Holandy: Namoy ny ainy teo amin'ny faha-100 taonany i Miep Gies, Vehivavy nanampy an'i Anne Frank

Miep and Jan Gies

Miep Gies sy ny vadiny Jan eo anilan'ny fitoeram-boky nanafina ny tsiambaratelo tovana, manodidina ny taona 1988

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2010)

Araka ny tatitry ny BBC, namoy ny ainy teo amin'ny faha-100 atona i Miep Gies, ilay hany mpikambana sisa velona tao amin'ny tarika izay nanampy an'i Anne Frank sy ny fianakaviany Jiosy handositra ny fisamborana tao Holandy nandritra ny Ady Lehibe Faha-2.

Mijanona ho iray amin'ireo tantara manokana malaza indrindra momba ny Fandripahana ny Diarin'i Anne Frank. I Gies no nanavotra ny diarin'i Anne Frank rehefa nisy nanondro ny toerana niafenany ary nalefa tany amin'ny tobim-ponja faobe ny fianakaviana.

Nanonona ny tranonkalan'i Miep Gies ho toy ny loharanom-baovaony ny BBC:

Miep Gies deceased
On Monday evening, January 11, Miep Gies deceased after a short illness. She has become 100 years.

Nodimandry i Miep Gies
Ny Alatsinainy hariva, 11 Janoary, nodimandry i Miep Gies taorian'ny aretina fohy. Vao 100 taona izy.

Nitatitra ny vaovao ihany koa ny haino aman-jery Holandey, saingy ela kokoa. Nanonona ny BBC ho loharanom-baovaony tamin'ny tantara ny mpampita vaovaon'ny NOS adiny iray mahery taty aoriana.

Sahiran-tsaina ny olona tao amin'ny Twitter, Jetteke69 [nl] nanoratra hoe:

Op Wikipedia wordt gezegd dat Miep Gies is overleden. Heeft iemand daar al een bron voor? #miepgies

Ao amin'ny Wikipedia, voalaza fa maty i Miep Gies. Misy manana loharanom-baovao momba izany ve? #miepgies

hood1409 [nl] nilaza hoe:

waarom weten ze het in t buitenland eerder dan hier #miepgies

nahoana ny any ivelany indray no nandre alohantsika

Toa tsy ny rehetra ao Holandy no mahafantatra hoe iza i Miep Gies. RicksRommelhok [nl] nanoratra hoe:

..Miep Gies….nooooit van gehoord… #gemistefeiten

..Miep Gies….mbola tsy nandre ny momba azy… #tsymahalalazavamisy

Saingy nahazo laza sy fanajana iraisam-pirenena tanteraka i Miep Gies, araka ny asehon'ity andiana sioka avy amin'ny NathanWurtzel  avy ao Etazonia ity:

Tweet 1: I'm trying to find words worthy of Miep Gies. I don't know if I can do it.

Sioka Voalohany: Miezaka mitady teny sahaza ho an'i Miep Gies aho. Tsy fantatro raha afaka manao izany aho

Tweet 2: I can't possibly imagine what Occupied Europe was like. I can't possibly imagine what living in constant fear of capture is like.

Sioka faha-2: Tsy azoko an-tsaina hoe tahaka ny ahoana i Eoropa Nobodoina. Tsy azoko an-tsaina hoe tahaka ny ahoana ny miaina tahotra maharitra noho ny fisamborana

Tweet 3: Miep Gies didn't have to do anything. She was a clerk at Otto Frank's spice company, but could have simply gone along to get along.

Sioka faha-3: Tsy mila nanao na inona na inona i Miep Gies. Mpiasa tao amin'ny orinasa fanaovan-tsakay tao Otto Frank izy, saingy nandeha teny fotsiny mba hiaraka amin'ny hafa.

Tweet 4: The penalty for helping hide Jews was anything from 6 months in a labor camp to being shot on the spot. No one got away “unpunished.”

Sioka faha-4: Ny sazy noho ny fanampiana ny Jiosy hiafina dia manomboka enim-bolana ao amin'ny toby fiasana hatramin'ny fitifirana ho faty. Tsy misy olona “afa-maina.”

Tweet 5: Gies already was threatened with deportation by Nazis for refusing to join a Nazi women's association,

Sioka faha-5: Efa norahonan'ny Nazis horoahina i Gies noho ny fandavana tsy hiaraka amin'ny fikambanam-behivavy Nazi

Tweet 6: In addition to running food to the Franks and the other refugees at incredible personal risk, Miep Gies also saved Anne's diary.

Sioka faha-6: Ankoatra ny famelomana ireo Franks sy ny mpitsoa-ponenana hafa tamin'ny fomba mampidi-doza kokoa izay tsy mampino, nanavotra ny diarin'i Anne ihany koa i Miep Gies.

Tweet 7: When asked about her heroic efforts, she said she merely stood in a long line of Dutch people who did what she did…or more.

Sioka faha-7: Raha nanontaniana momba ny ezaka maherifo nataony, nilaza izy fa nitsangana niaraka tamin'ireo vahoaka Holandey izay nanao ny zavatra nataony…na bebe kokoa

Tweet 8: How do you say thank you to Miep Gies?

Sioka faha-8: Ahoana ny fomba hisaoranao an'i Miep Gies?

Tweet 9: It seems so inadequate.

Sioka faha-9: Toa tsy ampy izany

Tweet 10: I think the only way to thank Miep Gies is to take our own place in the line she spoke of; each of us doing what we can.

Sioka faha-10: Mihevitra aho fa ny fomba tokana hisaorana an'i Miep Gies dia ny maka ny toerantsika manokana tamin'ny zavatra nolazainy; manao izay farany vitantsika isika tsirairay avy.

Vaovao farany: Namoaka fizarana manokana momba an'i Miep Gies ny tranonkalan'ny Mozea Anne Frank ao Amsterdam, anisan'izany ny boky ahitana teny fampiononana.

Sary sy hajian-tsary tao amin'ny tranonkalan'i Miep Gies

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.