Nouvelle Zélande: Fotoana Ho An'ny Fiovàna Koa?

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2008)

Nitana fifidianana solombavambahoaka ilay firenena an-dranomasina, i Nouvelle Zélande, tamin'ny 8 Novambra 2008. Araka ny vokatra vonjimaika, mahazo 45.5% amin'ny vato ny antoko mpanohitra ary 65 amin'ireo seza 112 ao amin'ny Parlemanta, izay midika fa ho lasa Praiminisitra i John Key avy ao amin'ny Antoko Nasionaly mpifikitra amin'ny nentindrazana. Etsy an-daniny, very seza 7 amin'ny 43 kosa ny Antokon'ny Mpiasa eo amin'ny fitondrana ankehitriny. Nanaiky ny fahareseny ary niala tamin'ny toerana naha-mpitarika ny Antokon'ny Mpiasa azy ny Praiminisitra Helen Clark, nitondra nanomboka tamin'ny 1999.

Manome vaovao sy fandalinana lalina mikasika ny rafi-pifidianan'i Nouvelle Zélande sy ny vokatra tamin'ity taona ity i Jim Belshaw avy ao amin'ny Personal Reflections. Aminy:

Fifidianana nanambatra ny vaovao sy ny ntaolo tamin'ny fomba nahaliana iny.

Manasongadina zavatra mahaliana iray ao amin'ity fifidianana ity ary mampitaha ny toe-javatra misy ao Nouvelle Zélande sy any Etazonia i Nik avy amin'ny Spatual Forum :

Mahagaga fa samy nanandrana ny haka ny palitaon'i Obama avokoa na i Clark na i Key; Clark manamarika fa nisafidy ny ho any ankavia i Etazonia, noho izany, nifidy ny Mpiasa, Key milaza fa ho an'ny Fiovàna i Etazonia, noho izany nifidy ny Nasionaly. Misy tsy fitoviana sy fitovian-jotra mahaliana amin'ny fifidianana any Etazonia izany na izany aza — resin'ny zazavao amin'ny politika ny mpanao politika goaika antitra, ary mahavita zavatra goavana ny antoko mpanohitra. Ny fahasamihafana eto dia, raha tokony ny afovoany ankavia no maka ny toerana, mikisaka mankany amin'ny havanana ny governemantantsika ankehitriny. (Maneso, mazava ho azy, hoe niala tamin'i Etazonia nandritra ny andro maizin'i Bush isika ary nifindra toerana taty Nouvelle Zélande, mba handresen'i Obama ao Etazonia ary ny havanana aty Nouvelle Zélande!)

Raha toa ka mino an'i Nouvelle Zélande ny olona sasany, fotoanan'ny fiovàna izao, spruiked: djak style mihevitra fa tsy dia misy fiovàna be loatra :

Ho an'ny vahiny, tsy ho hafa noho ny an'ny governemanta soloany toerana ireo politikan'i Key. Satria tsy hafa izy ireo. Ny fahitàna zavatra vitsy hitsikerana ny fitantanam-panjakana ankehitriny, nampifantoka ny fampielezankeviny teo amin'ny olana anatiny saropady i Key, toy ny fanavaozana ny fanabeazana sy ny fiadiana amin'ny heloka bevava.

[…]

Tsy maneho ny fiovàna ilay fifidianana tamin'ny Asabotsy, fa fiovàna mpiambina kokoa. Tamin'ny faran'ny tontolo andro, fotoana hirotsahan'ny olon-kafa eo amin'ny familiana izany. Izay no nofidian'ny mponina tao Nouvelle Zélande.

Satria manome ny ampahany lehibe amin'ny mponina ao Nouvelle Zélande ny mpifindramonina, manana kandidà avy amin'ny firazanana maro samihafa ny antoko maro. Mba hankaherezana ny vitsy an'isa hifidy, raisina ny fepetra ahitan'ny mpifindramonina soa, toy ny soratan‘i sarahliu88 [zh]:

為了鼓勵民眾,特別是少數族裔的選民踴躍參與,投票通知單上共印有20種語言,光中文就有繁、簡兩種呢!

Mba hankaherezana ireo mpifidy hifidy, indrindra ireo vitsy an'isa, samy eo avokoa ny torolalana amin'ny fifidianana izay ahitana torohay  amin'ny fiteny 20 miaraka amin'ny dikanteny Shinoa nenti-mpaharazana sy nohamoraina

sary vote '08 avy amin'i Jake Faulkner 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.