- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kyrgyzstan: Miakatra ny Vidin'ny mofo, Ketraka be ny vahoaka

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Azia Afovoany sy Kaokazy, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Iràka, Israely, Koety, Kyrgyzstan, Libanona, Rosia, Syria, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanabeazana, Fanatanjahantena, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hafanàm-po nomerika, Hehy, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Sakafo, Saripika, Sendikà, Tantara, Teknolojia, Teratany, Vaovao Mafana, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2007)

Niteraka adihevitra mafana teo anivon'ireo blaogera Kyrgyz ilay fiakarana tsy nampoizina tamin'ny vidin'ny mofo. Miaraka amin'ny vidin'ny entona fandrehitra, herinaratra sy ny fitaterana, ny vidin'ny mofo no olana ara-toekarena lehibe indrindra ho an'ny olontsotra rehetra. sakafo mahazatra sy ilaina be eo amin'ny fiainantsika andavanandro ny mofo. Raha toa ka 6 soms (15 cents) ny mofo iray, ankehitriny efa lasa 7 soms ny vidiny.

Maneho [1] ny heviny mikasika izany olana izany i Advocat [1] ao amin'ny Diesel forum [2](RU):

Nandritra ny fotoam-pitondran'i Akaev [ny filoha teo aloha], tsy mbola nitombo mihitsy ny vidin'ny mofo, fa ankehitriny, rehefa milaza ny rehetra fa mihatsara ny fiainam-bahoaka, mitombo ny vidiny. Angamba mariky ny fihatsaran'ny fiainantsika eo imason'ny governemantantsika vaovao ny fiakaran'ny vidin'entana?

Mihevitra [3] i Mantank [3]fa tsy misy idiran'ny governemanta ilay fiakarambidy:

Tsy afaka mandrindra ny vidin'entana eny an-tsena ny governemanta, noho izany tsy dia tena hoe hadisoany loatra izany.

Omaly, nahatsapa ilay tsy fitoviam-bidy [4] tamin'ny zavatra niainany i XnifgRon [4]:

Isanandro aho mankany amin'ny trano iray fisotroana kafe mba hisakafo atoandro. Androany, nitondra sila mofo tena manify kely tsy nampino ilay mpandroso sakafo (in-3 kely kokoa noho ny mahazatra) ary nanazava fa noho ny fiakarambidy no mahatonga izany. Tena nalahelo mihitsy aho hoe manomboka androany dia tsy maintsy hanafatra mofo in-telo izany izahay.

Manome [5] antony mahatonga ny mofo ho lafo kokoa ankehitriny i Mirsulzhan [5] ao amin'ny neweurasia [5](KYR).

Miahiahy mafy ihany koa ny vahoaka mikasika ny fameperana vaovao izay toa mety hapetraky ny fanjakana mba hidirana ao Bishkek renivohitra rehefa tonga ny Fihaonana an-tampony SCO ny 4 ka hatramin'ny 19 Aogositra.

Avoakan'i  [6]Asel [6] ny lahatsoratra (Angl) iray milaza fa hanara-maso ny fandehanana mankany Bishkek ny fanjakana amin'ny fisavana ireo fiara rehetra ary angamba amin'ny famefena ny fikorianan'olona mankany Bishkek. Indrisy, tsy misy tena afaka miresaka momba izany olana izany sy hanome vaovao mazava momba ny tena fandehan'ilay fepetra ry zareo manampahefana.

Miteraka fisalasalana sy hasosorana be eny anivon'ny olontsotra izay tsy afaka mahazo vaovao azo antoka izany. Ohatra, milaza [7] i S@ilor [7]:

Niresaka tamin'ireo mpamily taxibe eny an-toerana na ‘‘marshrutkas’ aho mikasika ny fandrindràna sy izay zavatra fantany mikasika izany. Tsy misy mahalala na inona na inona. Toa amin'ny fotoana farany indray isika vao hahafantatra ny momba izany, ary hijaly amin'izany ny olona.

Eny ary, aleo mba hofaranako amin'ny fanamarihana tsaratsara kokoa. Fitsingerenan'ny taona nahaterahan'ny Filoha Kyrgyz, i Kurmanbek Bakiev, androany voalohan'ny volana Aogositra. 58 taona izy ankehitriny. Nanao fahadihadiana kely mba hahafantarana ny zavatra eritreretin'ireo blaogera ho fanomezana tsara indrindra ho an'ny Filohantsika ilay blaogera morrire [8]. Blaogera miisa 30 no nandray anjara tamin'ilay fanadihadiana ary toy izao no vokany:

41,4% – Tsy misy fanomezana
37.9% – traktera Shinoa
17.2% – Lohanondry
13.8%-  paty
10.3%- tapakilam-piaramanidina ho any Moskoa

Afaka mijery ny dika manontolon [9]‘ilay fanadihadiana eto ianao (Ros.).

Safidina fanomezana mampihomehy eh?