- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Koety sy ny Andron'ny Lainga

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Koety, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2008)

Manamarika ny fitobahana lahatsoratra marobe ny voalohan'ny volana Aprily, izay mampanontany tena ireo mpamaky sy blaogera raha toa ka marina ny zavatra vakiany na tsia.

Ireto misy lahatsoratra vitsivitsy avy any Koety mikasika izany andro izany:

Ma6aba:

Ah! Tena mba tsy tiako mihitsy ity andro ity! manirikiry be raha izany no anontanianao ahy. Ary matetika toa izaho foana no adala  (Izay vao mainka manaratsy ilay andro raha toa ka mbola azo atao izany).

Area 77 [1]:

Tsy voa aho akory na hoe inona fa tena mampanahy ny aterineto mandritra ny herinandro manontolo ho avy eo. Tsy fantatrao intsony hoe inona ihany ary no marina na tsia!

Big Pearls:

Tsy mampino ahy hoe efa ”Andron'ny Lainga” sahady izao. Tadidiko ilay sakafoko hariva tamin'ny taombaovao, ohatry ny hoe vao omaly. Tena mandeha haingana be ny fotoana ka, mampahatahotra!

Blog all along:

Ity no andro tena tsy tiako indrindra ao anatin'ny taona. Ny andro tsy maintsy handehananao any an-kafa mba hamakiana raha toa ka marina izany novakianao rehefa mamaky vaovao ianao