- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Herinandro ao anatin'ny tontolon'ny blaogin'ny vehivavy Afrikanina

Sokajy: Afrika Mainty, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: Lahatsoratra nanglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2005)

Mahatsiaro ho toy ny ‘‘…vehivavy mijoro eo an-kihon'ny fidirana, mijery lehilahy miresaka amin'ny lehilahy, fotsy miresaka amin'ny fotsy’, [1] Faritan'i Keeper of her thoughts [2] ny fihetsehampo tsapa rehefa miasa ao anatina fikambanana ara-pinoana mpanao asa soa izay amin'ny ankapobeny dia lehilahy fotsy no mpitantana azy. [2]

Ho valin'ny  herisetra vao haingana tao Kisumu [3], tsy miobon-kevitra amin'ireo mpitondra ankehitriny an'ity ampahany iray ao Kenya ity i prousette [4], mpitondra izay tsy nahomby tamin'ny fampandrosoana faritra iray manana ny ‘sasany amin'ireo marani-tsaina indrindra ao amin'ny firenena’ [5] .

10 Novambra, fitsingerenan'ny faha-10 taonan'ilay famonoana tsy ara-dalàna an'i Ken Saro-Wiwa [6], Nizeriana mpanoratra, mpanoratra, mpamokatra fandaharana amin'ny fahitalavitra ary mpikatroka mpiaro tontolo iainana izay nanao hetsika ho an'ny fiarovana ny zon'ireo vahoaka ao amin'ny delta Nizeriana. Manoratra mikasika ny tatitra navoakan'ny Amnesty International [7] izay manambara fa mitombina tsara ny antony nahafaty an'i Saro-Wiwa i Black Looks [8] .

Manoratra mikasika ilay tatitra [9] ihany koa i Bronwyn [10] ary milaza hoe, ‘Raha mbola misy trohana foana ny solika, dia ho any amin'ny helo foana ny zon'olombelona sy ny tontolo iainana.’

Manoratra mikasika ireo haratsiantoetra atrehin'ireo mpianatra afrikanina any Etazonia rehefa ametrahana fanontaniana toy ny ”tao anaty fiaramanidina ianao no nianatra teny Anglisy’ [11]‘ na koa rehefa misy fanambarana toy ny hoe ”miteny Anglisy tsara ianao” i Mymmoh [12] ary manontany tena hoe iza no ratsy indrindra amin'ireo – ireo mametraka fanontaniana toy izany sa ireo mihevitra ho mahafantatra sy ireo manao fanambarana dondrona.

Ao anatina resaka manidintsidina [13], maheno lehilahy roa miresaka an-karatsian-tsaina sy halozàna momba ny vehivavy iray i Nyakehu [14] ary mihevitra fa resaka voaloboka marikivy fotsiny ny vitriol.

Manazava amin'ny ohatra ireo fahasarotana tamin'ny fitadiavana toerana ipetrahana any Londra i Wangari [15]. ‘Tsy vitan'ny hoe very vola aho, fa tsy nanana toerana ipetrahana ary tsy maintsy niala tao amin'ilay efitrano fonenana nipetrahako tao anatin'ny herinandro’ [16], hoy izy manoratra, no sady mamaritra ireo zava-nitranga tamin'ny herinandro lasa teo rehefa nieritreritra fa voafitaky ny tompontrano.

Farany, nandritra ny herinandro izay nifanesen'ny fikomiana tao Frantsa [17], manoratra amin'ny fomba mazava i Black Looks [18] ary manome tatitra momba ireo fikomiana ireo sy ny olana mifandraika amin'izany ary milaza fa

”Hidina an-dalambe ireo olona, ary indrindra ireo tanora izay matetika ary tsy mitsahatra miatrika ny fanavakavahana sy fanilikilihana ao amin'ny fiainany andavanandro, na any amin'ny araben'i Etazonia, na any Eoropa, na any Palestina, na ny Fanavahana volonkoditra ao Afrika Atsimo, na any Bolivia. Vokatry ny tranga sy ny zavatra niainana nandritra ny fotoana voafaritra ireo fikomiana ireo, fa tsy hoe tongatonga fotsiny avy amin'ny zavatra tsy nisy. Tsy maintsy hiatrika ny zava-misy i Frantsa, raha tsy izany, samy hijoboka anatin'ny herisetra avokoa izy sy Eoropa raha ireo vondrom-piarahamonina kosa ho lasa hifanenjana kokoa ‘.