- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bangladesh: Taorian'ny tondradrano

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fahasalamàna, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Saripika, Toekarena sy Fandraharahàna, Voina, Vonjy Voina

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Flood in Bangladesh [1]
(Ny halehiben'ny tondra-drano tany Bangladesh: Sarin'ny Zanabolana nalaina tamin'ny 3 Aogositra 2007, natolotr'i Cegisbd [2])

Fantatra fa olona miisa 587 no matin'ny [3] tondradrano tamin'ny fotoana nanoratana tamin'ny taona 2007 tany Bangladesh. Efa nihena ny tondra-drano tany amin'ny ankamaroan'ny faritra saingy nanakana ireo olona voakasik'izany tsy ho tafody tany an-tranony ny tondradrano (vao haingana) [4] tany amin'ny faritra maro .

Ahoana no ahafahanao maneho ny tena endriky ny tondradrano? Ny fahitana trano tondraky ny rano ve sa ny sambo eny an-dàlambe sa ny olona mirobo-drano? Mampiseho [5] ny sariny ny fiantraikan'izany tamin'ny fiainan'ny Bangladeshis maro ilay mpanao gazety mpaka sary malaza sady bilaogera Shahidul Alam. Hoy izy:

…The floods are with us again. They are a part of our natural agricultural cycle. They irrigate the land, replenish the topsoil, remove the toxins. But deforestation in the mountains, illegal constructions, ill planned roads and ill caring leaders make floods take on a violent form. The waters get angry.

… Miaraka amintsika indray ny tondra-drano. Ao anatin'ny tsingeringerina voajanaharin'ny ‘fotoanam-pambolena izy ireo. Manondraka ny tany izy ireo, mamelona indray ny tany fambolena, manaisotra ny poizina. Saingy ny fandripahana ala any an-tendrombohitra, ny fanorenana tsy ara-dalàna, ny lalana ratsy paika sy ny tsy fahaizan'ny mpitondra mikarakara no mahatonga ny tondradrano haka endrika herisetra. Lasa tezitra ny rano.

Nisy ny ezaka fanangonana fanampiana tamin'ny tondradrano avy amin'ny sarangam-piarahamonina tsirairay. Maro ny olona nikarama no nanolotra ny karamany iray andro ary nametraka izany tany amin'ny Lehiben'ny Governemanta (mpisolo toerana) misahana ny Fanangonam-bola. Navitrika tamin'izany ihany koa ireo bilaogera Bangladeshi . Nisy ny hetsika fanangonam-bola nataon'ireo bilaogera toa an'i:

Nanome ny lisitry ny ezaka fanangonam-bola maro kokoa [8] ny bilaogy Bangladesh Real Estates Updates. Na izany aza, nitsikera ny fampiasana ny hetsika fanangonam-bola ho dokambarotry ny orinasa sasany ny bilaogy Bangladesh Corporate Blogs. Ohatra iray, manana tanjona hafa ny teny filamatra tahaka ny hoe “Taka iray no omena ny tahiry fanampiana amin'ny tondra-drano isaky ny kitapo simenitra iray lafo”. Nampahatsiahy ilay bilaogy fa tsara kokoa ny misoroka noho ny mitsabo ary nilaza hoe:

I am sure in the coming days you might see the event management firms of Bangladesh making best use of the ‘event’ (floods) when they will arrange charity concerts, fashion shows, dinner etc……just to aid the poor and flooded of Bangladesh. I wonder why these mushrooming event management firms don't arrange awareness, health safety events in villages, other city centers when there is no flood. Where is their sense of charity when our grounds are dry?

Azoko antoka fa ato anatin'ny andro vitsivitsy dia mety hahita ireo orinasa mikarakara ny hetsika ao Bangladesh hanararaotra ity ‘fanentanana’ (tondra-drano) ity ianareo ary hikarakara fampisehoana hanaovana asasoa, fampisehoana lamaody, sakafo hariva sns…… mba hanampiana fotsiny ireo mahantra sy ireo tratran'ny tondradrano ao Bangladesh. Manontany tena aho hoe nahoana ireo orinasa  mpikarakara hetsika miroborobo ireo no tsy mikarakara fanentanana, na hetsika fiarovana ara-pahasalamana eny amin'ny tanànakely, sy ny foiben'ny tanàndehibe hafa rehefa tsy misy ny tondradrano. Hatraiza ny fanaovan'izy ireo asa soa rehefa amin'ny fotoana maha-maina ny tany?

Taorian'ny Safodrano:

Nahatonga ireo olona ho tsy manan-kialofana ny andiana tondradrano voalohany. Maro ny loza rehefa nisintaka ny tondradrano. Niresaka [9] momba ny loza mitatao amin'ny aretim-pivalanana ary nitady fomba hisorohana izany ny bilaogy An ordinary citizen .

Nitanisa ny dingana [10] tokony hataon'ny Governemanta ihany koa ilay bilaogera mba hiatrehana ny fanamby hanampiana ireo olona nafindra toerana.

Nandefa sary [11] mampiseho ny fisintahan'ny tondradrano tao an-tanàndehiben'i Dhaka ny bilaogin-tsary Ershad Ahmed avy ao Dhaka.