- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitetezana bilaogy manerantany isaky ny alarobia (jona 2006)

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Amerika Latina, Azia Atsimo, Azia Atsinanana, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Oseania, Afganistana, Armenia, Arzantina, Bangladesh, Bolivia, Ejipta, Etiopia, Hongria, India, Indonezia, Iràka, Iràna, Israely, Kambodza, Kenyà, Kyrgyzstan, Nosy Cook, Okraina, Shina, Sodàna, Zimbaboe, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2006)

Azia Afovoany sy Kaokazy

Protesters in Bishkek, Kyrgyzstan

Manana sary avy ao amin'ny tranoben'ny Fitsarana Tampony [1] ao Bishkek, Kirghizistan i Nathan ao amin'ny Registan, izay olona an-jatony no nanafika ny tranobe mba handroaka ireo mpanao fihetsiketsehana nibodo ny trano hatramin'ny volana Aprily. (Nitaky ny fialàn'ireo manampahefana rehetra notendren'ny filoha teo aloha Akayev ireo mpanao fihetsiketsehana.)

Manana tatitra amin'ny antsipiriany [2] momba ny fipoahana baomba tao amin'ny Moské Abdul Rab Akhunzada ao Kandahar i Afghan Lord.

MivPiv mampahafantatra antsika ny tananany manodidina an'i Kabul [3]amin'ny alalan'ny sary [4].

Katy ao amin'ny Blogrel nanamarika fa iray amin'ireo firenena Komonista maromaro teo aloha izay ahitana fitomboan'ny harin-karena anatiny [5] tato anatin'ny folo taona i Armenia.

Sary avy amin'ny Registan.net. Mpanao fihetsiketsehana tao Bishkek, Kyrgyzstan.

Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra

Sabbah kosa te-hahalala hoe nahoana ny fampahalalam-baovao amerikana dia tsy miresaka [6]momba ny raharaha fitsikilovana AIPAC. (Fampahalalana momba ny tantara ao amin'ny Ha'aretz [7].)

Mitatitra i Issandr El Amrani fa mpikambana dimy ao amin'ny antokon'ny fitondrana NDP no nitory ireo mpitarika Kifaya, [8] izay voalaza fa nidaroka azy ireo nandritra ny hetsi-panoherana tamin'ny herinandro lasa …hetsi-panoherana izay nolazain'ny mpikambana Kifaya fa nidarohan'ireo mpanohana ny NDP azy ireo, ary nitarika ny hetsi-panoherana Alarobia Mainty.

Atoa Behi mandinika ny resadresaka vao haingana nifanaovan'ny IRIB tamin'ny kandidà ho filoham-pirenena Iraniana Mohammad B. Ghalibaf. Manome ny heviny i Hoder  fa tena misy ny kandidà reformista ary tsy matahotra ny handrava ny fady eo amin'ny repoblika islamista. Omid Memarian kosa miresaka momba ny fihaonany tamin'ilay mpanao gazety Iraniana Akbar Ganji, nogadraina teo aloha.

Omar ao amin'ny Iraq the Model mitatitra momba ny fihetsiketsehana ao Baghdad … tsy manohitra ny fampihorohoroana na ny fibodoana, fa manohitra ny fifohana sigara [9].

Afrika

Black Looks mampahafantatra antsika [10] ny bilaogy mifantoka amin'ny Sahara Andrefana [11] ary manana fitantarana mahafinaritra momba ny tolona Saharawi mitaky hanana fanjakana.

Emeka ao amin'ny Timbuktu Chronicles [12] kosa liana tamin'ny tatitry Bridges.org  [13]momba ny Rindrambaiko Maimaimpoana sy Misokatra Loharano ao Afrika. Milaza amintsika ny fanehoan-kevitra mikasika ny tatitra momba ny WorldChanging  [14]izy.

Emeka at Timbuktu Chronicles [12] is interested in the Bridges.org report [13] on Free and Open Source software in Africa. He points us to the commentary on the report on WorldChanging [14].

Tezitra tamin'ny fisamborana ireo mpiasan'ny Médecins Sans Frontières tao Sodàna (anisan'izany ny tenako [15]) ireo bilaogera Afrikanina. Black Star Journal [16] manana ny tantara, tahaka izany koa ny Black Looks [17]. Mandritra izany, vao haingana ny BBC no nitatitra fa nisy ny fitoriana napetraka [18], angamba ho setrin'ny fanoherana iraisam-pirenena.

Mieritreritra momba ny fikomian'i Mau-Maug [19] i Ory, manondro ny tantaran'ny NPR momba ireo menavazana mitady fanorenana, ary sarimihetsika vaovao momba ny fifandonana.

Nazret.com [20] manana fandinihana momba ny vaovaom-pifidianana, ao anatin'izany ny tantara momba ny tsy fahombiazan'ny governemanta mamoaka voka-pifidianana [21] tao amin'ireo faritra folo ifandirana. Friends of Ethiopia kosa manohitra ny filazan'ireo distrikam-pifidianana [22] ao Ethiopia amin'ny alàlan'ny foko.

Zimpundit indray manana lahatsoratra vaovao marobe – resaka nifanaovana tamin'ny namana [23] izay tsy mety tafavoaka ao Harare, fanehoan-kevitra momba ny famoretana ataon'ny governemanta  [24]amin'ireo mpiasa tsy ara-dalàna, sy fitetezana ireo bilaogy manerantany [25] miresaka momba ny toe-draharaha any Zimbaboe.

Azia Atsinanana

Jing ao amin'ny Those Who Dare… mahita esoeso marobe [26] amin'ny fisamborana ilay mpitati-baovao Singapaoreana tao Shina. Simon World manana antsipirihany fanampiny [27] momba ny tantara.

michgow maka sary bilaogy ny dia tany Tuol Sleng [28], lisea nanjary ivon-toeran'ny toby famonoana Pol Pot ao Kambodza.

Jakartass [29] mibilaogy momba ny androm-piainana vetivety teo amin'ny banbali.com [30], tranonkala fandresen-dahatra an-dalantsara (lobbying) ny governemanta Indoneziana izay voajirika haingana sy feno sary vetaveta.

Avaiki mitsidika ireo gazety mahazatra [31] miresaka momba ny andrana nokleary sy ny fiantraikany ao amin'ny vondronosy Cook.

Azia Atsimo

Rezwan ao amin'ny Third World View miresaka momba ny solombavambahoaka Britanika George Galloway sy ny  fitsidihany an'i Bangladesh [32] (avy any Bangladesh ny 40% ny fari-pifidianana.)

Rashmi ao amin'ny Youth Curry manome fampitahana tsy ofisialy momba ireo gazety Indiana roa [33].

Latin America Amerika Latina
Graph of voting on La Nacion websiteGuillermo ao amin'ny Sine Metu Reloaded mihevitra fa “voajirika” ny fitsapan-kevitra tao amin'ny tranonkalan'ny La Nación [34], tamin'ny famindràna an-kafetsena ny pejy fandraisan'ny tranonkala ho any amin'ny pejy miafina kokoa. Raha nipoitra tamin'ny voalohan'ny pejy ny fitsapan-kevitra – izay mangataka ny hevitr'ireo mpamaky mikasika ny fe-potoam-piasana voalohan'ny filoha Arzantina Kirchner, dia ratsy ny fahitana ny filoha. Hatramin'ny tsy nahitana intsony ny fitsapan-kevitra tao amin'ny pejy voalohany, dia miabo avokoa ny ankamaroan'ny valim-panontaniana, izay milaza fa mitarika ireo mpiara-dia aminy ao amin'ny pejy fitsapan-kevitra vaovao ireo mpanohana ny governemanta…

Miguel kosa miresaka momba ny  fandrobana sy fikorontanam-bahoaka miely patrana [35] tao La Paz mifandraika amin'ny hetsika fanoherana ny parlemanta Boliviana.

Sary avy amin'ny Sine Metu Reloaded. Mampiseho ny fifidianana ao amin'ny fitsapan-kevitry ny La Nacion ny sary ary avy eo nesorina tao amin'ny pejy voalohan'ny tranonkala izany.

Eoropa Atsinanana

Damone ao amin'ny Pestizie manazava ny antony mahatonga ny zo Hongroà ho feno fankasitrahana amin'ny ankavia Frantsay [36].

Kaonty mahavariana momba ny asa birao Okrainiana [37] ao amin'ny Orange Ukraine.