(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2005)
Vao nilaza taminay ny mpiasa ao amin'ny Al Jazeera iray fa vao nanokatra blaogy ry zareo. Aza Fafazana Baomba izahay – Bla Jgin'ny Mpiasa ao amin'ny Al Jazeera no anaran'izany blaogy izany.
Nilaza tamiko ny mpiasa iray ao amin'ny Al Jazeera fa mba hampahafantarana ny ahiahy maro manodidina ny birao manoloana ny zava-mitranga no nanaovana ity blaogy ity – ary ho mari-panajana an'ireo mpanao gazety maty amperinasa ihany koa.
Mariho ity blaogy ity: http://dontbomb.blogspot.com/

Tsy matahotra ny fandrahonanareo izahay – mpanao gazety izahay, avy amin'ny Mpiasa ao amin'ny Al Jazeera
Etsy andaniny, nanomboka rakitsary flickr ireo Mpiasa ao amin'ny Al Jazeera. Maneho ny fivoriana famantarana nataon'ireo mpiasa ireo teo anoloan'ny biraony tao Doha sy manerana izao tontolo izao ny Alakamisy 24 novambra 2005 tamin'ny 14 ora, oran'i Doha (GMT+3 ireo sary navoaka ireo.
Izao rehetra izao dia fanehoankevitra tamin'ilay vaovao ”nikasa ny handaroka baomba ny Al Jazeera i Bush” izay navoakan'ny Daily Mirror andro vitsivitsy lasa izay! [Tsindrio eto ho amin'ny antsipirihany bebe kokoa]