- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Armenia: Tapitra ny Fepetran'ny Tany Latsaka An-katerena, Mitohy ny Hetsi-panoherana

Sokajy: Fanoherana, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Saripika

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2008)

Mizara sary tsara mikasika ny fihetsiketsehana mangina nokarakaraina mba hisaonana amin'ireo olona valo novonoina nandritra ireo fikomiana [1] vao haingana tamin'ny voalohan'ny volana martsa tany Yerevan ny The Armenian Patchwork, satria efa nifarana tamin'ny fomba ofisialy ankehitriny ny fepetra Tany latsaka an-katerena tao amin'ny firenena . Manana sary sy tatitra mikasika ny fihetsiketsehana iray hafa natao ny ampitson'io ihany koa ny Armenia Election Monitor 2008.