- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanamarihana ho an'ireo mpiserasera any ankoatran'ny aroafon'ny Mpamatsy Tolotra Aterineto

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jolay 2005)

Mampahafantatra anay ny namanay Isaac Mao [1] fa mety tsy azo idiran'ireo mpiserasera ao Shina ny anaran-tsehatra   https://globalvoicesonline.org [2] [rohin'ny Global Voices taloha]. Toa mety kosa ao Shina ny adiresinay ao Harvard – http://cyber.law.harvard.edu/globalvoices [3], [adiresy niaingàna voalohany] ary mandrisika ny rehetra manana olana amin'ny fidirana ao amin'ny tranonkalanay aho mba hanandrana ny anaran-tsehatra roa – izay samy tonga ao amin'io tranonkala io.

Vaovao farany: Manana lahatsoratra momba ny toe-draharaha [4] ao amin'ny bilaoginy amin'ny teny Shinoa i Isaac.