- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jeff Ooi, Mpampita an-drano mahavariana

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2005)

Nanambara [1] ny bilaoginy vaovao amin'ny teny Shinoa, 摆渡人 [2] (amin'ny teny Anglisy: “The Ferryman” na “ilay mpampita an-drano”) i Jeff Ooi androany, azo antoka fa bilaogy amin'ny teny Shinoa voalohany ao Malezia. Nanomboka ity tetikasa ity i Jeff mba hanangana tetezana miaraka amin'ny tontolon'ny bilaogy amin'ny teny Shinoa – manazava ao amin'ny lahatsorany izy fa vokatry ny fampanantenana nataony sy Issac Mao [3] (mpahay teknolojia sady bilaogera monina ao Shanghai) ny bilaogy mba ahafahan'izy ireo manao zavatra hanangana tetezana eo amin'ny tontolon'ny bilaogy Maleziana sy Shinoa. Tena aingam-panahy lehibe ho antsika rehetra manantena hanangana tetezana vaovao sy hanomboka tetikasa vaovao mifototra amin'ny hevitra ifampizarantsika ato amin'ny Global Voices! Ary anarana mahafinaritra ho an'ny bilaogy natokana hampifandray ny firenena roa tonta, sy kolontsaina. Mirary soa, Jeff!