- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fampilaharana ireo Bilaogy Mpampifandray

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2005)

Ao India atsimo aho amin'ity herinandro ity (ivelan'i Bangalore ihany), manatrika ny fihaonambe AsiaSource [1], fivorian'ireo FTMF =ONG matihanina momba ny teknolojia avy ao Azia, izay mianatra ny fomba hanovana ny fikambanan'izy ireo ho sehatra loharanom-baovao misokatra. Tena traikefa fifanakalozana ara-kolontsaina mahavariana izany – nanana resadresaka mahafinaritra momba ny fidirana amin'ny aterineto ao Birmania sy ny famolavolana rindrambaiko ao Kambodza aho… ary koa lalao basketball mahafinaritra, izay nahitana ny Amerikana/ Poloney/ Iraniana nifandrina tamin'ny Danoà/Mongoliana/Kroaty…

Atrikasa momba ny fibilaogina naharitra adiny telo ny fandraisako anjara tamin'ny fivoriana omaly. Ratsy ny fifandraisana aterineto eto, ary tsy fantatra hoe firy tamin'ireo olona nanatrika no afaka nanangana bilaogy. Saingy manantena aho fa hanomboka hibilaogy sy ho afaka hanaraka ny sasany amin'ireo bilaogy ireo ny olona izay nanatrika ity fihaonambe ity.

Nisy ny resadresaka mivantana teo amin'ireo mpandray anjara Global Voices sasany mikasika ny fomba hanarahana hatrany ny ezaka fibilaogina manerantany. Iray tamin'ireo hevitra tamin'ity resadresaka ity ny tondro ara-panandramana momba ny bilaogy fiampitàna [2] manerantany. Mampiasa ny fitambaran'ny technorati [3] sy ny del.icio.us [4], miezaka mamantatra ireo bilaogera mpampita lehibe ny vondrona ao aminayary mampiditra azy ireo ao amin'ny tondro [fampilaharana] mifototra amin'ny wiki.

Raha liana mikasika izay nampidirina hatramin'izao ianao, dia jereo ireo nampidirina ho an'i Maraoka [5] na Ghana [6]. Raha liana handray anjara hanampy anay hanangana izany tondro [fampilaharana] izany ianao, dia jereo ny pejy wiki  [2]ao amin'ny bridgeblogging, ary koa ny endrika torolalana  [7]ho an'ny pejin'ny tondro.