- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahazo laza ny bilaogera Maraokana ary nampihena ny fanjakazakan'ny teny Frantsay amin'ny bilaogy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Sakafo, Teknolojia, Zavakanto & Kolontsaina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2006)

Nankany Maraoka [1] nanao vakansy lavabe aho. Rehefa niverina tany an-trano, dia tsy maintsy niatrika ny adenoidan'ny [2] zanako lahy izay nahatonga ahy hanalavitra ny fantina sy fintim-bilaogy fanaoko isan-kerinandro. Misaotra an'Andriamanitra, mandeha tsara ny zava-drehetra ankehitriny. Amin'izao fotoana izao aho dia miverina amin'ny fialam-boly ankafiziko indrindra amin'ny fijerena ireo bilaogy Marokana orizinaly indrindra ary mitondra azy ireny ho hitanao, ny tenanao, fa mahatalanjona tokoa ny tontolon'ny bilaogy Maraokana  [3](Blogoma) ary mahaliana ny maha ao anatin'izany.

Mahaliana kokoa ny mihaona amin'ireo bilaogera [4] mivantana, ary nanana tombontsoa [5] aho niresaka [6] tamin'ny sasany [7] tamin’ ireo kintan'ny [8]  blogoma. Niady hevitra tamin'izy ireo aho ary gaga tamin'ny fomba fisainan'izy ireo sy ny fivelaran'izy ireo indrindra fa vehivavy ny ankamaroan-dry zareo.

Manana resadresaka hozaraiko aminao isaky ny herinandro aho, saingy amin'izao fotoana izao, andeha hijery indray momba ny tontolon'ny bilaogy Maraokana

Blogo ergo sum [Mibilaogy aho ka misy]

Porofo amin'izao fotoana izao fa mandray am-pahamatorana ireo bilaogerany i Maraoka. Taorian'ny raharaha ratsy Jankari [9] no nanoritra [10] ny  fitomboan'isany bilaogy ao amin'ny firenena ny Media Maraokana. Ary raha te-tsy hanome fanohanana ho an'ireo izay antsoiny hoe “trangan-javatra mora levona” ny sasany amin'izy ireo (media maraokana), nankasitraka [11] ny firoboroboan'ny bilaogy ho toy endrika hafa amin'ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny firenena mikatsaka endrika fanehoan-kevitra marobe kosa ny ankamaroan'ny mpanao gazety Maraokana .

Nanjary lasa bilaogera ny ankamaroan'ireo mpiserasera aterineto Maraokana tamin'ity taona ity noho ny hamoran'ny fidirana amin'ny aterineto, ny fahazoana ankapobeny ny ADSL sy ny famoahana tranonkala bilaogy maromaro ao an-toerana.
Ny fivoarana amin'izao fotoana izao ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Maraokana izay efa isan-karazany dia ny fananganana sehatra bilaogy amin'ny teny Arabo sy vavahadin-tserasera mampifandray vaovao, laharana lohahevitra sy sehatra bilaogy.

Araka ny lahatsoratra iray navoakan'ny Magharebia.com [12], nandrisika ireo mpandraharaha Maraokana maromaro hanangana ny sehatr'izy ireo manokana ny fitomboan'ny fidirana aterineto. Blogjahiz.ma [13] no sehatra lehibe Maraokana amin'izao fotoana izao. Nitarika ny fanombohan'ny Marblog.com  [14]avy amin'ny Multimedia Studios  [15]ny lazan'ny bilaogy eo amin'ny tanora.

“The dominance of French in the Moroccan blogosphere is beginning to lessen as Arcanes Technologies’ recently-launched Blogjahiz is the first Arabic-language Moroccan platform.”

“Manomboka mihena ny fanjakazakan'ny teny frantsay ao amin'ny tontolon'ny blaogy Maraokana satria ny Blogjahiz, bilaogin'ny Arcanes Technologies izay natsangana vao haingana no sehatra Maraokanina voalohany amin'ny teny Arabo.”

Hoy [16] ny mpanoratra ny lahatsoratra.

Larbi,Star.. manohitra ny sitrapony!

Fatantsika rehetra manomboka izao fa te-ho bilaogera ara-dalàna [17]kokoa i Larbi [18]. Saingy, raha momba ny famahanana blaogy, ny mpamaky no hany mpitsara. Ary nanapa-kevitra [19] izy ireo fa i Larbi no bilaogera miavaka [20]. Tsy Maraokana ihany [21] izy ireo fa avy any amin'ny firenena samihafa [22]manana ny fahalianan'izy ireo an'i Maraoka [23] izay toetra iombonana.

Ny anton'io fifanarahana io dia nanangana ny Maroc blogs.com, [24] mpanangona ny bilaogy Maraokana i Larbi. Ary efa nahazo mpihaino be dia be sahady izy ary tena manampy be ahy.

fosafosa…..fosafosa

The wedding of Nadia and Blaise, the Moroccan Way

Maro ireo zavatra nitranga fony aho tany Maraoka. Nadia  [25]nanambady an'i Blaise [26], ary M.S Hjiouj'blog [27] niova endrika.

Hjiouj kosa namoaka andiana resadresaka [28] niarahana tamin'ireo bilaogera Arabo malaza [29], anisan'izany i Ahmed Bla Fransya [30] sy Haitham Sabbah [31]. Eny, hitantsika fa manana mpankafy mihitsy i Haitham any Maraoka!

Etsy andaniny, anisan'ireo bilaogy Arabo voafantina  [32]hifaninana amin'ny lalao famaranan'ny BOBs [33], miaraka amin'ny bilaogin'i Rachid Jankari [34] i Hjiouj  .

Tafaverina kosa i Sonia  [35]rehefa tsy teo nandritra ny fito volana be izao raha tsy nahitana fanavaozam-baovao kosa ny Chigaf [36] nandritra ny diany tany Paris, telo volana lasa.

Tsara ny mainty, hoy [37] i Anima sy Manal mampanantena tsy hanandrana ny tenany ho sefo [mpikarakara nahandro] [38].

Soumiaz  kosa tafaverina ary nifoka sigara [39]le baroude kosa te-hanana Rolls royce [40](fr).

View From Fez indray manamafy  [41]ny efa laza be hananan'i Hayfa Wahbi ary nanambara fa hitsidika an'i Maraoka amin'ny volana Desambra i Ronaldo Luiz Nazario De Lima, mpilalao baolina kitra iraisampirenena any Brezila, ampahany amin'ny iraka fanohanana ny ankizy.

The Real Madrid player told on Friday the Spanish daily “ABC” he will visit Morocco to try help children by his presence. “I was not born in a Favela (slum), but I grew in a very poor community and I know what poverty means,” he said.

Nilaza tamin'ny gazety Espaniola mpivoaka isan'andro “ABC” ny mpilalaon'ny Real Madrid  tamin'ny Zoma fa hitsidika an'i Maraoka izy mba hiezaka hanampy ny ankizy. “Tsy teraka tao Favela aho, fa nihalehibe tany amin'ny fiaraha-monina mahantra ary fantatro ny dikan'ny fahantrana,” hoy izy.

Alohan'ny andaozako anao dia te-hisaotra anareo rehetra izay nanam-potoana handefasana mailaka ahy nanontany ny antony tsy naha-teo ahy aho. Mahasoa ny mahatsiaro.

Izay no androany, amin'ny Alarobia indray, Inshallah 😉