- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanavaozana mikasika ny kaonferansa “We Media”

Sokajy: Fahalalahàna miteny, Fampandrosoana, Fanabeazana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifindràmonina, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zon'olombelona

(Fanamariana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2006)

Lahatsoratra tselika kely avy any Londona mba hampahafantarana anao fa ny iray amin'ireo mpandahateny aty, i Nitin Desai, ilay Mpanampy Manokana ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana [1] (FM), nitarika ny Vondronasan'ny FM momba ny Fitantanana Mampiasa ny Aterineto, dia handray anjara amin'ny resaka skype sy amin'ny sehatra fifanakalozan-kevitra amin'ny aterineto (IRC) miaraka amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices.

Nanana fanontaniana maro avy amin'ireo blaogera izahay ary nampitaina taminy ireo olona niditra tao amin'ilay fivoriana tamin'ny alalan'ilay IRC teto , izay nangatahanay hovaliany any ivelan'ity sehatra fifanakalozan-kevitra ity. Hampafantarinay anao eo ihany ny antsipirihany rehefa vitanay ny fandaminana.