- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fandikan-teny, sy rohy (URL) vaovao

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2005)

Azo jerena amin'ny tenim-pirenena maro ankehitriny ny teny ierana Global Voices – fanambarana ny fitsipika sy ny finoanay fototra, niaraha-nanoratra tamin'ireo olona maro izay nanatevin-daharana anay tamin'ny fihaonamben'ny Global Voices voalohany tamin'ny Desambra 2004: Arabo [1], Alemana [2], Anglisy [3], Espaniola [4], Finlandey [5], Frantsay [6], Italiana [7], Japoney [8], Portiogey [9], Swahili [10],  ary koa amin'ny teny “Anglisy notsorina” [11] nohatsaraina ho an'ny milina mpandikanteny. Raha liana hanampy amin'ny fandikana ny teny ierana amin'ny fiteny fanampiny ianao, dia aza misalasala miditra ao amin'ny wiki [3]. Raha mbola tsy niasa tamin'ny fandikan-teny wiki ianao taloha dia azonao atao ny mijery ny pejin'ny fandikana [12]Wikipedia. Mety hoe te-hifandray amin'ny Global Voices wiki maven SJ ihany koa ianao, izay efa nanampy tamin'ny fikarakarana ny fandikan-teny – sjklein AT hcs DOT harvard DOT edu.

Amin'ny fanamarihana hafa, [manana rohy URL vaovao izahay ho an'ny Global Voices – azonao atao ankehitriny ny miditra ao amin'ny pejinay voalohany www.globalvoicesonline.org na www.globalvoicesonline.com. Tsy mila manova ny tsoratadidy ianao, satria tsy manalavitra ny adiresy harvard.edu misy anay izahay – fa ampio an'ity adiresy vaovao ity raha mety aminao.] Efa fantatsika fa amin'ny globalvoices.org no ahitana ny tranonkala na miampy ny famantarana ny teny [mg.] ho an'ny malagasy eo alohan'io raha hitady ny amin'ny teny malagasy ianao.