- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Honduras: Fampidirana ho an'ireo Blaogy au Honduras – Ampahany faha-3

Sokajy: Amerika Latina, Honduras, Hevitra, Mediam-bahoaka, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2007)

527279452_80604a38f8.jpg [1]

”Tongasoa aty Honduras”, sary nalain'ny BurocraciaNeuronal [2] ary nampiasàna ny lisansa Creative Commons

Na dia teo aza ny fahombiazan'ireo fizarana roa voalohany, tena roboka tao amin'ny fangatahana andro aho. Fa vonona ihany ny ampahany faha-3 nony farany (tara iray herinandro)!

Tanora maro ao Honduras maro no mitoraka blaogy ankehitriny, ary mitobaka be ireo blaogy manokana amin'ny teny Espaniola. Fanambin'ireo ny fizarazarany ho anaty sokajy. Maro ireo fampidirana no miresaka mikasika ny zavatra rehetra na zavatra iray manokana, ny tapa-tsarimihetsika farany indrindra natao ho dokambarotran'ilay sarimihetsika, tantaram-pianakaviana, ary dokambarotra mafanafana mihitsy aza. Ity misy santionany amin'ireo blaogy be dia be nokarohako.

Fitambaran'ny zavatra mahaliana ho an'ireo tanora mpankafy teknolojia ao Honduras ny Los Mercenarios [ES], (mercenario.zoomblog.com [3]), nosoratan'i Alex Cerratosy sy Aroni Dominguez. Ohatra, afaka mamaky fanadihadiana antsipirihany momba ny Transformers [4] ianao, na mihaino lahateny fiderana an'i Mafalda [5], izay mbola miako ao amin'ny tantara an-tsarin'ny taona 60 tany ho any izay nanaovan'i Quino sary azy. Afaka mianatra ny famoronana ny sarinao Simpsons manokana [6], mijery ny hatsikana maranitsaina avy amin'ny mpamorona label CD [7] iray, na manatri-maso adin'ireo titan eo amin'ny otaku roa [8] (japoney geek adalana anime be loatra).

Nosoratan'i Irina Orellana ny La vida es Bella [ES] (irina-orellana.blogspot.com [9]) ary afaka mamaky izao ianao ao anatin'ny teniny:

Un poquito sobre lo cotidiano y extraordinario del día a día, visto por los ojos de una mujer que cada vez se convence más, que la vida es bella y vale la pena vivirla. A pesar de los malos ratos y aunque no lo creas, siempre habrá algo o alguien por quien vivir!

Ampahany kely amin'ny mahazatra sy ny mahagaga, hita amin'ny mason'ny vehivavy miha resy lahatra isanandro fa tsara ny fiainana ary mendrika hiainana. Na eo aza ireo fotoan-tsarotra ary na tsy mino izany aza ianao, hisy mandrakariv zavatra na olona iray antony hiainana !

Azonao atao ny mamaky mikasika ny fandraisany anjara amin'ny Diabe ho an'ny Fahamendrehana [10], ny fitsidihany farany ny renibeny [11] ary ireo fahatsiarovana naterak'izany, ny fibabohan'i Madonna [12], ary ny fomba fijeriny an'i New Orleans [13]malalany, herintaona taorian'i Katrina [13].

Nosoratan'i Julia Gomez ny Un Souvenir [ES] (juliagomez.blogspot.com [14])., izay miezaka ny hahomby amin'ny ”fizarana ny maha-izy azy” amin'ny alalan'ny lahatsoratra toy ny Fialantsiny mba Hisarahana amin'ny Lehilahy [15], Ny Baikon-tsakafo Tsara Indrindra [16], ary ny safidiny mampalahelo hitondra akanjo aro orana miloko volomparasy tamin'ny andro avy orana

Manoratra blaogy maro i Miguel Muñoz, mpampianatra tolojia (haifinoana an'andriamanitra) ao amin'ny Oniversite Krisitanina ao Honduras. Hita any anaty lahatsorany ny lohahevitra toy ny rariny ara-tsosialy [17], fanadihadian'i James Cameron [18] mikasika ny Fasan'i Jesosy, ny fanapahankevitry ny Kaongresy ao Honduras handà visa ho anà mpitarika fivavahana iray [19] (miantso ny tenany ho ”Jesosy Kristy, ilay olona”, na koa hoe ilay ”Fahavalon'i Kristy”.

Toy ny tao amin'ireo lahatsoratra nosoratako tny aloha tany, namela blaogy maro aho. Antenaiko ny ho afaka hanasongadina azy ireny amin'ny fampisehoana masoandro ny lahatsoratra tany anatin'izy ireny amin'ny hoavy.

Ao amin'ny lahatsoratray farany mikasika ny Blaogy ao Honduras, ho hadihadianay ireo blaogy tena akademika sy ara-tsaina indrindra ary mikasika an'i Honduras.