- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bangladesh: Ora lavabe tao Tokyo

Sokajy: Azia Atsimo, Azia Atsinanana, Bangladesh, Japana, Fifindràmonina, Lalàna, Mediam-bahoaka, Sendikà

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Novambra 2006)

Na ny olona avy ao Azia Atsimo aza mandefa vola any an-tanindrazana, Drishtipat  [1]miresaka ny onjan'ny taona 80 raha nanosika ireo olona avy any Bangladesh ho any ivelany ny fampanantenana ara-bola. “Mitantara amintsika ny diany tany an'efi-tranon'i Shobuj sy Maroof izy ary nahita lehilahy 7 matory ao amin'ny efitra 2 kelikely. Tantarainy ny fomba fifohazan'i Shobuj vao mangiran-dratsy, mankany am-piasana ary tsy tafaverina an-trano raha tsy amin'ny sasak'alina. 16 ora isan'andro, 7 andro isan-kerinandro, isam-bolana.”