- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanangonan-tsonia ho famotsorana an'i Hao Wu, tonian-dahatsoratry Global Voices, alefa any amin'ny filoha Hu Jintao

Sokajy: Shina, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2006)

Maro ireo mpamaky ny Global Voices no nanontany izay azon'izy ireo atao mba hanafainganana ny famotsorana ny namantsika sady mpiara-miasa amintsika Hao Wu [1] gadraina ao Beijing. An-jatony aminareo no nametraka famantarana [2] ao amin'ny bilaoginareo sy tranonkalareo mba hisarika ny saina manoloana ny fanagadrana an'i Hao Wu, ary nanampy tamin'ny fahalianan'ny fampahalalam-baovao mikasika ny toe-draharaha izany fanohanana izany.

Nanantena izahay fa ny teritery ataon'ny media dia hitarika an'i Hu Jintao hamotsotra an'i Hao mialoha ny fihaonany manaraka amin'ny Filoha Bush. Saingy indrisy fa toa tsy hitranga izany. Noho izany dia nanomboka fanentanana fanoratana taratasy [3] sy fanangonan-tsonia [4] izahay androany mba hangataka ny famotsorana an'i Hao tsy misy hatak'andro.

Nanomboka ny fanentanana fanoratana taratasy [3] i Rebecca androany maraina, ary nandrisika ny mpamaky mba hanoratra any amin'ny governemantam-pirenen'izy ireo, any amin'ireo ambasadaoro Shinoa any amin'ny firenen'izy ireo, any amin'ny gazetin'izy ireo any an-toerana, ary ny filoha Shinoa Hu Jintao. Manome sombiù-baovao lehibe hampidirina ao amin'ny taratasy na lahatsoratra, ary koa adiresy ilaina ny lahatsorany [3].

Nanatontosa fanangonan-tsonia an-tserasera [4] ihany koa izahay, mangataka amin'ny filoha Hu Jintao mba hamotsotra tsy misy hatak'andro an'i Hao.

Ny lahatsoratra ao amin'ny fanangonan-tsonia dia mivaky hoe:

We, the undersigned concerned citizens of the world, protest the detention without charge of Chinese filmmaker and blogger Wu Hao and call on the Chinese government to release him immediately.

Mr. Wu, a Chinese citizen and U.S. permanent resident alien known in the United States as “Hao Wu”, recently returned to live in China and produce independent documentaries. He was detained on February 22nd without being charged with any crime. Authorities have not given Wu Hao's family an explanation for the detention despite numerous inquiries. According to China’s own Code of Criminal Procedure, a person cannot be held without charge or arrest for more than 37 days. His detention has substantially exceeded that period of time.

It is our understanding, based on speeches by China's own leaders, that China aims to be a country governed by the rule of law. The detention of Mr. Wu without charge, and without access to a lawyer, would appear to be highly inconsistent with that aim.

If Mr. Wu has indeed broken the law, a country that respects the rule of law should uphold Mr. Wu's right to legal procedure. His continued unlawful detention is a clear violation of his universally recognized human rights. We ask for his immediate release.

Izahay, manoratra, olom-pirenena manerantany voakasika dia manohitra ny fanagadrana tsy misy fiampangàna an'ilay mpamokatra horonantsary sady bilaogera Shinoa Wu Hao ary miantso ny governemanta Shinoa hamotsotra azy tsy misy hatak'andro.

Niverina nody tany Shina ary namokatra horonantsary fanadihadiana tsy miankina Atoa Wu, teratany Shinoa sy nonina ela tany Etazonia fantatra amin'ny anarana hoe “Hao Wu” any Etazonia. Nogadraina izy tamin'ny 22 febroary kanefa tsy nampangaina ho nanao heloka bevava. Tsy nanome fanazavana mikasika ny fanagadrana azy tany amin'ny fianakavian'i Wu Hao ny manam-pahefana na dia maro aza ireo fanadihadiana natao. Araka ny voalazan'ny Fehezan-dalàna momba ny heloka bevava ao Shina, dia tsy azo atao ny managadra olona tsy misy fiampangana na misambotra mandritra ny 37 andro. Efa nihoatra lavitra io fe-potoana io ny fihazonana azy.

Raha ny fahafantaranay mifototra amin'ireo kabarin'ny mpitondra ao Shina, mikasa ho firenena tan-dalàna i Shina. Toa tsy mifanaraka tanteraka amin'izany tanjona izany anefa ny fisamborana an'Atoa Wu tsy misy fiampangàna, sy ny tsy famelana azy hanana mpisolovava.

Raha nandika lalàna tokoa Atoa Wu, tokony hanohana ny zon'i Wu hanana dingana ara-pitsarana ara-dalàna ny firenena izay manaja ny fitsipi-dalàna. Ny fanagadrana azy tsy ara-dalàna dia fanitsakitsahana mazava ny zony maha-olombelona nekena manerantany. Mangataka ny famotsorana azy avy hatrany izahay.

Mangataka izay rehetra mamaky ity lahatsoratra ity izahay azafady mba hanasonia ny fanangonan-tsonia  [4]ary hampita ny rohy (URL) any amin'ny namana izay mety hanasonia izany koa. Ilaina ny adiresy mailakao raha hanasonia ny fangatahana, saingy tsy havoaka izany. Raha afaka mandika teny ny fangatahana amin'ny fiteny hafa ianao, azafady ampahafantaro anay izany – tianay ho hita amin'ny fiteny maro araka izay azo atao ny fangatahana.

Misaotra amin'ny fanohananao ary misaotra miahy ny namantsika.