'ny lahatsorany i Anny:

The country has made much progress since then. Ghana was ranked the seventh-best country on the continent for good governance according to the 2009 Ibrahim Index of African Governance. The index measured, among other things, the delivery of public goods and services by government.

Efa nandroso be ny firenena hatramin'izay. Laharana faha-fito amin'ny firenena mendrika indrindra momba ny fitantanana tsara ao amin'ny kaontinanta i Ghana, araka ny Tondro Ibrahim 2009 momba ny Fitantanana Afrikana. Norefesin'ny tondro, ankoatra ny zavatra hafa, ny famatsian'ny fanjakana ireo entana sy tolotra ilain'ny vahoaka.