Navotsotra i Abdolkarim

Karim is free now(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2005 )

Navotsotra ilay blaogera Ejiptianina notazonin'ny mpitandro filaminana tamin'ny 26 Oktobra. Norakofana teto amin'ny GVO taloha teto, teto, ary teto.

Nanoratra momba ny famotsorana azy i Karim. (Amin'ny teny Arabo)

Nanoratra i Sandmonkey:

Nambarany tao fa navotsotry ny Polisy omaly izy taorian'ny nigadrany nandritra ny 18 andro, ny 6 izay nisamboran'ny Fiarovana Nasionaly azy ary ny 12 izay nigadrany tao amin'ny fonjan'i Torah. Fohy ny lahatsoratra nosoratany, izay nisaorany ireo olona nijoro foana ho azy ary mampanantena izay fa, atsy ho atsy, hanoratra mikasika ny zavatra nitranga taminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.