Maraoka : Fandroahana ireo evanjelisitra tao amin’ny tanànakelin’ny fanantenana.

(Marihina fa tamin'ny 11 Martsa 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Un parent dit au revoir à (photo du site officiel du Village de l'espérance)

Manao veloma ireo zaza kamboty ny ray aman-dreny mpanangan-jaza iray (sary avy amin’ny tranonkala ofisialin’ny Tanànakelin’ny fanantenana)

Noroahina tao amin’ny firenena Maraokana, tsy nisy fampitandremana, ireo mpikambana miisa roapolo tao amin’ny ekipan’ny Tananakelin’ny fanantenana, trano fitaizana zaza kamboty iray any amin’ny tanànakely any ambanivohitr’i Maraoka noho ny fiampanga ho nitarika olona hanaraka ny finoany. Niaina am-pilaminana nandritra ny folo taona ny mpikambana ao amin’ny Tananakely izay evanjelisitra avy any amin’ny firenena Tandrefana ny ankamaroany. Nilaza ho tsy nanafina mihitsy ny maha-Kristiana azy tamin’ireo manampahefana Maraokana ireo mpikambana, mba tsy hisian’ny olana. Ity trano fitaizana zaza kamboty ity no hany mba toerana fantatry ny ankamaroan’ireo ankizy hatramin’izay.

Namoaka fanambarana iray nankatoavin’ny mpikambana rehetra tao amin’ny ekipa izay voatery tsy maintsy niala ny tranonkala ofisialin’ny Tanànakelin’ny fanantenana manao hoe :

Le lundi 8 mars, il a été dit à 16 travailleurs étrangers, dont 10 parents, et 13 enfants à charge nés sur le territoire, qu'ils seraient expulsés du site et du pays. La raison donnée à cela fut que les parents avaient fait du prosélytisme, sans qu'il soit précisé qui était concerné, ni quand, où et comment l'on prétendait que cela s'était passé. Au cours des 10 ans de l'histoire de VOH, jamais aucune accusation n'a été portée par les autorités marocaines en raison d'inquiétudes concernant le bien être des enfants ou les soins qui leur étaient apportés.

Les autorités marocaines n'ont présenté aucune preuve des prétendus délits et ils n'ont donné que quelques heures aux parents pour faire leurs valises et expliquer aux enfants qu'ils ne les reverraient peut-être jamais.

Nolazaina tamin’ireo mpiasa vahiny miisa 16, izay ray amandreny ny 10 tamin’izy ireo, ary ankizy teraka notazaina teo an-toerana ny 13, fa horoahina hiala ny toerana sy ny sisintany izy ireo ny Alatsinainy 8 Martsa 2010. Noho ny fitarihan’ireo ray amandreny ireo hanaraka ny finoany no antony nahatonga izany, raha tsy voafaritra mazava ny olona voakasik’izany, na ny fotoana nitrangany na ny toerana sy ny fomba nitrangany. Tao anatin’ny tantaran’ny VOH nandritra ny 10 taona dia tsy mbola nisy mihitsy ny fiampangana avy amin’ireo manampahefana Maraokana, tamin’ny ahiahy momba ny fikarakarana ireo zaza na ny fitsaboana nomena azy ireo.
Tsy nanome porofo ny voalaza ho fiampangana azy ireo ny manampahefana Maraokana ary tsy nanome afa tsy ora vitsy monja ho an’ireo ray amandreny izy ireo hangoronana ny entany sy hanazavana amin’ireo ankizy ihany koa fa mety tsy hifankahita intsony ry zareo.

Vitsy ny fampitam-baovao no nitatitra ny vaovao (ny Sampan-draharaha Maghreb Arabe Presse no nanao izany), saingy nanomboka niresaka ny zava-nitranga ireo bilaogera teo akaikin’ny Tanànakely, niaraka tamin’ny fanantenan’ny sasantsasany ny fiverenan’ny ekipa ao Maraoka. Niasa an-tsitrapo tao amin’ny trano fitaizana zaza kamboty ilay bilaogera evanjelisitra Kristianina iray Elisabeth Shelby ary niantso ny olona mba hivavaka izy, saingy nanantena ihany koa izy ny hahazo fanazava avy amin’ny governemanta, mba hamantarana ny anton’izao fanapahan-kevitra tampoka izao. Nanoratra izy hoe :

Cela fait plus de 24 heures que 20 membres du personnel (des parents pour la plupart) du Village de l'espérance ont été arrachés à leurs enfants par les  autorités marocaines. On leur a donné trente minutes pour faire leurs bagages et quitter le pays, sans aucune garantie de revoir un jour leurs enfants marocains. Le Village de l'Espérance est en conformité avec les lois marocaines, a travaillé avec le gouvernement marocain pendant dix ans et il y a eu très peu de problèmes. Le 4 janvier, Mohammed Naciri, le nouveau ministre de la justice (ironie), est entré en fonction au Maroc. Il a voulu exercer son pouvoir en fermant le Village de l'espérance, parce qu'il croit que “les chrétiens font du prosélytisme.”

Efa ho 24 ora mahery izay no noesorin’ireo manampahefana Maraokana tamin’ireo zanany ireo ekipa ao amin’ny Tanànakelin’ny fanantenana miisa 20 (ray amandreny ny ankamaroany). Nomena telopolo minitra izy ireo mba hangoronany ny entany sy hialany ao amin’ny firenena, tsy nisy ny fampanantenana ny hahita indray ireo zanany Maraokana akory indray andro any. Mifanaraka amin’ny lalàna Maraokana ny fijoroan'ny Tanànakelin’ny fanantenana, ary niara-niasa tamin’ny governemanta Maraokana nandritra ny folo taona izy ireo ary tsy nahitana olana firy. Nandray ny asany tany Maraoka ny Ministry ny Fitsarana vaovao (eso) Mohammed Niciri ny faha 4 Janoary 2010. Naniry ny hampiasa ny fahefany izy tamin’ny fanakatonana ny Tanànakelin’ny fanantenana, satria nihevitra izy fa ‘’manao fisarihana olona ny Kristiana’’.

Nanao fanentanana tao amin’ny Twitter ihany koa i Elisabeth Shelby, teo ambanin’ny tenirohy #MoroccoOrphans, ary nanorina vondrona tao amin’ny Facebook.

Namoaka lahatsoratra iray mahaliana ny The Moroccan Dispatches, izay nanadihady ny lafiny samihafa tamin’ny fanapahan-kevitry ny governemanta sy ny asan’ilay trano fitaizana zaza kamboty ihany koa. Nanoratra ilay bilaogera:

Comme je l'ai déjà écrit, il est difficile de savoir ce qui est autorisé ou pas au Maroc, puisque la loi n'est pas toujours appliquée. Peut-être alors que les autorités marocaines ont fermé les yeux pendant ces dix dernières années, comme elles le font avec l'alcool, le haschich, la protistution, et les excès de vitesse. Ou peut-être  que les membres du Village de l'espérance cachaient certaines de leurs activités. Je ne sais pas.

Araka ny efa nosoratako, sarotra ny mahafantatra ny azo atao sy ny tsy azo atao ao Maraoka, satria tsy hampiharina hatrany ny lalàna. Angamba nanakimpy ny masony nandritra ny folo taona lasa ireo manampahefana Maraokana, tahaka ny nataon’izy ireo tamin’ny toaka, ny rongony, ny fivarotan-tena ary ny hafainganam-pandeha tafahoatra. Na angamba nanafina ny sasany tamin’ireo asany ireo mpikambana tao amin’ny Tanànakelin’ny fanantenana. Tsy fantatro.

Nanohana ny Tanànakely ilay bilaogera Amerikana monina any Maraoka :

[Les membres de l'équipe du village] pensaient sincèrement qu'ils agissaient en conformité avec la loi, mais ils ont été interrogés et expulsés du pays sans avoir le temps de faire leurs bagages ou de dire au revoir à leurs enfants. Les orphelins ont une vie particulièrement difficile dans les pays musulmans, parce que, même si on les adopte, ils n'ont pas les mêmes droits que les enfants biologiques. En plus, les Marocains musulmans qui travaillaient avec les enfants ont aussi été expulsés du lieu, il n'y a donc pas de visage familier pour s'occuper d'eux maintenant. S'il vous plait, priez pour les enfants, pour ceux qui ont été expulsés, et pour ceux qui le seront peut-être. C'est une situation difficile, étant donné que le Maroc a toujours été considéré comme un pays modéré, qui encourage les relations pacifiques entre les peuples de religions différentes. Priez pour les gens de ce beau pays.

Nihevitra tamim-pahatsorana [ ireo mpikambana ao amin’ny ekipan’ny Tanànakely ] fa nanara-dalàna izy ireo, saingy nohadihadiana sy noroahina hiala ny firenena tsy nisy fotoana hangoronany ny entany akory na nanao veloma ireo zanany izy ireo.Tena sarotra ny fiainan’ireo ankizy kamboty any amin’ny firenena Miozolomana, satria, tsy manan-jo mitovy amin’ireo zaza nateraka izy ireo na dia natsangana aza. Ankoatra izay, noroahina tao amin’ilay toerana ihany koa ireo Maraokana Miozolomana izay niara-niasa tamin’ireo ankizy ireo. Tsy misy intsony araka izany ny endrika mahazatra mba hikarakara azy ireo amin’izao fotoana. Miangavy anareo mba hivavaka ho an’ireo ankizy izay voaroaka ireo, na ho an’ireo izay mety ho mbola voaraoka toy izany. Toe-javatra sarotra izany, satria noheverina ho firenena tony fihetsika foana i Maraoka, izay mandrisika ny fifandraisana am-pilaminana eo amin’ireo vahoaka avy amin’ny fivavahana samihafa. Mivavaha ho an’ireo vahoaka ao amin’ity firenena mahafinaritra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.