- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sri Lanka : Nampiakatra adi-hevitra i Akon

Sokajy: Sri Lanka, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Mozika, Politika, Vaovao Mafana

(Marihina fa tamin'ny 25 Martsa 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Akon performing in a concert. Image from Flickr by Celso Tavares via Funchal. Used under a Creative Commons License [1]

Akon nanao fampisehoana. Sarin’i Celso Tavares tamin’ny alàlan’ny Funchal tao amin’ny Flickr. Lisansa Creative Commons

Mety hanontany tena angamba ianao hoe inona no mety ho vokatry ny rakikira iray? Niteraka adihevitra tao Sri Lanka ilay lahatsarin’i Akon [2] (na i Aliaune Badara Akon Thiam) izay sady mpihira no mpamoron-kira R&B, Sexy Chick [3], izay mampiseho andian-jatovovavy zara fa mitafy sady mandihy amin'ny fety iray eo amoron’ny dobo filomanosana sady manoloana ny sarivongan’i Boddha. Niseho afaka segondra vitsivitsy tao an-damosina ilay sarivongana nanjavozavo zara raha hita.

Nanana ny fandaharampotoanany hitsidika an’i Sri Lanka hanao fampisehoana i Akon ny volana ambony. Andro vitsivitsy lasa izay nanodidina teo amin’ny olona miisa 200 teo ho eo no nivory teo anoloan’ireo biraon’ny Maharaja, ny mpandraharahan’ny haino aman-jery izay nanohana ny fampisehoana, ary nitora-bato [4] ka naharatrana olona miisa efatra sy nanimba ilay tranobe.

Nitantara [5] ny vavahadim-baovaon’ny aterineto Parambara :

L'opposition en ligne au concert qui avait débuté sous forme de groupes Facebook, a enflé pour atteindre à présent près de 13.000 personnes, et est soutenue par des emails et des billets de blogs. L'opposition verbale a pris un tour violent le 2 mars, lorsque les bureaux de Capital Maharaja ont été attaqués par la foule. Les pancartes abandonnées sur les lieux indiquaient que l'attaque avait été déclenchée par le concert projeté d'Akon.

Nahatratra olona miisa 13.000 ny fanoherana an-tserasera ny fampisehoana izay nanomboka tamin’ny endriky ny vondrona Facebook, ary notohanan’ireo mailaka sy ireo lahatsoratra bilaogy. Niova ho fihetsika nahery setra tamin’ny faha 2-n’ny volana Martsa ny fanoherana am-bava, rehefa notafihan’ny vahoaka ny biraon’ny Capital Maharaja. Ireo sora-baventy najanona teny amin’ny toerana dia nilaza fa noho ny fampisehoana nataon’i Akon no niteraka ny fanafihana .

Tsy nijanona teo anefa izany, ary raha araka ny lahatsoratra an-gazety [6] iray, nifandray tamin’ny governemanta Sri Lankey ireo moanina boddista ary nangataka azy tsy hamela an’i Akon hanantanteraka fampisehoana tany Sri Lanka. Nandà ny fangatahan’i Akon visa [7] ny governemanta noho ny antony : « lahatsary nampiady hevitra, tononkira manafintohina sy hetsi-panoherana mahery vaika avy amin’ireo fikambanana samihafa sy ny vondrona ara-kolontsaina sy ara-pivavahana tao amin ‘ny firenena »

Namoaka fanambarana [8] i Akon izay nilaza fa tsy nahafantatra ny fisian’ny sarivongana izy no sady tsy nikasa hanome fanafintohinana.

Nafana ny lohahevitra tao amin’ny tontolon’ny bilaogy Sri Lankey.

Nahita ilay lahatsary mahasadaikatra i Indrajit Samarajiva tao amin’ny bilaogy indi.ca kanefa nitsikera [9] ireo fanafihana

Si vous voulez défendre le bouddhisme il faut commencer par le pratiquer. Au lieu de bavarder sur Facebook ou (dit-on) de lancer des pierres, cela suppose de rester un peu assis calmement tout seul.

Tsy maintsy manomboka amin’ny fampiharana ny bodisma ianareo raha te hiaro izany. Midika izany fa mila mipetraka irery ampahanginana fa tsy mitakoritsika ao amin’ny Facebook na ( hoy ny olona) nitora-bato.

Nitsikera ny fandrahonana ho faty natao an’i Akon [10] tao amin’ny Facebook i Dee tao amin’ny A Collision of Ideas ary nanolo-kevitra hoe :

Peut-être devrions-nous être un peu moins en colère, reconsidérer cela et voir ce qu'on peut en tirer de positif au lieu de le tuer et de nous ridiculiser par la même occasion.

Angamba tokony tsy ho tezitra loatra isika, diniho izany ary jereo izay azontsika atao hakana lesona fa tsy hoe hamono azy na hanao adalana amin’izany trangan-javatra izany.

Niantso izany ho firongatry ny fondamantalista amin’ny bodisma Sinhala [11] tao amin’ny Gioundviews i Kalana Senaratne

Pour sûr, si une ou deux secondes ont causé autant de colère et de haine, cela aurait été bien plus grave si toute la vidéo musicale avait montré une statue de Bouddha ou un temple. Plus profondément, alors, ces manifestants qui crient et invectivent et lancent des pierres, et parmi eux des moines, sont-ils vraiment des ‘Bouddhistes’?

Peut-être qu'en tant que nation, nous avons atteint le stade où la sorte de manifestations ineptes qui ont lieu au nom du bouddhisme doivent être soumises à une analyse critique. Il y a un grand danger à ne pas le faire, parce que, de toute évidence, l'impression qui émane du silence de ceux que perturbe de telles manifestations est une impression d'‘acceptation’; acceptation de tout acte barbare commis au nom du bouddhisme, pour la plupart  par des hommes politiques qui se cachent derrière les religions.

Azo antoka fa raha niteraka fahatezerana sy fankahalana ny iray na roa segondra dia mety ho ratsy kokoa raha nampiseho ny sarivongan’i Bodha na ny tempoly iray ny lahatsary iray manontolo. Indrindra indrindra ireo mpanao fihetsiketsehina izay nitabataba sy nanompa ary nitora-bato, ary anisan’izany ireo moanina, tena Boddista marina ve izy ireo?
Amin’ny maha firenena antsika angamba, dia tonga amin’ny dingana izay nahitana fihetsiketsehana tsy manjary natao tamin’ny anaran’ny Bodisma izay tokony ho tsikeraina am-panadihadiana isika. Misy ny loza lehibe izay tsy tokony hanaovana izany, satria, mazava ho azy, fa ny fahanginan’ireo izay nanelingelina ny fihetsiketsehana toy izany dia fanekena ny asa maloto rehetra natao tamin’ny anaran’ny Bodisma, ary izany dia avy amin’ny ankamaroan’ireo olona mpanao politika miafina ao ambadiky ny fivavahana.

Te-hiteny [12] amin’ireo izay nankahala an’i Akon tao Sri Lanka ny Going Global hoe:

Toutes les accusations que ces groupes “Tuer Akon” braquent contre lui gravitent autour d'une statue de Bouddha utilisée dans une de ses vidéos. Je comprends maintenant à quel point cela peut être offensant : voir une paire de nanas en tenue légère danser autour de quelque chose qu'on considère comme sacré, et si quelqu'un le faisait dans une mosquée je serais aussi pas mal furax.

Mais perdre les pédales à la nouvelle qu'il va se produire au Sri Lanka et menacer de tuer le gars n'aidera personne. Et encore moins les Sri Lankais.

Ny fiampangana rehetra izay ataon’ny vondrona ‘’Vonoy i Akon’’ dia manodidina ny sarivongana Boddha iray izay nampiasaina tao anatin’ny iray tamin’ireo lahatsariny. Takatro ankehitriny ny mety ahatonga izany ho manafintohina: ny fahitana ireo ankizivavy roa miakanjo manify sady mandihy manodidina ilay zavatra iray noheverina ho masina, ary raha misy olona manao izany ao amin’ny moske dia mety ho tezitra ihany koa aho.
Saingy tsy hanampy na iza na iza ny haromotana tamin’ny fandrenesana ny vaovao fa hiseho indray any Sri Lanka izy sy ny fandrahonana ny hamono ity zalahy ity. Ary indrindra indrindra moa fa ireo Srilankey.

Nanontany [13] ny A Voice in Colombo hoe : « mety ve fa raha nampiasa ny sarivongan’i Boddha avy any an-damosina ireo mpanatontosa ny lahatsarin-kira? » Namaly [14] ary nanontany tena amin’izay mety ho eritreritr’Andriamanitra sy Boddha ny amin’izany i London, Lanka and Drums .

Nanana ny heviny [15] momba ny fandavana ny visa an'i Akon ny The Puppeteer:

Le gouvernement Sri Lankais semble avoir pris l'habitude de refuser les visas. Bien que cette fois cela ait pu être une mesure de précaution, plutôt qu'une tentative pour ne pas laisser de traces.

Toa nanana fahazarana ny handa visa ny governemanta Sri Lankey. Na dia mety ho fandraisana fepetra aza ity indray mandeha ity, fa tsy fikasana ny hamafa ny fandalovany

Na dia izany aza , nanantena ilay bilaogera fa hanao fampisehoana amin’ny daty hafa i Akon.