- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Koety: Miala Any Ny Volana Adaladala

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Koety, Hehy, Lalàna, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2008)

Tena volana adaladala be tamin'ny lafiny rehetra iny – avy amin'ny andro adaladala nankany amin'ny fidirana amin'ny Aterineto adaladala be sy fiakaran'ny vidin-javatra.

Tena adala be hoy ny fomba famaritan'i Marzouq avy amin'ny Zdistrict  [1]ny toetrandro. Manazava lalindalina kokoa izy:

Adaladala be ny zava-nitranga nandritra ireo roa andro nisesy, nanomboka tamin'ny hatsiaka ary niafara tamin'ny hafanana be. Tsy andriko ny faran'ny herinandro mba handehanako hitaingina soavaly, fa tsy nety indray izany noho ny rivotra nitsoka hatramin'ny 25 sy 37 Km/h. Sarotra ho an'ny olona ny hijanona any ivelany ary ny ankamaroan'izy ireo mijanona na mankany amin'ny toerana fivarotana.

From the weather, we move to a crazy price hike in cinema tickets. 3baid [2] writes about the price hike on cinema tickets from the the country's only operator.

Avy any amin'ny toetrandro, mikisaka mankany amin'ny fiakaram-bidy adala be an'ny tapakila fijerana sarimihetsika isika. Manoratra mikasika ilay fiakaram-bidy eo amin'ny tapakila fijerena sarimihetsika avy amin'ny mpandraharaha tokana ao amin'ny firenena i 3baid [2] .

Avy amin'ny tranonkala ofisialin'ny Cinescape:
Manomboka ny 7 Febroary, ho 3.000 KD ny vidin'ny tapakila afa-tsy rehefa  Alatsinainy.
Tehaka ho an'ny Cinescape! Tena ankehitriny vao miha-tsy mahaliana ny handeha hijery sarimihetsika any.

Manana fiakarambidy iray hafa hotaterina ihany koa i Pearl [3] ary manoratra mikasika ny orinasa Koetiana iray mpanamboatra ranomboankazo izay nampitombo ny vidin'ny ranomboankazo.

mampiakatra ny vidin'entany nefa mivarotra ny kitaponà ranomboankazo kely (125ml) miisa 40 amin'ny vidiny adala be 3.400 KD, raha toa ka amidy amin'ny vidiny 3.600 KD ny kitapon'ny ranomboankazo mahazatra (250ml) miisa 24. Mitapy mitapy mtapy !!!

Misy fiantraikany ihany koa amin'ny blaogera Yousef  ao amin'ny somecontrast [4] ny fitantanan-draharaha, izay tsy tia ny tenany noho ny:

Omaly aho tany amin'ny seranan'i Shuwaikh tao akaikin'ny Oniversiten'i Koety. Te hilaza ny zavatra rehetra amin'ny antsipirihany aho, saingy voaporofo fa tsy ho afaka atao izany… antsipirihany kely be dia be manirikiry.. izay ny ankamaroany dia tsy azo tsapain-tanana avokoa.. mila mankeny in-dray mandeha ianao ary ho fantatrao hoe inona no resahako

Tsy manampy ihany koa ny fahatapahan'ny Aterineto [5] tsy ela akory izay, ary manondro izay tokony homena tsiny amin'izany i Forzaq8 [6] no sady milaza:

eny, omeo tsiny amin'izany i Ejipta

Any amin'ny lahatsoratra tsy adala sasany, manoratra mikasika ny fomba fandehan'ny raharaham-barotra iray ao an-toerana i Qais ao amin'ny Io81 [7] :

Maro no efa naheno na nampiasa ny 6alabat.com, tranonkala tsotra izay idiranao, itadiavanao trano fisakafoanana ary anaovanao kaomandy izany. Avy eo, ny 6alabat.com no manao ny ambiny, tsy horesahako ny mikasika ny zava-misy hoe toa mandefa baiko diso ny 6alabat sns sns … fa ho hazavaiko ny fomba ahazoany tombony mba hahatakaran'ny hafa izany

Mandritra izany fotoana izany, soratan’ i Fonzation [8] ny mikasika ny fanapahankevitra hanidy sekoly fito tsy miankina any amin'ny faritra fanorenam-ponenana izay napetraka tao Koety ihany nony farany ary heveriny fa mety hampihena ny fifamoivoizana izany. Manazava izy:

Tena hampihena tanteraka ny fifamoivoizana goavana be atrehintsika isanandro ao amin'ny lalana faha-4 izany! Toy ny fisian'ny faritra fanorenam-ponenana, faritra fanorenana indostria, faritra natokana ho an'ny birao, sns, dia tokony hisy faritra natokana ho an'ny sekoly ihany koa.