Bilaogera miresaka momba ny Kongresy Amerikana vaovao sy ny politika Amerikana ao Kiobà

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2006)

Tsy dia betsaka ny voalaza tao amin'ny tontolon'ny bilaogy mikasika ny vokatry ny fifidianana atsasa-pe-potoam-piasana vao haingana tao Etazonia, izay nametraka ny Demaokraty hifehy ny Kongresy tamin'ny volana novambra, ary ny mety ho fiantraikan'izany eo amin'ny ho avin'ny politika amerikana momba an'i Kiobà amin'izao fotoana izao. Ny marina dia solontenana Demokratika maromaro (sy Repoblikana sasany ihany koa) no manohana ny fanesorana ny fahirano sy/na famaranana ny fandraràna ny fitsidihana an'i Kiobà, hatramin'ny nidiran'ny nosy tao anatin'ny fotoanan'ny krizy dimy taona lasa izay. Araka ny fanamarihan'i Sir Ronald Sanders, masoivohon'i Karaiba teo aloha tao amin'ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Varotra tamin'ny lahatsoratra navoaka indray tao amin'ny bilaogin'ilay mpanao gazety Amerikana David Kinchen hoe:

. . . US policy in Cuba is still too closely tied to the fortunes of both the Republican and Democratic parties in domestic elections for any radical change to take place soon. The votes of the anti-Castro, Cuban-American community and lobby remain influential.

Nonetheless, there can be no doubt in the minds of policy makers in the US that the global community – and the Caribbean countries especially – want to see the normalization of relations between the US and Cuba.

. . . Ny politikan'i Etazonia ao Kiobà dia mbola mifamatotra akaiky amin'ny fahombiazan'ny antoko Repoblikana sy Demokratika tamin'ny fifidianana anatiny ho an'ny fanovana goavana rehetra tsy ho ela. Mbola matanjaka ny vaton'ny anti-Castro, vondrona Kiobana-Amerikana sy ireo mpandresy lahatra an-dalatsara.

Na izany aza, tsy misy fisalasalana eo amin'ny fisainan'ireo mpanao politika any Etazonia fa ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena – sy ny firenena Karaiba indrindra indrindra – dia te-hahita ny fanarenana ny fifandraisana eo amin'i Etazonia sy Kiobà.

Bilaogy Kiobàna antsoina hoe Por la izquierda [ES] namoaka lahatsoratra tamin'ny 24 Novambra izay niresaka mazava momba ny valim-pifidianana sy ny fanovana -raha misy – amin'ny politikan'i Etazonia amin'i Kiobà. Nanomboka nilaza ilay bilaogera, manoratra amin'ny anarana Left-handed hoe:

I've read a few articles about the perspectives of change of the US policies towards Cuba, now that the democrats are in control of the US congress. It sounds good, and I hope every day for the US government to stop letting certain influences from South Florida to dictate their foreign policies in this respect.

Namaky lahatsoratra vitsivitsy mikasika ny vinavinan'ny fanovana ny politikan'i Etazonia amin'i Kiobà aho, satria ny demokraty no mifehy ny kongresy amerikana amin'izao fotoana izao. Tsara izany, ary manantena aho isan'andro fa hampitsahatra ny fametrahana ireo hery sasany avy any Florida Atsimo handidy ny politikany ivelany amin'ity lafiny ity  ny governemanta Amerikana.

Ary misy lahatsoratra roa nivoaka vao haingana sy mahita ny anatiny kokoa tamin'ny 21 Desambra, navoakan'i Armando Armengol, mpanao gazety Kiobana-amerikana miorina any Miami tao amin'ny blaogy Cuaderno de Cuba. Notsongainy ny tenin'ny lehiben'ny parlemanta Kiobàna, izay nilaza vao haingana fa olana laharam-pahamehana ny politika Amerikana manoloana ny nosy :

…the president of the Cuban parliament, Ricardo Alarcón, mentioned an important issue while expressing his negative vision about a change in the US policy towards Cuba: the situation in Iraq. As long as the conditions in the Arab country worsens, and Raúl Castro continues the process of succession without obstacles, Washington will limit itself to maintaining without change its Cuban strategy.

… Nilaza olana lehibe ny filohan'ny antenimiera Kiobana, Ricardo Alarcón raha naneho ny fomba fijeriny ratsy momba ny fiovan'ny politika Amerikana ho an'i Kiobà: ny toe-draharaha any Iraka. Raha toa ka miharatsy ny fepetra ao amin'ny firenena Arabo, ary manohy ny dingan'ny fifandimbiasana tsy misy sakana i Raúl Castro, dia hametra tena hihazona tsy hanova ny paikady Kiobana i Washington .

Manolotra fandalinana tsara ihany koa i Armengol amin'ireo safidy azo atao, na ho an'ny Demaokraty na ny Repoblikana, ary mety tsy hitondra tombontsoa ho an'ny teo aloha ity toe-draharaha vaovao ity.

From the electoral standpoint, the democrats may be about to enter a minefield: instead of being able to show the incapacity of the current administration to put in practice an effective policy that contributes to bringing about a change towards democracy in Cuba, they may end up being the ones responsible for failure. They have against them a situation that seems advantageous at first sight: to continue being the party in the opposition, only that now with a considerable amount of power that makes them responsible for the errors.

Raha amin'ny fijerin'ny mpifidy, mety hiditra amin'ny toerana feno vanja milevina ny demaokraty: raha tokony ho afaka mampiseho ny tsy fahaizan'ny fitantanana ankehitriny amin'ny fampiharana politika mahomby izay mitondra anjara biriky amin'ny fanovana demokratika any Kiobà, dia mety hiafara ho tompon'andraikitra amin'ny tsy fahombiazana izy ireo. Manoloana azy ireo ny toe-javatra iray izay toa ahazoana tombony amin'ny voalohany: hanohy ny maha-antoko mpanohitra azy, saingy manana fahefana goavambe mahatonga azy ireo ho tompon'andraikitra amin'ny fahadisoana izy ireo ankehitriny.

Ao amin'ny lahatsorany faharoa momba ireo lohahevitra ireo, miditra lalindalina kokoa amin'ny fanambaran'i Alarcón i Armengol, ary manontany tena izy hoe nahoana ireo no misy zavatra mifangarika tahaka izany amin'ny fisokafan'i Raúl Castro vao haingana amin'i Etazonia:

[Alarcón's negative and pessimistic] position is somewhat contrasting with the attitude, expressed twice already by Raúl Castro, of being willing to talk to the US.

Somary mifanohitra amin'ny fihetsika ny fomba fijerin'i [Alarcón ratsy sy tsy misy fanantenana], ny nilazan'i Raúl Castro indroa amin'ny fahavononany hiresaka amin'i Etazonia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.