- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Drafitra faharoa momba ny toro-lalana fibilaogina miafina anarana

Sokajy: Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2005)

Navoakako tamin'ny herinandro ny drafitra voalohany momba ny torolalana ara-teknika amin'ny fibilaogina miafina anarana [1]. Nahazo valinteny mahafinaritra avy amin'ireo olona manerantany aho ary vao avy namoaka drafitra faharoa mikasika ny torolalana momba ny wiki Global Voices, manasa ireo mpiara-miasa mba hanampy hanatsara izany. Raha liana amin'ny lohahevitra bilaogy miafina anarana ianao, dia tsidiho azafady ny torolalana [2] ary manampia amin'ny fanatsarana izany.

(Raha handray anjara amin'ny fanitsiana ity antontan-kevitra ity ianao, dia misy fangatahana roa: Voalohany, mamorona kaonty ao amin'ny wiki-anay, mba ahafahanay manaraka ny fandraisanao anjara. Faharoa, ataovy ao an-tsaina ny mpijery ity antontan-kevitra ity – hanoratra antontan-kevitra mahafinaritra, azo vakiana, sy marina ara-teknika, azo adika ary natao ho an'ireo mpikatroka ao amin'ny firenena an-dalampandrosoana izahay. Tsy miezaka manoratra antontan-kevitra natao ho an'ny cypherpunks izahay.)

Misaotra amin'ny fanampianao!