- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Holandy: Nisioka ny fihaonambe momba an'i Afghanistan ny minisitra Alemà

Sokajy: Eoropa Andrefana, Holandy, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia
Maxime Verhagen

Maxime Verhagen

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2009)

Nandritra ny fihaonambe momba an'i Afghanistan [1] vao haingana tany La Haye, afaka namaky ireo vaovao farany sy valinteny mivantana tamin'ireo fanontaniana momba ny fihaonambe tao amin'ny Twitter ireo Holandey mpanara-baovao. Nalefan'i Maxime Verhagen [2], minisitry ny raharaham-bahiny Holandey, izay nampiantrano ny fihaonambe ny vaovao farany. Mpisera Twitter mavitrika  [3]Atoa Verhagen.

Ny omalin'ny fihaonambe, nandefa vaovao farany momba ireo mpandray amin'ny fihaonambe tonga tao amin'ny seranam-piaramanidina Atoa Verhagen. Nandefa sary roa ihany koa izy:

4:49 PM Mar 30th [4]: Op weg naar het vliegveld van Rotterdam om gasten voor de conferentie te verwelkomen.

Ety an-dalana ho any amin'ny seranam-piaramanidina Rotterdam mba handray ireo vahiny amin'ny fihaonambe.

5:28 PM Mar 30th [5]: President Karzai geland, klaar bij de rode loper http://twitpic.com/2luvf [6]

Tonga ny filoha Karzai, miandray azy eto amin'ny karipetra mena aho http://twitpic.com/2luvf   [6]

8:52 PM Mar 31th [7]: Secretary of State Clinton begroeten http://twitpic.com/2mr64 [8]

Mandray ny sekretam-panjakana Clinton http://twitpic.com/2mr64  [8]

Naka fotoana hamaliana ireo fanontaniana ihany koa izy. @jellekaat [9] nanontany hoe:

5:36 PM Mar 30th [10]: @MaximeVerhagen gaat u elke gast persoonlijk ontvangen op het vliegveld?

@MaximeVerhagen handray ireo vahiny tsirairay manokana ao amin'ny seranam-piaramanidina ve ianao?

7:14 PM Mar 30th [11]: @jellekaat Nee dat zou ondoenlijk zijn, alleen de hoofdgasten president Karzai en dadelijk secretaris-generaal van de VN Ban Ki-Moon.

@jellekaat Tsia, tsy ho tanteraka izany, fa ireo vahiny lehibe ihany, toa an'ny filoha Karzai ary minisitra vitsy avy eo, ny sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana Ban Ki-Moon.

@paulhottinga [12] kosa niahiahy momba ny voka-dratsy eo amin'ny vahoaka ankapobeny manoloana ny fepetra ara-piarovana manodidina ny fihaonambe

1:52 PM Mar 30th [13]: @MaximeVerhagen hoe gaat het met de voorbereidingen? Was er geen mogelijkheid de delegaties in te vliegen ipv verkeersinfarct die dreigt?

@MaximeVerhagen manao ahoana ny fikarakarana? Tsy mety ve raha nasaina tonga tamin'ny fiaramanidina ireo delegasiona mba hisorohana ny olana ara-pifamoivoizana?

7:40 PM Mar 30th [14]: @paulhottinga We doen ons best om de overlast binnen de perken te houden en de gasten toch veilig te kunnen ontvangen.

@paulhottinga Manao izay vitanay izahay mba hametra ny voka-dratsy araka izay azo atao no sady afaka mandray tsara ireo vahinintsika.

@Bartdejong86 [15] nanontany ny antony nahatonga ny filoha Obama tsy nanatrika ny fihaonambe

1:34 PM Mar 30th [16]: @MaximeVerhagen ik was benieuwd waarom Obama niet bij de top aanwezig is. afgelopen week was hij veel in het nieuws m.b.t. Afghanistan

@MaximeVerhagen Tiako ho fantatra hoe nahoana i Obama no tsy manatrika ny fihaonambe. Nivoaka vaovao imbetsaka izy tamin'ny raharaha Afghanistan tamin'ny herinandro lasa

7:43 PM Mar 30th [17]: @Bartdejong86 Het is een conferentie voor ministers van BZ, daarom komt secretary of state Clinton.

@Bartdejong86 Fihaonambe ho an'ireo minisitry ny raharaham-bahiny ity, izay mahatonga ny sekreteram-panjakana Clinton manatrika izany.

Ny ampitso, andron'ny fihaonambe, mbola nanam-potoana nandefasam-baovao ihany Atoa Verhagen:

12:07 PM Mar 31st [18]: Conferentie toegesproken: naar een nieuw contract tussen de internationale gemeenschap en Afghanistan http://tinyurl.com/cadky6 [19]

Nanolotra teny tato amin'ny fihaonambe: mikasika ny fifanarahana vaovao eo amin'ny fiarahamonina iraisam-pirenena sy Afghanistan http://tinyurl.com/cadky6 [19]

12:14 PM Mar 31st [20]: Goede toespraken en bijdragen van collega's, er is nieuwe energie voelbaar in de zaal over Afghanistan.

Lahateny mahafinaritra sy fandraisana anjara avy amin'ireo mitovy andraikitra, azo tsapain-tanana ao an'efitra ny angovo vaovao momba an'i Afghanistan.

1:50 PM Mar 31st [21]: Ochtendsessie afgesloten http://twitpic.com/2mwp5 [22] Nu lunchen, onderussen gaan we door met de discussie.

Tapitra ny fivoriana maraina http://twitpic.com/2mwp5 [22] Fotoana hisakafoanana atoandro izao, no sady mitohy ihany ny resadresaka

3:12 PM Mar 31st [23]: Beginnen aan een hele serie 1 op 1 gesprekken, eerst met mijn Pakistaanse, meteen daarna met mijn Russische collega.

Manomboka andian-dresaka mivantana- miaraka amin'ny Pakistaney-ko voalohany, ary avy eo miaraka amin'ny Rosiana mitovy andraikitra amiko.

5:51 PM Mar 31st [24]: Conferentie afgesloten, deelnemers bedankt, deze voor het familieplakboek http://twitpic.com/2n4o3 [25] Nu de persconferentie.

Tapitra ny fihaonambe, nisaotra ireo mpandray anjara, sarim-pianakaviana http://twitpic.com/2n4o3 [25] Avy eo: valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety.

9:35 PM Mar 31st [26]: Vandaag helaas geen tijd gehad om te reageren op vragen, heel veel dank voor alle twittersteun.

Indrisy fa tsy nanam-potoana aho androany hamaliana ireo fanontaniana, misaotra betsaka tamin'ny fanohananareo tato amin'ny Twitter.

Araka ny vaovaony farany tao amin'ny Twitter, any Strasbourg i Verhagen amin'izao fotoana izao hanatrika ny fihaonambe tsingerintaona faha-60 n'ny OTAN [27]:

Apr 3rd [28]: Op weg naar Straatsburg voor de NAVO top van vanavond en morgen.

Eny an-dalana ho any Strasbourg hamonjy ny fihaonamben'ny OTAN androany hariva sy rahampitso.

Apr 4th [29]: NAVO top ter gelegenheid van 60 jarig bestaan. – http://mobypicture.com/?tk7qgi [30]

Tsingerintaona faha-60 ny OTAN – http://mobypicture.com/?tk7qgi [30]